Toko faha 22

1 Valo tao Josia ro nanomboky nanjaka; telopolo raiky amby tao ro nanjakany tao Jerosalema. Jedida ro agnaran'ny reniny(anaky ampelan'i Adaia bakagny Bozkata). 2 Nanao zay marina teo amason'i Yaveh ie. Nandeha tamin'ireo lala iabin'i Davida razambeny ie, sady tsy nivily lala niangnavia na nagnavana. 3 Sady teo amin'ny fahavalo amban'ny folo taonan'i Josia mpanjaka, la nandefa gnan'i Safana anak'i Azalia anak'i Mesolama lay mpanora-dalagna tagny an-tragnon'i Yaveh ie, nanao hoe; 4 " Miakara agny amin'i Hilkia lay mpisoro be sady lazao ie mba hagnisa gny drala zay nandesy tagny an-tragnon'i Yaveh, zay navoron'ny mpiamby tempoly tamin'ny fokonolo. 5 Ao io hamea eo an-tagnann'ny mpiasa zay miandraikitsy gny tragnon'i Yaveh, sady ao rozy hagnome gnan'io lay mpiasa zay ao an-tragnon'i Yaveh, mba hagnamboara zay simba ao amin'ny tempoly. 6 Ao rozy hagnome drala ho gnan'ireo mpandrafitsy, reo mpagnori-tragno, voho mba hivily hazo voho vato voapaiky avao koa mba hagnamboara gny tempoly." 7 Fa tsy ho taky amin-drozy gny antontan'ny drala, fotony mampiasa gnan'io am-patokia rozy. 8 Hoy Hilkia mpisorona be tamin'i safana mpanora-dalagna hoe:' Hitako tao amin'ny tragnon'i Yaveh gny bokin'ny lalagna. 9 Ka namean'i Hilkia gnan'i Safana gny boky sady namaky gnan'io ie. Lasa Safana sady nangalaky gny boky tegny amin'ny mpanjaka ,sady hitatitsy aminy avao koa manao hoe:' Reo mpanomponao la nandany gny drala zay hita teo an-tagnan'ireo mpiasa zay magnara-maso gny avorohota gny tragnon'i Yaveh io." 10 La hoy i Safana mpanora-dalagna tamin'ny mpanjaka" Hilkia mpisoro be ro nagnome gnahy gny boky." Sady novakian'i Safana tamin'ny mpanjaka io. 11 Sady lafa nahare reo safan'ny tenin'ny lalagna gny mpanjaka, la nanataky gny akanjony ie. 12 Nandidy gnan'i Hilkia mpisoro, voho Ahikama anak'i Safana, Akbora anak'i Mikaia, Safana lay mpanora-dalagna voho Asaia, lay mpanompony, gny mpanjaka, ka nanao hoe:' 13 Mandehana sady miresaha amin'i Yaveh ho gnahy, sady ho gnan'ireo fokonolo voho reo Joda iaby, noho reo tenin'ny toy boky zay hita toy. Fa mafonja gny hatezeran'i Yaveh zay mirehitsy amintsika noho gny tsy fijanjignan'ireo razantsika reo tenin'ny toy boky toy la gny hoe hankato zay iaby voasoratsy momba gnantsika." 14 Nohon'io Hilkia mpisoro, Ahikama, Akbora, Safana, voho Asaia ro nandeha nagnagny amin'ni Holda lay mpaminany vavy valin'i Saloma anak'i Tikva anak'i Harasa, lay mpikarakara gny fisikigna( nipetraky tao Jersalema tao amin'ny faritsy faharoe ie) sady niresaky taminy rozy. 15 Hoy ravehivavy tamin-drozy ;' Zao ro nolazain'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely :' Lazao gny olo zay nandefa gnanareo atoy amiko hoe;' 16 Zao ro lazain'i Yaveh:' Ingo handay loza amy toy toera toy voho reo olony Aho, araky gny raha iaby voasoratsy ao amin'ny boky zay novakian'ny mpanjakan'i Joda. 17 Fotony nahafoy Ahy sady nagnoro ditin-kazo magnitsy ho gnan'ireo ndranngnahy hafa rozy, mba hiantsy Ahy hasiaky amin'ireo asa iaby zay nataon-drozy__nohon'io gny hatezerako la nirehitsy tamy toy toera toy , sady tsy ho maty io." 18 Fa ho gnan'ny mpanjakan'i Joda zay nandefa gnano mba hagnontany gny sitrapon'i Yaveh, la zao ro ho lazainao aminy:' Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely milaza zao;' Momba reo teny zay renao, 19 fotony tso-po iha sady fotony nanetry tena teo agnatrehan'i Yaveh iha, lafa renao zay nolazaiko tamy toy toera toy voho reo olony, fa ho avy faharava voho ozo rozy, sady fotony iha la nanataky gny akanjonao sady nitagny teto agnatrehako, la nijanjy gnanao avao koa Aho__ io ro fagnamabaran'i Yaveh. 20 Ingo hanambatsy gnanao amin'ireo razanao Aho, sady handry am-piadagna ao am-pasanao iha. Tsy hahita reo loza iaby zay handesiko amy toy toera toy gny masonao," Ka la nandesin'ilay johary tagny amin'ny mpanjaka io hafatsy io.