toko faha 21

1 Roa ambin'ny folo tao Manase,taminy vao nanomboky nanjaka, dimy amby dimam-polo tao ro nanjakany tagny Jerosalema.Gny agnaran-dreniny Hefziba. 2 La nanao zay raty eo agnatrehan'i Yaveh ie,manahaky gny fahalotoan'ny firenena zay niroahin'i Yaveh tsy ho eo agnatrehan'ny Israely. 3 Fa namboariny ndraiky gny fitoera agnabo,zay noravan'i Hezekia babany,la nagnory alitara ho gnan'i Bala ie sady nanao aseraha,manahaky zay nataon'i Ahaba,mpanjakan'ny Israely; voho niankohoky teo agnatrehan'izay iaby egny amigny lagnitsy ie la nanompo regny . 4 Manase la nagnory alitara fanompoan-tsampy tao an-tragnon'i Yaveh, ndra la nandidy gnazy i Yaveh hoe:' Ho mandrakizay ao Jerosalema gny agnarako." 5 Nagnory alitara ho gnan'ny kintan'ny lagnitsy iaby ie tao amin'ireo kianja roen'ny tragnon'i Yaveh. 6 Nataony tao agnaty bolo gny anany; sady nagnandro voho nanao sikily sady nangalaky hevitsy tamin'ireo zay miresaky amin'ny maty voho reo zay miresaky amin'ny fagnahy ie. nanao raty maro teo amason'i Yaveh ie sady nihantsy gnan-Dranagnahary tamin'ny fahatezerany. 7 Gny sary sokits'i Astarta zay nataony, la napetrany tao an-tragnon'i Yaveh io. Ka momba gnan'io tragno io ro niresahan'i Yaveh tamin'i Davida voho Solomona anany; hoy ie hoe;' Tato amy toy tragno toy sady tao Jerosalema zay nifiliko tamin'ireo fokon'Israely manontolo, ro hametrahako gny agnarako mandrakizay. 8 Sady tsy hampirenireny gny tombokIsraely hiboaky amin'ny tany zay nameako gny razan-drozy sasay Aho laha mankato soa reo iaby zay nandidiako rozy , lian'i Mosesy mpanompoko an-drozy. 9 fa tsy nijanjy reo fokonolo, sady i Manase ro nitariky gnan-drozy hanao ray mandilatsy noho reo firenena zay noravan'i Yaveh teo angnatrehan'ny fokonolon'Israely. 10 La niresaky tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony i Yaveh, nanao hoe: 11 " Fotony i Manase mpanjakan'i Joda la nanao reo raha maharikoriko reo, sady nanao raty mandilatsy noho zay iaby nataon'ireo Amorita zay nanao gnan'io talohany, sady nampanota gnan'i Joda avao koa tamin'ireo sampiny, 12 nohon'io i Yaveh lay Ndranagnaharin'i Israely, nisafa zao:' Ingo, hahatonga loza manahaky gnan'io eo amin'ny Jerosalema voho Joda Aho ka zay iaby mahare gnan'io, la hangoritsy gny sofiny roe. 13 Hagnampatsy gny taly fandrefesa am-pisaigna hagnoregna gnan'i Smaria amin'i Jerosalema Aho, sady gny pilao fandrefesa ampiaza hagnoregna gny avorohotan'i Ahaba hagnalio gnan'i Jerosalema, manahaky gny olo magnalio sakafo , mikosoky gnan'io sady magnodikody gnan'io ambony ambany Aho. 14 Hanipy reo lovako sisa tavela Aho sady hagnome gnan'io ho eo am-pelatagnan'ny fahavalon-drozy. Ho avy niharam-boina voho babon'ireo fahavalony iaby rozy, 15 fotony fa nanao zay raty teo amhako rozy, sady nihantsy Gnahy tamin'ny fahatezera, hatramin'ny andro niboahan'ny razam-ben-drozy bakagny Egypta, mandrak'androany." 16 Fagnampin'io, Manase la nandatsa-dra tsy manan-tsiny maro , mandra-pahafenoany fahafatesa tamin'ny raiky hatramin'my raiky hafa gnan'i Jerosalema. Io la fagnampin'ny fahota zay nampanotany gnan'i Joda, lafa nanao zay raty teo amason'i Yaveh rozy. 17 Sady gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Manase, zay iaby nataony, sady gny fahotany zay nataony, moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda io? 18 La maty tagny amin'ireo razany sady nalevy tao amin'ny Zaridainan'ny tragnony avao Manase, tao an-jaridainan'i Oza. Sady Amona anany ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 19 Teo amin'ny faha roapolo roamby taonany Amona ro nanomboky nanjaka; nanjaka nandritsa gny roe tao tao Jerosalema ie. Gny agnaran-dreniny la Mesolemeta; anaky ampelan'i Haroza bakagny Jotba. 20 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh ie, manahaky gny nataon'i Manase rainy. 21 Nagnaraky reo lala iaby zay nandehanan'ny rainy sady nanompo reo sampy zay notompoin'ny rainy, sady niankohoky amin-drozy Amona. 22 Nagnenga gnan'i Yaveh, lay Ndranagnaharan'ireo razany ie sady tsy nandeha tamin'ny lalan'i Yaveh. 23 Reo mpanompon'i Amona la nitetiky hanohitst gnazy sady namono gny mpanjaka tao an-tragnony avao. 24 Fa reo fokonolon'ny tany la namono zay iaby nitetiky hanohitsy gnan'i Amona mpanjaka, sady rozy ro nanao gnan'i Josia anany lahy ho mpanjaka teo amin'ny toerany. 25 Laha gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky zay nataon'i Amona, moa va tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda io? 26 Reo fokonolo la nandevy gnazy tao amin'ny fasany tao an-jaridainan'i Oza, sady Josia anany ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.