toko faha 20

1 Tamy zay andro zay,narary fa ho maty Hezekia.Ka nandeha namonjy azy agny Isaia anak'i Amosa zay mpaminany igny,la nivola taminy hoe: "Hoy i Yaveh: "'Alamino gny tragnonao fa ho maty iha,la tsy ho velo."' 2 La nitoliky nagnatriky gny rindry i Hezekia voho nivavaky tamin'i Yaveh hoe: 3 Misoloho lahy Yaveh,mba tiarovy fa nadeha mbaminao mbeo tsy misy fisalasala aho voho amigny foko manontolo,voho gny nanaovako soa teo agnatrehanao."La nitagny maré Hezekia bakeo. 8 Nivola amin'i Isaia Hezekia hoe:" Ino lahy gny famantara fa ho jangan'i Yaveh aho, voho gny tokony hilirako an-tempoliny lafa afaky telo andro? 9 Ka hoy gny navalin'Isaia azy hoe:"Zao gny famantaranao baka amin'i Yaveh ,fa hanao raha nivolagniny rey Yaveh. Tokony hiroso dingana folo va gny aloky,sa hihemotsy dingana folo?" 10 Namaly i Hezekia:"Mora amin'ny aloky gny handeha dingana folo.Aha! engao hihemotsy dingana folo gn'aloky. 11 La nikaikaiky an'i Yaveh Isaia mpaminany,la nandesiny nimpoly,nihemotsy dingana folo gny aloky, avy tagny amin'ny nihetsehany teo amin'ny tohotr'i Ahaza. 12 Tamin'izay fotoa zay i Merodaka Baladana,anak'i Baladana mpanjakan'i Babylona,nandefa taratasy voho fagnomeza tagny amin'i Hezekia,fotony jany aretin'i Hezekia igny. 13 Ninjanjy an'ny taratasy zay Hezekia la natorony an'ny mpanday hafatsy reo gny Lapa iaby voho gny zava-tsarobidy,gny volavoty,gny volamena,gny raha magnitsy iaby,voho gny menaky sarotsy vily sady koa gny tragno fagnajariany fitaova fialiany reo,raha iaby reo, la hita tagnaty tragno fitahiriza ao tsy misy raha tsy natoron'i Hezekia an-drozy ta-tragno ao ndra tao amin'ny fanjakany. 14 La nandeha amin'i Hezekia Mpanjaka agny Isaia mpaminany la nagnotany azy hoe : "Ino raha vinolan'ny johary regny taminao?Bak'aia rozy regny? Hoy Hezekia: "Baky an-tany lavitsy agny Babylona rozy." 15 Nagnotany i Isaia hoe: "Ino ro hitan-drozy tan-tragnonao tao?"Namaly Hezekia hoe: "Hitan-drozy iaby gny raha tato an-tragnoko.Tsy nisy tamireo zava-tsarobidiko tsy natoroko an-drozy." 16 La hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Janjigno gny safan'i Yaveh: 17 'Ingo, fa ho avy gn'andro hitaona gny raha iaby eo amin'ny lapanao magnagny Babylona,la reo raha nihajarin'ireo razambenao hatramin'izao andro zao. Tsy misy na ino na ino henga,hoy Yaveh. 18 Gny anakilalahy teraky bakaminao,zay nitinezanao manoka _la halan-drozy zay,la ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakany Babylona rozy."' 19 La hoy Hezekia tamin'i Isaia: "Soa gny safan'i Yaveh zay nivolagninao.La hoy koa ie: Eka tsy zay va,laha misy fiadana amin'ny androko la handry fahizay? 20 Sady gny tantaran'i Hezekia sisa voho gny heriny iaby miarak'aminy nanaovany gny kamory voho gny lakan-drano nisintonany rano ho ao an-tana,tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va zay? 21 Sady Hezekia nimaty agny amin'ny razany;la Manase anakiny ro nanjaka nandimby azy.