Chapter 19

1 Lafa nahaja hafatsi-drozy igny Hezekia mpanjaka,la nitatahiny gn'akanjony,ka nagnisy akanjo fisaogna ie,bakeo nijobo an-tragnon'i Yaveh ao. 2 Nagniraky an'i Eliakima lehiben'ny fanjakany ie, voho Sebma mpanora-dily,noho lohan'ny mpisoro reo,samby nagnisy akanjo fisaogna iaby razy;hagnamin'i Isaia anakilahin'i Amosa igny agny. 3 La nivola taminy razy hoe:"Zao gny safan'i Hezekia:'andron'ny fijalia,fahafatesa voho fangalam-baraka,henaniky zao fa mariny ho teraky aja zao nefa gny hery hiteraha azy tsy misy. 4 Evany ho jan'i Yaveh zagnaharinao gny resaky nataon'ny lehiben'ny mpifehy nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba handratiraty an'Andriamanitra;hamaly raha nataony rey Yaveh Andriamanitrao. Asondroto ho an'ny ze sisa tavela gny fivavahanao. 5 Niavy amini Isaia agny gny mpiasan'i Hezekia mpanjaka, 6 ka hoy Isaia tamin-drozy:"Volagno amin'ny mpanjakanareo fa zao gny resak'i Yaveh:"Ka mavaka amin'ny resaky ze fanirenao,amin'ny fandratiaratian'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Asyria ahy. 7 Hametrahako fagnahy gn'aminy ao,hahare siosio ie ka himpoly an-taniny agny.Hataoko lavon'ny mesobe an-taniny ao ie. 8 La nimpoly lehiben'ny mpifehy igny ka kojy gny mpanjakan'i Asyria nialy amin'i Libna,fa nireny fa niala baka lakisy ao gny mpanjaka. 9 Sankeriba koa nahare fa i Tiraka mpanjakan'ny Etiopia noho Egypta,hialy aminy ,farany nagniraky mpanday hafatsy nagnamin'i Hezekia agny ndraiky ie hoe: 10 "Volagno amin'i Hezekia mpanjakan'i Joda hoe:Ka nagnenky ho fitahin'ny zagnahary atokisanao io iha,ka hivola hoe:"Tsy hamea ho an-tagnan'ny mpanjakan'i Asyria Jerosalema. 11 Fa renao gny raha nataon'ny mpanjakan'i Asyria amin'ny tany iaby mikasiky gny famoteha reo.Ka ho voavonjy va iha? 12 Mba fa nagnavotsy an-drozy avao va gny zagnaharin'ny firenena,firenena nisimbagnin-drazako reo,tsy ia zay fa:Gozana,Harana,Razefa,voho gny olon'i Edena ta-telasara ao? 13 Aia gny mpanjakan'i Hamata,gny mpanjakan'i Arpada,gny mpanjakan'ny tana Sefarvaima,Hena voho Iva? 14 Voarambin'i Hezekia gny taratasa nandesin'ny mpanday hafatsy rey nivoavakiny.Bakeo nandeha an-tragnon'i Yaveh agny ie ka nanokatsy azy teo. 15 La nivavaky tan-tragnon'i Yaveh ao hezekia ka nanao an'izao:"Yaveh,Andriamanitsy gny maro,Zagnaharin'Israely,iha zay mipetraky agnabon'ny kerobima,iha ro Andriamanitsy toka eran'ny fanjaka iaby toy,iha ro namboatsy gny lagnitsy voho gny tany. 16 Atongilao gny sofinao Yaveh,ka janjigno aho,sokafa gny masonap Yaveh,ka enteo aho,voho janjigno gny resak'i Sankeriba zay nirahiny mba handratiraty an'Andriamagnitsy velo. 17 Eka lahy Yaveh,fa nandrava gny fireneny voho gny tanin'ny vatany gny mpanjakan'i Asyria. 18 Fa nagnoro gny Zagnaharin-drozy tam-bolo rozy,satria tsy Zagnahary to raha rey fa raha namboarian'olombelo, hazo voho vato avao.Ka nakopakin'ny Asyria reo. 19 Ka amizao lahy Yaveh Andrianagnaharinay,mangataky aminao aho,avoto amin'ny hainy zahay,mba hahaizan'ny fanjakana iaby toy fa iha avao ro Yaveh,Andriamagnitsy toka". 20 La nandefa hafatsy nagn'amin'i Hezekia agny Isaia anakilahin'i Amoza hoe:"Yaveh,tompon'ny Israely niola hoe:'Fa nivavaky tamiko mikasiky an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria iha.Ka nijanjy anao aho. 21 Zao gny safan'i Yaveh mikasiky azy:"Gny anaky ampela virijinin'ny Ziona tsy magnisy dikany anao, homehy amin'ny halatsa-barakanao. Gny anak'ampelan'ny Jerosalema magnifikifi-doha aminao. 22 Ka ia olo tsy nasianao dikany voho nalanao baraka io? Hanohitsy an'ia moa nampiakaranao gny feonao voho nampiandrandranao gny masonao la nampirehareha anao io? Hanohitsy olomasin'ny Israely! 23 Tamin'olo nirahinao reo ro nandratiaratianao gny Tompo,fa hoe:'tamin'ny Kalesiko maro reo ro niakarako tamin'ny farany agnabon'ny tendrombohitsy agny,ta-Libanona agny. Tampahiko ze abo mare amin'ny sederany reo,voho ze soa mare amin'ny Kypreso reo. Hijobo amin'ny lavitsy mare aho,amin'ny ze ala maro hazo mamoa. 24 Fa nihaly vovo aho sady fa nino amin'ny ranon'ny firenena hafa. Niritsigniko ambanin'ny tomboko ao gny ranon'i Egypta iaby. 25 Tsy renao va gny fomba nagnomanako raha zay liany ela zay voho gny niasako azy tamin'andro taloha? Henanizao,hataoko raha zay. Eo iha handrava tana manao saim-boa reo hanjary korontam-bato. 26 Megnatsy voho matahotsy gn'olo aminy ao ro mbo kely hery koa. Manahaky akata am-baibo na agnabo trano rey rozy,noroa talohan'ny nitirignany. 27 Fa haiko gny fipetrahanao,gny fiboahanao,gny filiranao voho gny helokao ahy. 28 Nohony gny helokao ahy,la fotony ren'ny gny sofiko koa gny avognavonao,voho hametraky gny farangoko amin'ny oronao aho, voho fehivava iha,soa himpoly amin'ny lala niavianao iha. 29 Zao gny famantara ho anao: Hihina raha tomiry fahatany mbegny io nareo hihina gny solon-draha reo.Fa hamboly voho hihina voan-kazo koa nareo amin'ny tao fahatelo,hamboly tanim-boaloboky ka gny voany ho hohaninareo. 30 Gny sisa tavela amin'ny avorohotan'i Joda reo ka mbo velo,hagnisy vahany bak'ambany ao ndraiky sady hitiry la hamoa. 31 Fa hisy tavela hiboaky baka Jerosalema,bak'antendrombohits'i Ziona ao gny hiavian-drozy sisa tsy reo. Gny fahafaham-pon'i Yaveh tompon'ny gny maro ro hanao an'izay. 32 Ka izao gny safan'i Yaveh mikasiky gny mpanjakan'i Asyria:" Tsy hilitsy amin'ny tana toy ie na handefa amantsipiky ao. Na ho avy alohany ao miarak'amin'ny gny heriny na hanao arosaro azy. 33 Gny lala nilirany avao ro hiboahany,tsy afaky militsy amin'ny tana toy ie, Yaveh ro nivola an'izay" 34 Fa harovako tana toy sady havotako,noho ny agnamiko voho gn'amin'i Davida oloko. 35 Tamin'ny matognaly io avao,niavy gny anjelin'i Yaveh la nanfiky gny tany misy an'ny Asyriana reo,ka nahafaty miaramila 185.000. Hitan'olo ze nifoza maray rey fatin'olo reo miampatsy mbegny. 36 Farany nenga an'Israely Sankeriba mpanjakan'i Asyria ka noly la nipetraky ta-Ninive agny. 37 Fa tafara atoy amizay,lafa ie ro nivavaky tan-tragnon'i Nisroka Zagnahariny ao,vinonon'i Andrameleka voho Sarezera anakilahiny tamin'ny sabatra ie.Bakeo amizay nilay tamin'ny tanin'i Ararata agny rozy.Farany nilimbiasin'i Esara-hadona anakilahiny gny fanjakany.