Toko faha 18

1 Sady tamin'ny tao fahatelo nanjakan'i Hosea anaka'i Elaha, mpanjakan'Israely, ro nanomboky nanjaka Hezekia anak'i Ahaza, mpanjakan'i Joda. 2 Roapolo limiamby tao ie ro nanomboky nanjaka; nanjakay roapolo siviamby tao taggny Jerosalema ie. Gny agnaran-dreniny la Aby; anaky ampelan'i Zakaria ie. 3 Sady nanao zay mahity teo amason'i Yaveh ie, nagnaraky gny ohatsy iaby zay fa nataon'i Davida razambeny. 4 Nangalaky reo toera abo ie, nandrava reo andry vato, sady nanapaky reo baon'Aseraha. Nanapatapaky gny menarana saba zay nataon'i Mosesy ie, fotony tamin'ireo andro reo ro nagnoroan'ny fokonolon'Israely gny ditin-kazo magnitsy ho gnan'io; io la nikaihy hoe:' Nehostana." 5 Nahatoky gnan'i Yaveh, lay Ndranagnaharin'Israely Hezekia, mba tsy hisy olo hitovy aminy ao afara eo amin'ireo mpanjakan'i Joda iaby, na eo amin'ireo mpanjaka zay talohany. 6 Fa nifikitsy tamin'i Yaveh ie. Tsy nijano nagnaraky gnazy ie sady nitandry reo liliny, zay nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy. 7 Ka nomba gnan'i Hezekia Yaveh, sady na aia aia nandehanany la nambiny ie. Nikomy nanohitsy gny mpanjakan'i Asyria ie sady tsy nanompo gnazy. 8 Nanafiky reo Filistiana hatragny Gaza voho gny sisin-tany magnodidy ie, hatragny amin'ny tilikambon'ireo mpiamby ka hatragny amin'ny tana voaaro mare. 9 Sady tamin'ny tao fahaefatsy nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, zay tao fahafito nanjakan'i Hosea anak'i Elaha mpanjakan'Israely, la niakatsy hanohitsy gnan'i Samaria Salmanesera mpanjakan'i Asyria sady nanao fahirano gnan'io . 10 Sady tamin'ny fiafaran'ny tao fahatelo ro nangalan-drozy gnan'io, la tamin'ny tao fahaeny nanjakan'i Hezekia, zay tao fahasivy nanjakan'i Hosea mpanjakan'Israely; io ro fomba nanambora gnan'i Samaria. 11 Ka nandesin'ny mpanjakan'i Asyria tagny Asyria gny Israely, sady nataony tao Hala, teo amin'ny Reniranon'i Habora tagny Goza, sady tao amin'ireo tanan'i Mediana rozy. 12 Nanao gnan'io ie fotony tsy nankato gny feon'i Yaveh Ndranagnahariny rozy, fa koa nandika gny safan'ny fagnenkeny, zay iaby nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh gnan-drozy. Nanda hijanjy na hanao gnan'io rozy. 13 Sady tamin'ny tao faha folo efatsamby nanjakan'i Hezekia mpanjaka, Sankeriba mpanjakan'i Asyria la nanafiky gny tana voaaro mare iabin'i Joda ka nangalakygnan'ireo. 14 Ka nandefa hafatsy tagny amin'ny mpanjakan'i Asyria, zay tagny Lakisy Hezekia mpanjakan'i Joda nanao hoe:' fa nanafitohina gnanao aho. Miala amiko. Ndra ino ino hampagnandesinao la ho handesiko." La nitaky tamin'i Hezekia mpanjakan'i Joda mba handoa gny talenta voalfoty telonjato voho talenta volamena telopolo gny mpanjakan'i asyria. 15 Ka namean'i Hezekia gnazy gny volafoty iaby zay hita tao amin'ireo tragnon'i Yaveh voho tao aminireo fipetrahan-draha sarobin'ny lapan'ny mpanjaka. 16 La nalan'i Hezekia gny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh voho teo amin'ny andry zay nametrahany takela-bolamena; sady nameany gny mpanjakan'i Asyria gny volamena. 17 Nefa gny mpanjakan'i asyria nagnetsiky gny tafiny bevata nagniraky gnan'i Tartana voho Raba-sarsa sady gny lehiben'ny mpifehy bakagny Lakisy ho agny amin'i Hezekia mpanjaka ao Jerosalema. Nandeha niakatsy tamin'ny lala rozy sady avy tao ivelan'i Jerosalema. Namonjy gny lakan-dranon'ny Kamory agnabony rozy, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, sady nijano teo amin'io. 18 Lafa nikaiky gnan'i Hezekia mpanjaka rozy, la niboaky mba hanenty gnan-drozy Eliakima anaky lahin'i Hilkia, zay nanapaky gny avorohota, voho sebna mpanora-dalagna, voho Joa anaky lahin'i Asafa, mpitahiry talenta. 19 Sady gny lehiben'ny mpifehy nivola gnan-drozy mba hilaza amin'i Hezekia zay nolazain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, manao hoe;' Ino ro loharanon'ny fahatokisanao? 20 Safa tsy misy dikany ro lazainao milaza hoemisy nama voho hery ho amin'ny aly. Sady amizao oa ro itokianao? Ia ro nagnome herim-po gnanao hikomy hanohitsy gnahy? 21 Ingo, matoky gny tehy volotara torotoron'ny Egypta iha, kanefa laha mitehy amin'io gny olo la hiraikitsy eo amin'ny tagnany io ka handoaky gnan'io. Manahaky gnan'io Farao mpanjakan'i Egypa amin'ireo iaby matoky gnazy. 22 Fa laha mivola amiko iha hoe:' Matoky gnan'i Yaveh Ndranagnarinay rahay; moa va tsy ie ilay raiky zau nangalaky reo toera abo voho gny alitara zay malain'i Hezekia, sady nilaza tamin'i Joda voho Jerosalema hoe:' Tsy maintsy manompo gnan'ny toy iha? 23 amizao , te-hanolotsy fagnatitsy soa bakamin'ny tompoko mpanjakan'i Asyria aho. hameako soavaly roa arivo iha , laha mahita mpanday gnan-drozy. 24 Hataonao akory gny manohitsy ndra la raiky amin'ny kapiteny zay kely mare amin'ireo mpanompon'ny tompoko aza? fa nametraky gny fahatokia tagny Egypta ho gnan'ireo Kalesy voho gny mpondra-soavaly iha! 25 Moa fa nandeha niakatsy tsy nisy gnan'i Yaveh mba hialy hanohitsy voho handrava toy toera toy va aho? Hoy i Yaveh tamiko: Tafiho sady ravao toy tany toy." 26 Bakeo iEliakima anaky lahin'i Hilkia, voho Sebna voho Joa nilaza tamin'ny lehiben'ny mpifehy hoe:' Mba resaho amin'ny fivola Syriana lahy reo mpanomponao, fa azonay io. Ka miresaky aminay amin'ny fivolagnan'ny Joda eo amin'ny sofin'ny olo zay eo amin'ny rindry." 27 Nefa hoy gny lehiben'ny mpifehy tamin-drozy hoe:' Moa va nandefa gnahy ho agny amin'ny tomponao iha gny tompoko mba hilaza reo safa reo? Moa va aho nalefany tagny amin'ireo lehibeny mpitaraika eo amin'ny rindry, ia ro tsy maintsy hihina gny malotony voho hino gny aminin-drozy manoka miaraky aminao?" 28 Sady gny lehoben'ny mpifehy nitsanga voho nikaiky tamin'ny feo mare tamin'ny fivolagna Jiosy hoe:' janjigno gny safan'ny mpanjaka lehibe, la gny mpanjakan'i Asyria. 29 Zao ro safan'ny mpanjaka, Ka magnenky ho fitahin'i Hezekia nareo fa tsy afaky gny hamonjy gnanao amin'ny fahefako ie. 30 Ka mamaela gnan'i Hezekia hampatoky gnanao gnan'i Yaveh,manao hoe:' Hamonjy gnantsika tokoa Yaveh sady toy tana toy la tsy hatolotsy ho eo an-tagnana'ny mpanjakan'i Asyria." 31 Ka mijanjy gnan'i Hezekia , fa zao ro lazain'ny mpanjakan'i Assyria hoe:" Mihavana amiko sady miaraha amiko. Sady gny kirakiraiky aminareo iaby la samby hihina amin'ny voaloboky voho hazon'aviavy, sady hino gny rano ao amin'ny famorian-dranony. 32 Hanao gnan'io agny amin'ny tany manahaky gny taninareo manoka , tany misy vary voho voaloboky vaovao, tany misy mofo voho tanim-boaloboky, tany misy hazo oliva voho tantely mba ho velo nareo fa tsy ho maty. Ka mijanjy gnan'i Hezekia laha miezaky mandresy lahatsy gnanareo ie, manao hoe:' Hamonjy gnantsika Yaveh." 33 Moa nisy nahavonjy gnan-drozy teo an-tagnan'ny mpanjakan'i Asyria va reo ndranagnahary gn'olo? Aia moa reo ndranagnaharin'i Hamata voho Arpada? 34 Aia moae reo ndranagnaharin'i Sefarvaima, voho Hena, voho Iva? Nahavonjy gnan'i Samaria teto an-tagnako va rozy? 35 Eo amin'ny ndranagnahary gny tany iaby, moa va fa nisy ndranagnahay nahavonjy gny taniny tamin'ny fahefako? Manao akory ro hahafahan'i Yaveh mamonjy gnan'i Jerosalema amin'ny heriko?" 36 Kanrfa nangina gny olo sady tsy namaly fotony fa nandidy gny mpanjaka hoe:' Ka mamaly gnazy." 37 Bakeo Eliakima, anak'i Hilikia, zay agnabo teo amin'ny avrohota; voho Sebna lay mpanora-dalagna, voho Joa anak'i asafa lay mpitan-tsoratsy nilitsy nandeha tao amin'i Hezekia niaraky tamin'ireo fisikinan-drozy voatritra, sady nanday gny safan'ny lehiben'ny mpifehy taminy.