Toko faha 17

1 Tamin'ny tao faha foloroamby nanjakan'i Ahaza mpanjakn'i Joda , ro nanomboky gny fanjakan'i Hosea anak'i Elaha. nanjaka tao Samaria nanera gny Israely nandritsa gny sivy tao ie. 2 Nanao zay raty teo imason'i Yaveh ie , tsy manahaky reo mpanjakan'Israely ze talohany. 3 Nanafiki gnazy Salmanesera mpanjakan'i Asyria ka avy mpanompony Hosea sady nanday fagnomezam-boninahitsy ho gnazy. 4 Sady hitan'ny mpanjakan'i asyria fa nitetiky hanohitsy gnazy i Hosea , fotony nandefa mpanday hafatsy nagnagny amin'i So mpanjakan'i Egypta Hosea , sady koa , tsy mba nanolotsy fagnomezam-boninahitsy ho gnan'ny mpanjakan'i Asyria ie, manahaky gny nataony isan-tao isan-tao. Ka nilian'ny mpanjakan'i Asyria ie sady nifeheny tagny am-ponja . 5 Bakeo la nanafiky nanera gny tany iaby gny cmpanjakan'i Asyria, sady nanafiky gnan'i Samaria voho nanao fahirano gnan'io nandritsa gny telo tao. 6 Tamin'ny tao fahasivy naha-mpanjaka gnan'i Hosea, la nangalaky gnan'i Samaria voho nanday gny Israely lavitsy gnan'i asyria gny mpanjakan'i Asyria. Nametraky gnan-drozy tagny Hala ie tao amin'ny Habora Onin'i Gozana, sady tagny amin'ny tanana'ny Mediana. 7 Nitsanga io fahababoa io fotony nanota tamin'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy gny fokonolon'Israely, zay nanday gnan-drozy niakatsy bakagny amin'ny tany Egypta, bakeo ambany fifehezan'i Farao mpanjakan'i egyota. Fa nanompo ndranagnarin-kafa reo fokonolo 8 ka nandeha tamin'ny fataon'ireo ferenena zay fa narinagan'i Yaveh teo agnatrehan'ireo anak'Israely, voho tamin'ny fataon'ireo mpanjakan'Israely zay nataon-drozy. 9 Gny anak'Israely__ la nanao reo raha zay tsy to an-tsokosoko__ hanohitsy gnan'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy. Nananga fipetraha abo ho gnazy manera gnan'ireo tanany rozy, hatragny amin'ny tilikambo fiambena ka hatragny amin'ny manda fiarova. 10 Nananga tsangam-bato voho baon'Aseraha tegny amin'ny havoa abo iaby voho tagny agnabon'ny hazo maitso iaby avao koa rozy. 11 Tegny rozy ro nagnoro ditin-kazo magnitsy tamin'ireo fipetraha abo iaby, manahaky gny nataon'ireo firenena, reo zay nandesin'Yaveh teo agnatrehan-drozy. Nagnatanteraky raha raty reo Israelita mba hahatonga gnan'i Yaveh hasiaky; 12 rozy la nanompo sampy, momba zay fa niresahan'i Yaveh gnan-drozy bhoe:' Tsy hanao gnan'o raha io nareo." 13 Nefa Yaveh fa nagnambara tamin'Israely voho tamin'i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany kirakiraiky voho mpahita kirakiraiky, nanao hoe:" Miala amin'ireo fomba ratinareo ka tarovy reo liliko voho reo lalako sady meteza hagnaraky gny lalagna iaby nandidiako reo razanareo, sady zay niriako ho aminareo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. 14 Kanefa tsy nijanjy rozy; fa koa mahery loha tokoa manahaky reo razany zay tsy nahatoky gnan'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy. 15 Nolavin-drozy gny lalagna voho gny fanekem-pilongoa zay nataony taminireo razany, sady reo lily fagnenke ze nameany gnan-drozy. Nagnaraky fomba tsy nisy ila gnazy rozy sady gny vatan-drozy mihitsy ro lasa tsy nisy nila gnazy. Nagnaraky reo firenena mpanompo sampy zay nagnodidy gnazy rozy la reo zay nandidian'i Yaveh gnan-drozy tsy hatafitohy. 16 Rozy la nanao tsinontsino reo lily iabin'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy. nagnamboatsy sary anaky aomby roe vita tamin'ny vy rozy mba ho tompoy. nagnamboatsy baon'Aseraha rozy, sady nanompo gnan'i Bala voho reo kinta iaby tegny an-dagnitsy. 17 Nalefan-drozy tagnaty bolo reo anaky lahy voho anaky ampelan-drozy, nampiasa reo sikily voho fagnosavia, namarotsy gny vatan-drozy mba hanao zay raty teo imason'i Yaveh, voho nahatonga Gnazy hasiaky. 18 Nohon'io la meloky mare tamin'Israely Yaveh ka nangalaky gnan-drozy tsy ho eo amasony. Tsy nisy ndra raiky aza tafajano afa-tsy gny fokon'i Joda raiky avao. 19 Ndra la Joda aza tsy nahata gny lilin'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy fa koa nagnaraky fanompoan-tsampy nitovy tamin'izay narahin'Israely. 20 Nohon'io la nolavin'i Yaveh iaby reo avorohotan'Israely manontolo; nampijaliny rozy sady natolony tegny an-tagnan'ireo zay mpambab gny fanagnan-drozy, mandra-pitsonin-drozy tsy ho eo amasony. 21 Nangalaky gny Israely tamin'ny fitohiza avorohotan'i Davida, sady nametraky gnan'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata mpanjaka. Nitariky gny Israely hiala tamin'ny fagnaraha gnan'i Yaveh Jeroboama sady nampanao fahota bevata gnan-drozy. 22 Nagnaraky gny fahotan'i Jeroboama iaby gny anak'Israely sady tsy niala tamin'iregny rozy, 23 ka nalan'i Yaveh teo amason'Israely, araky gny nolazainy tamin'ireo mpaminany mpanompony iaby fa hataony. la nandesy lavitsy ivelan'ny tanin-drozy tagny Asyria gny Israely, sady mbo agny avao hatraminizao andro zao. 24 Nanday fokonolo bakagny Babylona voho tagny Kota, voho bakagny ava, voho bakagny Hamata voho Sefarivaima gny mpanjakan'i Asyria, ka nametraky gnan-drozy tagny amin'ny tanan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny anak'Israely. La nahazo gnan'i Samaria regny ka nipetraky tao amin'ny tananay. 25 sady tamin'ny fanombohan'ny fipetrahan-drozy tagny la tsy nagnome voninahitsy gnan'i Yaveh rozy. ka nandefa liona tamin-drozy zay namono gny sasany tamin-drozy Yaveh. 26 La nivola taminny mpanjakan'i Asyria rozy nandesinao voho napetrakao tato amin'ny tananan'i Samaria la tsy mahay reo fomba takian'ny ndranagnahary gny tany. Ka nandefa liona teo amin-drozy ie, sady ingo mamono gny olo reo liona fotony tsy mahay reo fomba takian'ny ndranagnahary gny tany rozy." 27 Sady gny mpanjakan'i Asyria nibaiko, nanao hoe:' alao gny raiky amin'ireo mpisoro zay nandesinareo bakagny , ka ao ie handeha voho hipetraky agny, sady ao ie hampianatsy gnan-drozy gny fomba takian-ndranagnahary gny tany ." 28 Ka avy nipetraky tagny Betela gny raiky tamin'ireo mpisoro zay baka nandesin-drozy bakagny Samaria, nampianatsy gnan-drozy tokony handrengean-drozy gnan'i Yaveh ie. 29 Nanao ndranagnahary ho gnazy iaby reo foko kirakiraiky, ka nametraky gnazy regny tegny amin'ny fipetraha abo zay nataon'ireo Samaritana__ gny foko kirakiariky tagny amin'ny tana nipetrahany iaby. 30 Gny fokonolon'i Babylona nagnamboatsy gnan'i Sokota-benota; gny fokonolon'i Kota nagnamboatsy gnan'i Nergala; Gny fokonolon'i avita nagnamboatsy gnan'i asima; 31 reo Avita nagnamboatsy gnan'i Nibaza voho Tartaka. Reo Sefarvita nagnoro reo anany teo amin'ny bolo ho gnan'i adrameleka voho Anameleka, ndranagnahary gny Sefarvaima. 32 Nagnome voninahitsy gnan'i Yaveh avao koa rozy, ka nanendry mpisoron'ireo fipetraha abo bakamin-drozy, ze nanao soro ho gnazy tao amin'ny tempoly tao amin'ireo toera abo. 33 Nagnome voninahitsy gnan'i Yaveh rozy sady nanompo reo ndranagnaharin-drozy tamin'ny fomba fataon'ireo firenena tamin'izay fomba fataon'ireo firenena tamin'izay fa nandesin-drozy. 34 Hatramin'izao andro zao la mikiry amin'ireo fomba fataon-drozy taloha rozy. Sady tsy magnome voninahitsy gnan'i Yaveh, ro tsy magnaraky reo lily aman-dalagna zay natolots'i Yaveh tamin'ny fokonolon'i Jakoba__ zay nikaihy hoe:' Israely__ 35 sady tamin'izay nanaovan'i Yaveh fagnenkea voho nandidiany gnan-drozy hoe:' Tsy hatahotsy ndranagnaharin-kafa nareo, na hiankohoky amin'iregny, na hanompo gnazy regny, na hanao fisorogna ho gnazy regny. 36 Nefa Yaveh, zay nanday gnanareo niakatsy bakagny amin'ny tany Egypta tamin'ny hery bevata voho tagna nisandratsy, ro lay Raiky zay tsy maintsy ameannareo vononahitsy; Ie ro hiankohofanareo, sady ho Gnzy gny soro ataonareo. 37 Reo lily aman-dalagna zay nosoratany ho gnanareo, hotananareo mandrakariva regny. Nohon'i aza matahotsy ndranagnaharin-kafa nareo, 38 sady gny fagnekem-pihavagna zay fa nataoko taminareo, la tsy ho alignonareo; na nareo hagnome voninahitsy ndranagnaharin-kafa. 39 Fa Yaveh Ndranagnaharinareo ro hamenareo voninahitsy. Ie ro hamonjy gnanareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo." 40 Tsy nijanjy rozy, fotony nanohy nanao zay nataon-drozy tagny amin'ny lasa rozy. 41 ka la natahotsy gnan'i Yaveh reo firenena sady nanompo reo sarin-draha voasokin-drozy avao koa rozy, sady nanao manahaky gnan'io avao koa reo anan-drozy__ manahaky zay nataon'ny avorohota gny anan-drozy. Manohy manao zay nataon'ireo razany avao rozy, mandrak'androany.