Toko 1

1 Tafaran'ny nahafatesan'i Ahaba la nagniry hanohitsy gnan'Israely Moaba. 2 La nikarapoky teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitragnony agnabo tao Samaria Ahazia, sady naratsy. Ka nalefany reo mpanday hafany sady hoy ie tamin-drozy hoe:" Mandehana, magnontania gnan'i Bala- Zeboba, ndranagnaharin'i Akroma, laha janga amy toy feriko toy aho." 3 Fa gny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia Tisbita hoe:' Mianga, miakara hihaona amin'ireo mpanday gny hafatsy gny mpanjakan'i Samaria, sady agnontanio rozy hoe:" Fotony va tsy misy Ndranagnahary ao Israely ro handehana hila hevitsy agny amin'i Bala-zeboba,, ndranagnaharin'i Ekrona iha? 4 Nohon'io la hoy i Yaveh hoe:" Tsy hijotso bakeo amin'ny fandrianao zay fa nanganianao iha, fa zao, ho maty tokoa iha." Bakeo la lasa Elia. 5 Lafa nimpoly tagny amin'i Ahazia reo mpanday hafatsy, la hoy ie tamin-drozy hoe:" Fa manao akor ro nimpoly nareo?" 6 Hoy rozy taminy:" Nisy johary raiky nifanena taminay nilaza hoe:" Minpolia agny amin'ny mpanjaka zay nandefa gnanareo, sady lazao azy hoe:" Zao ro lazain'i Yaveh:' Satria,va tsy misy Ndranagnahary ao Israely ro nandefa gny olonao hangalaky hevitsy agny amin'i Bala-zeboba, ndranagnaharin'i Ekrona iha? ka nohon'io la tsy hizotso bakeo amin'ny fandrianao zay fa nanganianaoiha; fa zao, ho maty iha." 7 Ahazia nivola tamin'ireo mpanday hafany hoe:" Johary manao akory, io olo nifanena taminareo sady nilaza reo safa reo io?" 8 Rozy namaly azy hoe:" Magnisy akanjo vita amin'ny volo ie sady fehin-kibo hoditsy teo amin'ny andilany." Sady gny mpanjaka namaly hoe:"Elia Tisbita io." 9 Sady nandefa kapiteny miaraky amin'ny miaramila. Niakatsy tagny amin'i Elia zay nipetraky tagny an-tampon-kavoa lay kapiteny. Hoy lay kapiteny taminy hoe:' Iha, ry joharin-Dranagnahary, nilaza gny mpanjaka hoe:" Mizotsoa." 10 Elia namaly voho nivola tamin'ilay kapiteny hoe:" Laha joharin-Dranagnahary aho , ao hilatsaky bakegny amin'ny lagnitsy gny bolo sady handevo gnanao voho reo dimampolo lahinao." La nilatsaky bakegny amin'ny lagnitsy gny bolo sady nandrava gnazy voho reo dimampolo lahiny. 11 Nandefa kapiteny hafa ndraiky niaraky tamin'ireo miaramila dimampolo ho agny amin'i Elia i Ahazia mpanjaak. Hoy koa io kapiteny io tamin'i Elia hoe:' Iha , ry joharin-Dranagnahary, nilaza gny mpanjaka hoe:' Mizotsoa malaky." 12 Elia namaly voho nivola tamin-drozy hoe:' Laha joran-Dranagnanahary aho, ao hilatsaky bakegny amin'ny lagnitsy gny bolo sady handrava gnanao voho reo dimampolo lahinao." La nilatsaky bakegny amin'ny lagnitsy ndraiky gny Bolon-Dranagnahary sady nandrava gnazy voho reo dimampolo lahiny. 13 Mbo nandefa vondro mpialy dimampolo fagnintelony ndraiky gny mpanjaka. Niakatsy io kapiteny io, nandohaliky teo agnatrehani Elia ie, sady niangavy azy voho nilaza taminy hoe:" Iha, ry joharin-Dranagnahary, mangataky aminao aho, ao ho sarobidy eo amasonao gn'aiko voho gnain'ireo mpanomponao dimampolo reto. 14 Eka tokoa, nilatsaky bakegny amin'ny lagnitsy gny bolo sady nandrava reo kapiteny roe voalohany miaraky amin'ireo johariny, fa amizao ao ho sarobidy eo amasonao gn'aiko." 15 Sady gny anjelin'Yaveh nilaza tamin'i Elia hoe:' Midian miaraky aminy:Ka matahotsy azy." Ka la nitsanga Elia sady nizotso niaraky taminy ho agny amin'ny mpanjaak. 16 Tafaran'io kelikely la hoy Elia tamin'i Ahazia hoe:" Zao ro nilazain'i Yaveh:" Fa nandefa mpanday hafatsy hangalaky hevitsy tagny amin'i Bala-zeboba, ndranagnaharin'i Ekrona iha. Satria va tsy misy Ndranagnahary ao Israely zay angatahinao fampahafantara? Ka amizao, tsy hizotso bakeo amin'ny fandria zay nanganianao iha, fa ho maty tokoa iha." 17 La maty araky gny safan'i Yaveh zay nolazain'i Elia Ahazia mpanjaka. Jorama ro nanomboky nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny tao faharoa nanjakan'i Johorama anak'i Josafata mpanjakan'i Joda, fotony tsy nana gnanaky Ahazia. 18 Sady amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Ahazia, moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely va io?