Toko faha 13

1 Fagnintelony zao ro nandalavako aminareo atoy ." Gny fiampanga iaby la tsy maintsy miora amin'ny porofo amin'ny vavolombelo roe na telo." 2 Fa niresaky tamin'ireo zay nanota ao taloha voho tamin'ireo ambiny iaby lafa teo fagnindroeny, sady resahiko ndraiky io:" Lafa avy ndraiky aho, la tsy hiantragnan-drozy aho." 3 Miresaky gnanareo gnan'io aho fotony nareo la mila porofo fa Kristy la miresaky amin'ny alalako. Tsy marefo amianreo Ie. Fa koa, mahery ao aminareo Ie. 4 Fa Ie nohomboa amin'ny fahalemea , nefa velo tamin'ny herin-Drananagnahary. Fa tsika koa la marefo ao aminy, kanefa tsika la miara-miay amin'ny herin-Dranagnahary eo agnivonareo. 5 Diniho gny vatanareo laha tianareo ho hita fa ao amin'ny finoa nareo. Tsapao gny vatanareo. Mbo tsy azonareo an-tsay va izany momba gny amin'ny vatanareo fa Jesosy Kristy la ao aminareo? Laha toa nareo ka tsy nahomby tamin'ny fitsapa . 6 Sady zaho mahatoky fa nareo la hiaiky fa tsika la nahomby amin'io fitsapa io. 7 Amizao tsika la mivavaky amin-Dranagnahary fa tsy afaky gny hanao raha raty nareo. Zaho la tsy mivavaky gny afaky ahita fa tsika la nahomby amin'ny fitsapa. Fa koa , zaho la nivavaky gny mba ahafahanareo manao zay mety kanefa tsika la mety ho hita hanahaky gny tsy nahomby tamin'ny fitsapa. 8 Fa tsika la tsy afaky gny hanao raha manohitsy amin'ny fahamarigna, fa ho gnan'ny fahamarigna raiky avao. 9 Fa tsika mifaly lafa marefo sady mafy nareo. Fa tsika avao koa la mivavaky mba hataontsika feno nareo. 10 Manoratra gnan'ireto raha reto aho laha magnalavitsy gnanareo aho, ka lafa miaraky aminareo aho la tsy voatery manday gnanareo an-katezera amin'ny fampiasa gny fahefako_-zay namean'ny Tompo gnahy, mba anaganako gnanareo , sady tsy hanimba gnanareo. 11 Farany, ry rahalahy, mifalia! miasa ho amin'ny fameregna amin'ny laoniny, mahereza, mifagnenke gny kirakiraiky , miaina am-piadagna voho gny fiadagna la hiaraky aminareo. 12 Miafampiarahaba nareo amin'ny fagnoroha Masy. 13 Reo mpino iaby la manao veloma gnanareo[ Fanamarihana: Reo dikan-teny sasany la magnambara gny andininy faha 13 amin'ny andininy faha 12 sady manao gny andininy faha 14 ho andininy faha 13.] 14 Enga anie gny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy , gny hateavan-Dranagnahary, voho gny fiaraha amin'ny Fagnahy Masy ho ao aminareo iaby.