Toko faha 12

1 Zaho la tsy maintsy mirehareha, fa tsy misy na ino ino azo bakamin'io. Fa zaho la hanohy gny amin'ireo fahita voho reo fagnambara bakamin'ny Tompo. 2 mahafatantsy johary ao amin'i Kristy aho zay folo efatsamby tao lasa zay__ na ao amin'ny tena na ivelan'ny tena , zaho tsy mahafantatsy , Ndranagnahary mahay __ nala niakatsy tagny amin'ny lagnitsy laha telo. 3 Sady haiko fa io johary io__na ao amin'ny tena , na ivelan'ny tena, zaho tsy mahay , Ndranagnahary mahay __ 4 la nala niakatsy tao amin'ny paradisa sady nahare raha zay tena masy loatsy amin'ny olo gny hilaza gnazy. 5 Amin'ny agnaran'ny olo manahaky gnan'io la hirehareha aho. fa amin'ny agnaran'ny vatako la tsy hirehareha aho, afa-tsy gny mikasiky reo fahalemeko. 6 Laha te hirehareha aho, la tsy ho adala aho, fa te hivola gny marina. Fa hifehy tena amin'ny firehareha aho, mba tsy hisy na ia ia hihevitsy gnahy ho agnabo noho zay hita amiko na re bakamiko. 7 Hifehy tena amin'ny firehareha avao koa aho noho reo karaza fagnambara miavaky reo. Nohon'io , mba tsy ho feno firehareha aho, la nasia fatiky gny nofoko , gny mpanday hafats'i Satana hagnakoronta gnahy, mba tsy hirehareha loatsy aho. 8 Intelo aho ro nitalao tamin'ny Tompo gny momba gnan'io, mba hangalany gnan'io amiko. 9 fa hoy ie tamiko hoe:" Ampy ho gnanao gny fahasoavako, fa gny hery la natao ho lafatsy ao amin'ny fahalemea." aleoko mirehareha bebe kokoa gny amin'ny fahalemeko, mba hioeran'ny herin'i Kristy ato amiko. 10 Nohon'io finaritsy noho i Kristy ao amin'ny fahalemea , amin'ny fanevateva, amin'ny koronta , amin'ny fagnenjeha voho ao amin'ny fotoan-tsarotsy aho. Fa na mbia na mbia malemy aho, la matanjaky. 11 Zaho la lasa adala! nareo ro nanery gnahy amin'io, fa zaho la tokony nideranareo. Fa zaho la tsy ambany noho reo zay atao hoe apostoly agnabon'ireo mihintsy , ndra tsinontsino aza aho. 12 Reo famantara marina gny maha Apostoly la nitanterahy teo aminareo tamin'ny fahareta tanteraky, famantara voho fahagaga sady asa mahery . 13 Fa manao akory nareo ro la tsy manan-danja noho reo fiangona sasany, ankoatsy gny tsy maha vesatsy gnahy ho gnanareo? mamela gnahy nohon'io fahadisoa io! 14 Ingo! Vonona ho avy fagnintelo agny aminareo aho. Tsy ho vesatsy ho gnanareo aho, fa zaho la tsy mila zay gnanareo. Nareo ro ilako. Fa tsy anaky ro tokony hihary ho gnan'ireo ray aman-dreny. Fa koa , reo ray aman-dreny ro tokony hihary ho gnan'ireo anaky. 15 Zaho la ho faly tanteraky handany voho ho la ho gnan'ny fagnahinareo. Laha mitea mare gnanareo aho la hotiavy kely va zaho? 16 Fa ndra manahaky gnan'io aza, tsy nagnavesatsy gnanareo aho. Fa , fotony aho fetsifetsy mare, la zaho gny raiky zay nahazo gnanareo tamin'ny fitaky . 17 Moa va nagnararaotsy gnanareo tamin'ny alalan'ny olo zay nalefako taminareo aho? 18 nagniraky malaky gnan'i Titosy ho agny aminareo aho, sady nalefako niaraky taminy reo rahalahy sasany. Moa va nagnararaotsy gnanareo i Titosy? Moa va tsy lala raiky tsika? Moa va tsy niraiky tsika? 19 Moa va mieritseritsy nareo fa nandritsa gnan'io fotoa iaby io la niaro gny vatanay taminareo rahay? Eo agnatrehan-Dranagahary, ro ivolagnanay tao amin'i Kristy mba ho fampahereza gnanareo. 20 Fa matahotsy aho fandrao lafa avy aho la mety tsy hahita gnanareo araky gny fanantenako. Matahotsy aho fandrao tsy ho hitanareo araky gny fanantenanareo . Matahotsy aho fa sao la mety hisy fifandira , fialogna, firehetan'ny hatezera, fikasa amin'ny fitiavan-tena , fifosa , fieboeboa, voho gny fikorontagna. 21 Matahotsy aho fandrao lafa mimpoly , la hanetsy gnahy eo agnatrehanareo gny Ndranagnahariko. Matahotsy aho fandrao mety halahelo gny amin'ireo mareo zay nanota taloha, ka mbo tsy nibebaky tamin'ny fahalotoa voho gny fijangajanga voho gny fijejojejoa feno fagnirian-draty zay nataon-drozy .