Toko hafa 8

1 Lafa afaky gny roapolo tao, zisiky gny nangnambaran'i Solomona gny tragnon'i Yaveh ndraiky gny tragnony manoka, 2 La namboarin'i Solomona ndraiky gny reo tana namean'i Hirama gnazy, voho napetrany tao gny vahoakan'Israely. 3 Nanafiky gnan'i hamata__Zoba i Solomona voho nandresy gnany zay. 4 Voho nagnamboatsy gnan'i Tadmora tagn'efitsy tany ie, ndraiky gny reo tana fagnanjari iaby, namboariny tagny Hamata ao. 5 Nagnamboatsy gnan'i Beti-horona Agnabo, ndraiky Beti-horona Ambany, tana vaovao ami-gny manda, ndraiky vavahady, voho fefy vy avao koa ie. 6 Nagnamboatsy gnan'i Baleta ndraiky gny reo tana fagnanjaria iaby ze nanagnany ie, ndraiky gny tana iaby ho gnany reo kalesiny ndraiky gny tana ho gnany reo mpitiky sovaliny, ndraiky ze iaby niriny hatsanga araky ze tiany tagny Jerosalema ao, tagny Libanona ao, ndraiky ami-gny reo tany iaby ambany fifehezany. 7 Voho gny reo olo iaby sisa tavela baka ami-gny Hetita, gny Amorita, gny Perizita, gny Hivita, ndraiky gny Jebosita, tsy gnan'Israely, 8 Reo taranakiny sisa tavela tafaran-drozy tami-gny tany, tsy naravany gny vahoakan'Israely tagny__la nataon'i Solomona mpiasa an-terivozo, zay rozy la zisiky androany. 9 Na zay aza, tsy nataon'i Solomona ho mpiasa an-terivozo gny vahoakan'Israely. Fa koa, avy miaramilany, ndraiky mpifehiny, manam-pahefany, voho mpifehy gny tefiky gny kalesinyndraiky gny mpitikitsy sovaliny rozy. 10 Reo avao koa ro manam-pahefa bevata mpandrindra gnany reo mpagnaramaso gnan'i Solomona Mpanjaka 250 tamin-drozy, ro nagnaramaso gny vahoaky nanao gn'asa . 11 Nandesin'i Solomona niboaky gny tanan'i Davida ho ami-gny tragno namboariny ho gnazy agny gn'anakampelan'i Farao, fa hoy ie hoe: " Tsy mahazo mipetraky an-tragnon'i Davida mpanjakan'Israely ao gny, fotony ndra ia ndra ia niaviany gny fiaran'i Yaveh la masy." 12 Bakeo Solomona nagnomea fagnatitsy horoa ho gnan'i Yaveh ami-gny alitarany namboariny tagnatrehany gny lavaranga teo. 13 Nagnomea soro araky ze nitinakiny gny fonao isan'andro ie, nagnomea gnany reo ie, nagnaraky gnany reo torolala hita tagnainy gny lilin'i Mosesy, tami-gn'andro Sabata, gny vola vaovao, ndraiky tami-gn'andro firavoavoa voatondro in-telo mian-tao: la gn'andro firavoravoany amin'ny Mofo misy Masirasira, gny Herinandro Firavoravoa, sady gny andro Firavoravoan'ny Fialofa. 14 Tam-pitandrema gny reo lalan'i Davida rainy, ro nanondron'i Solomona gny reo mpisoro ho ami-gn'asany, voho reo Levita ho ami-gny fipetrahany, mba handrengy an-Dranagnahary ndraiky hanompo agnatrehany reo mpisoro, araky ze takiny gny fonao isan'andro. Voho nanondro gnany reo mpiamby vavahady tami-gny fizarany isaky gny vavahady iaby avao koa ie, fa zay ro fa nibaikoan'i Davida, joharin-Dranagnahary. 15 Voho gny reo vahoaky reo la tsy mba nivily tami-gny reo liliny gny mpanjaka tami-gny reo mpisoro ndraiky reo Levita fagnanjaria. 16 Reo asa iaby nampanovin'i fagnambaniny gny tragnon'i Yaveh ka zisiky nahavita gnany zay. Vita gny tragnon'i Yaveh. 17 Bakeo Solomona nandeha nagna Ezion-gebera ndraiky Elota, tamoron-driaky gny tany Edoma tegny. 18 Voho nanfefasan'i Hirama sambo nandesiny reo manam-pahefa tantsambo nana fahalia ie. Niantsambo niaraky tagnaminy reo mpanompon'i Solomona ho Ofira agny rozy. Nangalaky talenta volamena 450 bakagny roay reo nandesiny amin'i Solomona Mpanjaka agny.