Toko faha 22

1 Reo olon'i Jerosalema la nanao gnan'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, ho mpanjaka hilimby gnazy, fa gny tariky reo johary niaraky tami-gny reo Arabo nilitsy tami-gny toby tao la namono gnany reo gnanany lahy bevata iaby. Ka la Ahazia gnanaky lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, ro lasa mpanjaka. 2 Efa polo roa amby tao i Ahazia laha manomboky manjaka; nanjaka herintao ta-Jerosalema tao ie Atalia ro agnaran-dreniny; gnanak'ampelan'i Omry ie. 3 Nandeha tami-gny lalany gny taranak'i Alaba avao koa ie fotony gny reniny ro mpanoro say gnazy tami-gny fanovan-draty. 4 Nanao raty tamason'i Yaveh io i Ahazia, manahaky gny nataony gny taranak'i Ahaba, fotony rozy ro mpinoro say tafarany gny nahafatezan-drainy, ho ami-gny faharavany. 5 Nagnaraky gny torohevitsin-drozy avao koa ie, nandeha niaraky tamin'i Jorama gnanaky lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely ie, mba hialy amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ta Ramota-gileada tagny. Nanery gnan'i Jarama gny reo Syriana. 6 Nimpoly ta-Jezirela tagny i Jorama mba hagnanjanga gny fery nataon-drozy tagnaminy ta-Rama tagny, taminy ie nialy tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ka la nidrotso ta-Jeziela tagny i Ahazia gnanaky lahan'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, mba hagnenty gnan'i Jarama gnanaky lahin'i Ahaba, fotony nafery i Jorama. 7 Voho gny faharavan'i Ahazia la nandesin-Dranagnahary tami-gny famangian'i Ahazia gnan'i Jorama. Lafa avy ie, la niaraky tamin'i Jehorama mba hanafiky gnan'i Jeho gnanaky lalan'i Nimsy, fa nifinilin'i Yaveh handrava gny taranak'i Ahaba. 8 Voho lafa nagnatanteraky gny fitsaran-Dranagnahary ami-gny taranak'i Ahaba teo i Jeho, la nahita gnany reo mpitaraky gnan'i Joda ndraiky gny reo gnanaky lahiny gny rahalahin'i Ahazia nanompo gnan'i ie. Nivinonon'i Jeho rozy. 9 Nila gnany Ahazia i Jeho, nisinambotsin-drozy tam-pierena tan- Samaria tao ie, nandesy amin'i Jeho tagny, ka nivinono ie. Bakeo nalevin-drozy ie, fa hoy rozy hoe: " Ie la gnanaky lahin'i Josafata, nila gnan'i Yaveh tami-gny fony iabiaby." Voho la tsy nana fahefa hanapaky gny fanjakana sasy gny taranak'i Ahazia. 10 Voho lafa hitan'i Atalia, resin'i Ahazia fa maty gnanany lahy, la nitsanga ie voho namono gnainy reo gnanak'andria iaby ami-gny taranak'i Joda tao. 11 Kanefa i Joseba, gnanaky lahiny gny mpanjaka, nangalaky gnan'i Joasy, anak'ampelan'i Ahazia, sady nangala gnazy teo amin'ireo anaky lahin'ny mpanjaka zay nivinono. Napetrany tami-gny efitragno fatoria ie. Ndraiky gny mpiteza gnazy. Voho Joseba, gnanak'ampelan'i Jehorama mpanjaka, valin'i Jehoiada mpisoro ( fa anabavin'i Ahazia ie), nagnetaky gnazy tamin'i Atalia, mba tsy hamonoan'i Atalia gnazy. 12 Nindry niery tamin-drozy tan-tragnon-Dranagnahary tao tagnainy enin-tao ie, laha mbo i Atalia ro nanjaka tami-gny tany teo.