Toko faha 12

1 Voho taminy zay, lafa tafapetraky gny fanjakan'i Rehoboama voho natanjaky ie, la nahafoy gny lalan'i Yaveh__ndraiky gny Israely niaraky tagnaminy ie. 2 Niseho zay tami-gny tao fahalimy nanjakan'i Rehoboama mpanjaka, fa i Sisaka, mpanjakan'i Egypta, niakatsy hanohitsy gnan'i Jerosalema, fotony nivaliky gnan'i Yaveh gny vahoaky. 3 Niavy niaraky tami-gny kalesy roan-jato ndraiky arivo ndraiky mpitikitsy sovaly enin'aly ie. Miaramila tsy hita isa ro avy niaraky tagnaminy baka Egypta agny: Reo Lobita, Sokita, voho reo Etiopiana. 4 Nalany gny reo tana voaaro mare gnan'i Joda voho nandeha nagna Jerosalema. 5 Voho Semaia mpangnambara hafatsy avy tagny amin'i Rehoboama ndraiky gny reo mpitariky gnan'i Joda niaraky nivory tagny Jerosalema tao nohony i Semaia. Hoy Semaia tami-drozy hoe: " Zao ro safagnin'i Yaveh: nareo fa nahafoy gnahy, ka la fa nameako ho an-tagnan'i Sisaka eo avao koa nareo." 6 La nanetry vata gny reo andrin-dahin'Israely ndraiky gny mpanjaka voho nanao hoe: " To i Yaveh". 7 Voho lafa hitan'i Yaveh fa nanetry tegna rozy, la avy tamin'i Semaia gny safan'i Yaveh, nanao hoe: " Fa nanetry tegna rozy. Tsy handrava gnan-drozy Zaho; fa handomba gnan-drozy ami-gny fandrava, voho tsy hilatsaky eo amin'i Jerosalema ami-gny alalany gny tagnan'i Sisaka gny siakiko. 8 Ndra zay aza, la ho mpanompony rozy, mba hahatakaran-drozy hoe nagnino zay manompo Gnahy ndraiky manompo gny reo mpanday gnany reo firenen-kafa zay." 9 Voho Sisaka, mpanjakan'i Egypta niakatsy hanohitsy gnan'i Jerosalema ka nangalaky gnany reo hanagna tan-tragnon'i Yaveh tao, ndraiky gny reo hanagna tan-tragnony gny mpanjaka. Nalany iaby gny raha iaby; nandesiny avao koa gny reo ampinga volamena nataon'i Solomona. 10 Nanao apinga mba tam-polasiny reo i Rehoboama Mpanjaka voho nagnanky gnany reo tam-tagnany reo mpifahy gny mpiamby, miamby gnany reo varavarany gny tragnony gny mpanjaka. 11 Niseho zay isaky gny nilitsy tan-tragnon'i Yaveh tao gny mpanjaka, ka nanday gnany zay reo mpiamby; bakeo rozy nanday gnany zay nimpoly ami-gny tragno fiambena tagny. 12 Lafa nanetry tegna i Rehoboama, la niala tagnaminy gny siakin'i Yaveh mba tsy handrava gnazy tanteraky; ankoatry zay, mbo nisy hasoa hita avao amin'i Joda ao. 13 Voho Rehoboama Mpanjaka nanday hery ho gnany gny fanjakany tao Jerosalema ao, la manahaky gnany zay ro nanjakany. Folo raiky amby tao Rehoboama laha manomboky nanjaka, voho nanjaka tagnainy folo fito amby tao tao Jerosalema tana nifilin'i Yaveh tami-gny fokon'Israely iaby ie mba ahafahany mametraky gn'agnarany ao. Gn'agnaran-dreniny la Nama, Amonita. 14 Nanao raty ie, fotony tsy nanefy gny fony mba hila gnan'i Yaveh 15 voho gny aminy reo raha hafa mikasiky gnan'i Rehoboama, voalohany sady farany, fa regny moa tsy fa voasoratsy ami-gny asa sorats'i Semaia mpagnambara hafatsy ndraiky Ido mpahita, mana gny firaketa an-tsoratsy gny reo tetihara avao koa voho gny reo aly lava amin'i Rehoboama ndraiky Jerosalema? 16 Nimaty ami-gny reo razambe agny i Rehoboama voho nalevy tan-tanan'i Davida ao; Abia gnanany lahy ro lasa mpanjaka ami-gny polasiny eo.