Toko faha 8

1 Lafa antitsy i Samoela, la nataony ho mpitsara eo amin'ny Israely reo ananky lahiny. 2 Joela ro agnaran'ny lahimatoany, sady Abia ro agnaran'ny anaky lahiny faharoe. Mpitsara tao Beri-sheba rozy . 3 Tsy nandeha tamin'ny lalany reo razany lahy , fa nila fiharia tsy to. Nandramby kolikoly rozy sady namadiky gny rariny. 4 La niara-nivory reo loholon'ny Israely manontolo sady avy teo amin'i Samoela tao Rama. 5 Hoy rozy taminy:' Ingo, antitsy iha, sady tsy mandeha amin'ny lalanao reo anakao. Manendrea mpanjaka ho gnanay mba hitsara gnanay manahaky reo firenena manontolo." 6 Nefa tsy nankasitrahan'i Samoela io laha nivola rozy hoe:' Omeo mpanjaka rahay mba hitsara gnanay." Ka nivavaky tamin'i Yaveh i Samoela. 7 Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe;' Ankatoavo gny feon'ny fokonolo amin'ny raha iaby volagnin-drozy aminao; fa tsy iha ro nolavin-drozy , fa Zaho ro nolaviny tsy ho mpanjakan-drozy. 8 Amizao rozy la manao manahaky zay nataony hatramin'ny andro nagnandesako gnan-drozy niboaky bakao Egypta, nahafoy Ahy , sady nanompo reo ndranagnahari-kafa, sady io koa ro ataon-drozy aminao. 9 Amizao janjigno rozy ; nefa ampitandremo mare ka ampahaizo gny fomba hanapahan'ny mpanjaka eo amin-drozy." 10 Ka la nolazain'i Samoela tamin'ny fokonolo zay nangataky mpanjaka reo tenin'i Yaveh manontolo. 11 Hoy ie:" Zao ro ho fanaon'ny mpanjaka zay hanjaka eo aminareo. Hangalaky reo anakareo lahy ie ka hanendry gnan-drozy ho gnan'ny kalesiny voho ho lasa mpitaingin-tsoavaliny, sady hiazakazaky eo alohan'ireo kalesiny. 12 Hanendry kapitenin'ny miaramila agnan'arivony, sady kapitenin'ny miaramila dimampolo ho gnazy ie. Hataony miasa gny taniny gny sasany, mijinja gny vokany gny sasany, sady hanao gny fitaovam-pialiany voho gny fitaova ho gnan'ireo kalesiny gny sasany. 13 Reo anaky ampelanreo avao koa la hataony mpangaroharo raha magnitsy, mpiketsiky, sady mpanao mofo. 14 Halany gny soa mare bakamin'ny sahanareo , reo tanim-boaloboky, voho reo tanin'olivanareo, ka hameany gnan'ireo mpanompony. 15 Halany gny ampahafolon'ny varinareo voho gny bakamin'ireo tanim-boalobokareo ka hameany gnan'ireo manam-pahefany voho reo mpanompony. 16 Halany reo mpanomponareo lahy voho reo mpanomponareo ampela sady soa mare amin'ireo tovolahinareo voho borikinareo; hataony hiasa ho gnazy rozy iaby. 17 Halany gny ampahafolon'ireo aondry aman'aosinareo, ka ho lasa andevony nareo. 18 Ka amin'io andro io la hitaray noho gny mpanjakanareo zay nifilinareo ho gnan'ny vatanareo nareo; fa ingo tsy hamaly gnanareo i Yaveh amin'io andro io." 19 Kanefa nanda gny hijanjy gnan'i Samoela gny fokonolo; hoy rozy :" Tsia! Tokony hisy mpanjaka eto aminay 20 mba hitovizanay amin'ireo firenena hafa iaby, sady mba hitsaran'ny mpanjakanay gnanay voho hiboahany eo agnatrehanay ka hialy gny alinay." 21 Lafa ren'i Samoela reo tenin'ny fokonolo iaby la nampoly teo an-tsofin'i Yaveh io. 22 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela :" Amizao gny feon-drozy sady avy mpanjakan-drozy gny olo raiky." Ka hoy Samoela tamin'ireo olon'ny Israely:' Tsy maintsy mandeha agny amin'ny tanany iaby gny johary kirakiraiky."