Toko faha 22

1 Sady niala tagny Davida ka nandositsy tao an-dava-baton'i Adolama. Laha nahare gnan'io reo rahalahiny voho gny longon-drainy , la nizotso tagny aminy rozy. 2 Gny olo iaby zay tao agnaty fahoria, gny olo iaby zay tao agnaty trosa, voho gny olo iaby zay tsy mazoto_ rozy iaby la nivory tao aminy. Lasa kapitenin'ny piamby teo amin-drozy i Davida. Nisy teo amin'ny efa-jato lahy teo ro niaraky taminy. 3 Sady niala ho agny Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy ie tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe;' Mba miangavy lahy ao gny raiko voho gny reniko hiboaky hiaraky aminao mandram-pahaizako zay hataon-Dranagnahary ho gnahy." 4 Nengany niaraky tamin'ny mpanjakan'i Moaba rozy. Gny rainy voho reniny nipetraky niaraky taminy tamin'ny fotoa iaby naha-tao amin'ny fiarovany mafy gnan'i Davida. 5 Sady Gada mpaminany nivola tamin'i Davida hoe;' Ka mijano ao amin'ny fiarovanao mafy. Miainga sady mandehana agny amin'ny tanin'i Joda." Ka la niala tao Davida sady nandeha tao amin'ny alan'i Hareta. 6 Ren'i Saoly fa hita niaraky tamin'ireo johary zay niaraky taminy i Davida. Sady nipetraky tagny Gibea tambanin'ny hazo tamariska tao Rama i Saoly, niaraky tamin'ny lefony tegny an-tagnany, sady gny mpanompony iaby nijoro nagnodidy gnazy. 7 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nitsanga magnodidy gnazy:' Janjigno zao, ry vahoakan'i Benjamina, moa va hagnome saha voho tanim-boaloboky ho gnan'ny kirakiraiky bakaminareo gny anaky lahin'i Jese? Moa va hanao gnanareo iaby ho kapitenin'ny tafika agn'arivony voho an-jatony ie, 8 ho takalon'ny tetikareo iaby hanohitsy gnahy? Tsy nisy taminareo nampahafantatsy gnahy lafa nanao fanenkea tamin'ny anaky lahin'i Jese gny anako lahy. Tsy nisy taminareo naferignay gnahy. Tsy nisy taminareo nampahafantatsy gnahy fa gny anako lahy la nampirisiko gnan'i Davida mpanompoko hanohitsy gnahy. Henanio la mietaky voho mandigny gnahy ie sady mety hanafiky gnahy." 9 Sady i Doega Edomita, zay nitsanga teo amin'ireo mpanompon'i saoly , namaly hoe;' Hitako nagnagny Noba gny anaky lahin'i Jese, tao amin'i Ahameleka anaky lahin'i ahitoba. 10 Nivavaky tamin'i Yaveh ie mba hagnampiany gnazy, sady nameany gnazy gny vatsy voho gny sabats'i Goliata Filistina." 11 Sady gny mpanjaka nagniraky olo mba hikaiky gnan'i ahimeleka mpisoro anaky lahin'i Ahitoba voho gny longon-drainy iaby, reo mpisoro zay tao Naoba. rozy iaby la avy teo amin'ny mpanjaka. 12 Hoy i saoly:' Janjigno ary, ry anaky anaky lahin'i Ahitoba." La namaly ie hoe;' Intoy aho, tompoko." 13 Sady hoy i saoly taminy ;' Nagnino iha ro nitetiky hanohitsy gnahy, iha voho gny anaky lahin'i Jese, tamin'ny nagnomezanao gnazy mofo, voho sabatsy , voho niavavaky tamin-Dranagnahary mba hagnampiany gnazy, mba hitsanganany hanohitsy gnahy, mba hietaky agny amin'ny tako, manahaky gnan'izao ataony androany zao?" 14 Sady i ahimeleka namaly gny mpanjaka ka nanao hoe;' Ia tamin'ireo mpanomponao iaby moa ro mahatoky mare manahaky gnan'i Davida, zay vinanto lahin'ny mpanjaka ro sady mpiamby gnanao avao koa, sady omem-boninahitsy ao an-tragnonao/ 15 Androany vasa ro fotoa voalohany nivavahako tamin-Dranagnahary mba hagnampia gnazy? Sagnatsia amiko anie io! Ka magnenga gny mpanjaka hagnisy ndra ino ino amin'ny mpanompony na amin'ny vahoainao la tsy lahay na ino ino gny amin'izao raharaha oiaby zao." 16 Namaly gny mpanjaka hoe;' Tsy maintsy ho maty tokoa iha, ry Ahimeleka , iha voho gny longon-drainao iaby." 17 La nivola tamin'ny mpiamby nitsanga nagnodidy gnazy gny mpanjaka nanao hoe;' Mitolia sady vonoy reo mpisoron'i Yaveh. Fotony gny tagnan-drozy avao koa la miaraky amin'i Davida, sady fotony nahay rozy fa nandositsy ie, kanefa tsy nagnambara gnan'io tamiko. Fa reo mpanompon'ny mpanjaka nefa la tsy te-haninjitsy gny tagnany hamono reo mpisoron'i Yaveh. 18 sady nivola tamin'i Doega gny mpanjaka hoe:" Mitolia sady vono reo mpisoro. La nitoliky voho namely reo mpisoro i Doega Edomita; namono olo valopolo limiamby zay niakanjo efoda hasimbazaha foty tamin'io andro io ie. 19 Tamin'ny lelan-tsabatsy , ro nanafihany gnan'i Noba, tanan'ireo mpisoro , na johary na ampela, aja na zaza, sady reo aomby voho ampondra sady aondry . Namono gnan-drozy tamin'ny lelan-tsabatsy ie. 20 Faraiky tamin'ireo anaky lahin'i Ahimeleka anaky lahin'i Ahitoba, nikaihy hoe Abiatara , nandositsy sady nitsoaky nagnaraky gnan'i Davida. 21 Sady Abiatara nivola tamin'i Davida fa novonoan'i saoly reo mpisoron'i Yaveh. 22 Hoy i davida tamin'i Abiatara:' Haiko tamin'igny andro igny fa laha tao i Doega lay Edomita, la tsy maintsy nivola tamin'i Saoly ie. zaho ro tompon'andraikitsy tamin'ny fahafatesa iaby tamin'ny fianakavian-drainao! 23 Mijanognamiaraky amiko sady ka matahotsy. Fa gny olo zay mifofo gny ainao la mifofo gny gnahy avao koa. Ho voaaro iha miaraky amiko."