Toko faha 21

1 La avy tao Noba i Davida mba hijery gnan'i Ahimeleka mpisoro. Avy mba hitsena gnan'i Davida tam-pangovita i Ahimeleka sady nivola taminy hoe:' Nagnino iha ro raiky avao sady tsy misy miaraky aminao?' 2 Hoy Davida tamin'i ahimeleka mpisoro hoe;' Nandefa gnahy hagnatanteraky iraky gny mpanjaka sady nivola tamiko hoe:' Ka enga hisy hahahay na ino ino momba gny raharaha zay hagnirahako gnanao, voho zay handidiako gnanao ." Nagnoro lala reo zatovolahy ho agny amina toera raiky aho. 3 Ka ino sady ro an-tagnanao zao? Omeo mofo limy aho, ndra zay iaby misy ato." 4 Namaly gnan'i Davida lay mpisoro ka nanao hoe:" Tsy misy mofo tsotra eto an-tagnako, fa koa misy mofo masy_laha nahatandri-tena tamin'ny ampela reo tovolahy." 5 Davida namaly gnan'ilay mpisoro nanao hoe:' Nahatandri-tena tamin'ny ampela tokoa rahay nandritsa reo telo andro lasa, manahaky gny fatao isaky gny miainga aho. Fa natoka gny fanagnan'ireo johary reo ndra la ho amin'ireo iraky tsotsa aza. Mainka aza voatoka zay hanagnan-drozy amizao!" 6 Ka la nagnome gnazy lay mofo zay voatoka lay mpisoro. Fa tsy nisy mofo afa-tsy gny mofon'ny fagnatreha avao moa tao, zay fa nala teo agnatrehan'i Yaveh , mba hametraha mofo vaovao eo amin'ny toeran'io tamin'ny andro nangalany gnan'io. 7 Sady gny raiky tamin'ireo mpanompon'i Saoly zay tagny tamin'io andro io, la voatandraky teo agnatrehan'i Yaveh. Doega Edomita ro agnarany, lehiben'ireo mpiaraky aombin'i Saoly. 8 La hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe;' Tsy misy lefo na sabatsy azo ampiasa va an-tagnanao? Fa tsy nahatondra aho ndra gny sabatsy ndra reo fitaovam-pialiako tatoy amiko, fotony tena maika tokoa gny raharahan'ny mpanjaka." 9 Hoy lay mpisoro hoe;' Gny sabats'i Goliata lay Filistina , zay novonoanao tagny amin'ny Lohasan'i Elaha , zay mifogno siky ao ambaliky gny efoda ro ato. Laha tianao ala io, la alao, fa tsy misy fitaovam-pialia hafa ato." Hoy i Davida hoe:" Tsy misy sabatsy manahaky gnan'io raiky io; omeo gnahy io." 10 La nitsanga i Davida sady nandositsy gnan'i Saoly tamin'io andro io ka nagnagny amin'i Akisa, mpanjakan'i Gata. 11 Reo mpanompon'i Akisa nivola taminy hoe:' Tsy i Davida , lay mpanjakan'ny tany Va ty? Tsy ty va lay nifampihirahiran-drozy tamin'ny sinjaky hoe:' Saoly namono agn'arivony, fa Davida namono agn'aliny?' 12 Niraisin'i Davida am-po io teny io ka natahotsy mare gnan'i Akisa, mpanjakan'i Gata ie. 13 Nagnova gny fihetsiny teo agnatrehan-drozy ie ka nodiany ho very say teo an-tagnan-drozy; nanoratsoratsy teo amin'ny lela-bavahady ie say nengany hitsororoky teo amin'ny volom-bavany gny iviny. 14 Bakeo la hoy i akisa tamin'ireo mpanompony hoe:' Ingo, hitanareo fa very say lay johary. Nagnino ro nandesinareo eto amiko ie? 15 Tsy ampy olo adala va aho, ro la nandesinareo eto amiko io mba hanao fihetsiky manahaky zao eto agnatrehako? Hilitsy ao an-tragnoko tokoa va io ?"