Toko faha 17

1 Sady reo Filistina namory reo tafikin-drozy hialy. Nivory tao Soko, zay gnan'i Joda rozy. Nitohy teo agnelagnelan'i Soko voho Azeka , tao Efesa-damima rozy. 2 I saoly voho reo joharin'Israely la nivory sady ntoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, sady nandamy gny filaharan-drozy amin'ny aly mba hifagnehitsy amin'ireo Filistina. 3 Nitsanga teo agnabony tendrombohitsy tegny am-pita reo Filistina, sady gny Isrealy nitsanga teo agnabony tendrombohitsy tegny am-pita sady lohasaha ro nagnelagnela gnan-drozy. 4 Johary matanjaky raiky ro niboaky bakao amin'ny tobin'ireo Filistina , johary raiky atao hoe Goliata bakagny Gata, zay rny hakiho sady zehy raiky gny halavany. 5 Nanao satroky fiarovan-doha saba teo amin'ny lohany ie, sady niakanjo fiaron-tratra. Saba limy arivo sekely ro lanjamin'ilay akanjo. 6 Nanao fiarovan-dranjo saba voho lefo saba teo agnelagnelan'ny sorony ie. 7 Bevata gny zaran-defony, miaraky amin'ny taly volomboloa fanipaza gnazy manahaky gny taly eo amin'ny vodi-tenon'ny mpanenona. Gny lohan'ny lefony la vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohany gny mpanday ampingany. 8 Nitsanga ie sady nikoraky mare tamin'ireo filaharan'ny Israely;'Nagnino nareo ro avy hilahatsy hialy?' Moa tsy Filistina va aho, sady nareo mpanompon'i Saoly? Mifilia johary raiky aminareo sady ao hizotso etoy amiko . 9 Laha mahay mialy amiko sady mahavono gnahy ie, la ho mpanomponareo rahay. Fa laha mandresy gnazy sady mahavono gnazy aho, la ho mpanomponay nareo sady hiasa ho gnanay." 10 La hoy ndraiky lay Filistina hoe:' Manao fagnamby amin'ireo ilaharan'Israely aho androany. Omeo johary raiky aho mba ho afaky hiara-hialy rahay." 11 Lafa nanahre zay nivolagnin'ilay Filistina i Saoly voho gny Israely manontolo la kivy rozy, sady natahotsy mare. 12 Sady i Davida la anaky lahin'ilay Efratita bakagny Betlehema ao Joda, i Jese ro agnarany. nana gnanaky lahy valo ie. Jese la fa johary antitsy tamin'ny andron'i Saoly, tena antitsy tokoa teo amin'ireo johary. 13 Reo zokiny telo amin'ireo anaky lahin'i Jese la nagnaraky gnan'i Saoly tagny amin'ny aly. Gny agnaran'ireo anaky lahiny telo zay nagnagny amin'ny aly reo la i Eliaba ro lahimatoa, faharoe magnaraky gnazy i abinaaba, voho i Sama ro fahatelo. 14 Davida ro zay mare. Reto zoky telo mare ro nagnaraky gnan'i Saoly. 15 Sady i Davida la nandroso voho nimpoly teo amin'ny tafik'i Saoly voho reo aondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamaha gnan-rozy. 16 Marain-tsy hariva nandritsa gny efapolo andro lay johary Filistina matanjaky ro avy nagnariniky mba hanolotsy gny vatany ho amin'ny aly. 17 La hoy i Jese tamin'i Davida anany hoe:' Mangala raiky efaha amy toy vary voaendy toy sady reto mofo folo reto ho gnan'ireo rahalahinao, sady andeso malaky agny amin'ny tobin'ireo rahalahinao reto. 18 Andeso agny amin'ny Kapitenin'ireo arivo avao koa reto fromazy folo reto. Jereo hoe manao akory reo rahalahinao sady magnandesa porofo mimpoly atoy fa tsy magnino rozy. 19 Miakara amin'i Saoly voho reo joharin'Israely manontolo agny amin'ny lohasahan'i Elaha, mialy amin'ireo Filistina reo rahalahinao." 20 Nifoha aloha i Davida gny maray sady namela reo andian'aondry aman'aosy nokarakarai'ny mpiaraky aondry raiky. Nangalaky reo fitaovany ie sady lasa, araky gny nandidian'i Jese gnazy. avy teo amin'ny toby ie laha igny nandeha niboaky teo amin'ny sahan'aly mba hikoraky aly igy gny tafiky. 21 Bakeo la nilaza hialy gny Israely voho reo Filistina, mtafiky manohitsy gny tafiky. 22 Namela reo fanagnany tamin'ny mpita reo fitaovany ie, ka nilay nagnagny amin'ny tafiky, sady nihaona tamin'ireo rahalahiny. 23 Laha igny niresaky tamin-drozy igny ie, lay johary matanjaky, lay Filistina bakagny Gata, atao hoe Hoe:" Goliata, la niboaky bakao amin'ny laharan'ireo Filistina, ka nivola resaky zay fa nivolagniny taloha, la ren'i Davida rozy. 24 Lafa nahita lay johary reo olon'Israely manontolo, la nandositsy gnazy sady natahotsy tokoa rozy. 25 Reo joharin'Israely nivola hoe:' hitanareo va igny johary miakatsy igny? Avy mba hihantsy gny Israely ie. Hagnome hanagna lako gnan'izay mamono gnazy gny mpanjaka, sady hagnome gnazy gny anany ampela ho valiny ie, sady hagnafaky gny avorohotan-draiuny amin'ny fandoavan-ketra ao Israely." 26 Hoy i Davida tamin'ireo johary zay nitsanga teo agnilany :" Ino ro hatao ho gnan'ilay johary zay mamono toy Filistina toy voho hangalaky gny fahafam-baraka amin'Israely? Ia toy Filistina tsy voafora toy ro mihantsy gnan'ireo tafiky gny Ndranagnahary velo? 27 La nampoliny gnolo zay fa nolazain-drozy sady nilaza taminy ie hoe:" La manahaky gnan'io avao ro hatao ho gnan'ilay johary zay mamono gnazy." 28 Nanahre gnazy niresaky tamin'ireo johary o Eliaba zokiny lahimatoa. La nirehitsy tamin'i Davida gny helok'i Eliaba, ka hoy ie:" Nagnino iha ro mizotso atoy?" Ia ro nagnenganao gnan'ireo aondry tsy ampy agny an-tany efitsy? Haiko gny avognavo voho sompatsy ao agnatin'ny fonao; fa avy nizotso tetoy iha mba hahita gny aly." 29 Hoy i Davida :" Ino zao ro nataoko? Moa tsy fagnontania avao va io?' 30 Niala teo aminy nagnagny amin'ny hafa ie, sady nivola manahaky gnan'io. La namaly manahaky taloha avao gny olo. 31 Lafa re reo teny zay nolazain'i Davida ,la nampimpoly gnan;io tamin'i Saioly reo miaramila, sady nampagniraky ho gnan'i Davida ie. 32 Bakeo la hoy Davida tamin'i Saoly:' Ao tsy hisy johary ho ketraky noho io Filistina io gny fony; gny mpanompo la handeha ka hialy amin'io Filistina io." 33 Hoy i Saoly tamin'i Davida :' Tsy afaky handeha hanohitsy io Filistina io sady hialy aminy iha; fotony mbo tanora iha, sady ie la joharin'aly nanomboky tamin'ny fahatanorany." 34 Fa hoy i Davida tamin'i Saoly :" Fa zatsy niaraky gny andian'aondrin'ny rainy gny mpanomponao. Lafa avy voho mangalaky anak'aondry gny liona na bera, 35 la nagnia gnan'io voho namely gnan'io aho, sady nagnavotsy gnan'io bakao amin'ny vavany. Lafa nitsanga hanohitsy gnahy ie, la tratriko tamin'nyvalombavany, nasiako ie sady matiko. 36 Nahavoa liona voho bera mpanomponao. Sady io Filistina tsy mifora io la manahaky gny raiky amin'ireo, fotony nihantsy reo tafiky gny Ndranagnahary velo ie ." 37 Hoy i Davida:" Nagnavotsy gnahy tamin'ny tomboky gny liona voho tomboky gny bera i Yaveh. Hagnavotsy gnahy amin'ny tagnan'io Filistina io koa Ie." La hoy i Saoly tamin'i Davida:" Mandehana, ka homba gnanao anie i Yaveh." 38 Nampiakanjoan'i Saoly tamin'ny akanjo fialiany i Davida. napetrany teo amin'ny lohany gny satroky fiarovan-doha saba, sady nampiakanjoany akanjo fiarovan-tratra ie. 39 Namehy gny sabany tamin'ny akanjo fialiany i Davida. Fa tsy afaky namindra ie, fotony mbo tsy nofagny tamin'iregny. La hoy i Davida tamin'i Saoly:" Tsy afaky hiboaky hialy miaraky amin'ny toy aho, fotony mbo tsy nofagny tamin'ireto." Ka nalan'i Davida reo. 40 Nalany tegny an-tagnany gny tehiny sady nifanty vato malama limy bakao amin'ny lohasan-driaky ie ; sady napetrany tao amin'ny kitapony fiandrasany aondry reo. Tegny an-tagnany gny gny antsamotaliny iaby namonjy lay Filistina ie. 41 Avy sady namonjy gnan'i Davida lay Filistina, sady talohany gny mpanday ampingany, 42 Lafa nijery gny magnodidy ka nahita gnan'i Davida lay Filistina, la nanao tsinontsino gnazy, fotony mbo zaza ie, mena volo, sady soa endriky. 43 La hoy lay Filistina tamin'i Davida:" Alika va aho, ro avy miaraky amin'ny hazo eto amiko iha?' sady nagnozo gnan'i Davida tamin'ireo ndranagnahariny lay Filistina. 44 Hoy lay Filistina tamin'i Davida:' Mamonjea eto amiko, la hameako ho gnan'ireo voro egny an-dagnitsy voho gnan'ireo bibidia agny an-tsaha gny nofonao." 45 Namaly lay Filistina i Davida hoe:' avy eto amiko miaraky amin'ny sabatsy , sady lefona iha. Fa zaho avy eo aminao amin'ny agnaran'i Yaveh tompon'ny maro, lay Ndranagnahary gny tafik'Israely, zay nihantsinao. 46 Anio la hagnome ahy gny fandresea gnanao i Yaveh, ka hamono gnanao aho sady kangala gny lohanao amin'ny vatanao. henanio la hagnome fatin'ny tafik'ilay Filistina ho gnan'ireo voro egny an-dagnitsy voho gnan'ireo bibidia etoy an-tany aho, mba hahaizan'ny tany manontolo fa misy Ndranagnahary ao Israely, 47 sady hahaizan'ireo vor iaby reo fa i Yaveh la tsy magnome fandresea amin'ny sabatsy na lefo. Fa gnan'i Yaveh gny aly, ka hanolotsy gnanareo eo an-tagnanay Ie." 48 Lafa nitsanga voho namonjy gnan'i Davida lay Filistina, la nilay malaky nagnegny amin'ny tafiky fahavalo i Davida mba hitsena gnazy. 49 Nampiliriny tao agnatin'ny kitapony gny tagnany, nangalaky vato tao ie, nalefany tamin'ny antsamotaly io, ka nahavoa gnan'ilay Filistina teo amin'ny handri. Nilentiky tao amin'ny handrin'ilay Filistina gny vato, ka nampidaraboky gny vatay tewo amin'ny tay ie. 50 Resin'i Davida tamin'ny filatsy voho vato lay Filistina. Voany lay Filistina la matiny. Tsy nisy sabatsy tegny an-tagnan'i Davida. 51 Bakeo la nilay i Davida ka nitsanga teo agnabon'ilay Filistina voho nangalaky gny sabany, namoaky gnan'io bakao amin'ny tragnony , namono gnazy, sady nanapaky gny lohany tamin'io. Fafa hitan'ireo Filistina fa maty lay johary matanjakin-drozy , la nandositsy rozy. 53 Nimpoly bakamin'ny fagnenjeha reo Filistina gny olon'Israely , sady nandroba gny tobin-drozy . 54 Nalan'i Davida gny lohan'ilay Filistina sady nandesiny tagny Jerosalema io , fa gny fialiany la napetrany tao amin'ny lainy. 55 Lafa nahita gnan'i Davida niboaky nanohitsy gnan'i Filitstina i saly, la hoy ie tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafiky:' Ry Abnera , anak'ia tovolahy io?" La hoy i abnera :' Laha mbo velo koa iha, ry mpanjaka, la tsy haiko". 56 Gny mpanjaka nivola hoe:" agnontanio reo zay mety nahay , hoe anak'ia zazalahy io." 57 Lafa nimpoly bakagny amin'ny famonoa lay Filistina i Davida , la nangalaky gnazy i Abnera, sady nanday gnazy teo agnatrehan'i Saoly niaraky tamin'ny lohan'ilay Filistina tegny an-tagnany . 58 Hoy i saoly taminy:' Anak'ia iha, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe:" Anak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho."