Toko faha 8

1 Sady Solomona namory reo loholon'Israely ,reo mpitariky gny foko manontolo ,sady reo lohan'ny fianakavian'ny fokonolon'Israely ,teo angnatrehany tao Jerosalema , mba handay gny fiaran'ny fanenken'i Yaveh hiakatsy bakagny amin'ny tanan'iDavida ,zany hoe,i Ziona . 2 Nivory teo agnatrehan'i Solomona mpanjaka tao amin'ny fety iaby gny olon'Israely iaby ,sady tamin'ny vola Etanima,zay vola fahafito. 3 Avy iaby reo loholon'Israely manontolo, sady nampiakarin'ireo mpisoro gny fiara . 4 Nandesin-drozy niakatsy gny fiaran'iYaveh ,gny tragno lay fihaogna,sady reo enta masy zay tao agnaty lay .Nandesin'ireo mpisoro voho reo levita niakatsy iaby reo raha iaby reo. 5 Niaraky teo angatrehan'ny fiara koa i Solomona mpanjaka voho gny fivondronan'Israely manontolo ,nanao soro aondry voho aomby tsy hay isay. 6 Nampiliran'ireo mpisoro teo amin'ny fipetrahan'ny fiaran'ny fagnenken'Iaveh ,tao amin'ny efitsy agnatin'ny tragno tao amin'ny fipetraha masy marè ambany elatr'ireo kerobima . 7 Fa namelatsy gny elany teo amin'ny fipetrahan'ny fiara reo kerobima ,sady nisaro gny fiara voho gny bao zay nilanja gnazy. 8 Lava vatany reo bao farany hita bakeo amin'ny fipetrahany teo agnatrehan'ny efitsy agnatiny gny tendrony ,fa tsy hita bakegny ivelany rozy .Sady mbo eo reo mandra-kenanizao. 9 Tsy nisy na ino ino tao amin'ny fiara laha tsy reo vato pisaky roe zay napetrak'i Mosesy tagny Horeba ,fony Yaveh nanao fagnekena tamin'ny olon'Israely laf niboaky bakagny amin'ny tany Egypta rozy. 10 Sady lafa niboaky bakao amin'ny fipetraha masy reo mpisoro,la nameno gny tragno fiangonan'i Yaveh gny hiboky. 11 Tsy afa-nitsanga hanompo reo mpisoro nohon'ny hiboky,fa nameno gny tragnony gny voninahitr'i Yaveh. 12 La hoy Solomona hoe:"Nambaran'i Yaveh fa hipetraky ao agnaty aizim-pito Ye, 13 Kanefa nagnory tragno soa tarehy ho Gnanao aho,la fipetraha hipetrahanao mandrakizay." 14 La nitoliky gny mpanjaka sady nitsipirano gny fivondrognan'Israely manontolo,laha teo am-pitsangana gny fifondrognan'Ysraely manontolo. 15 Hoy ie hoe:"Ho renge anie Yaveh,lay ndranagnaharin'Israely,zay nisafa tamin'i Davida raiko,sady nahatanteraky io tamy tagnany avao,nanao hoe: 16 "Hatramy gny nagandesako gny vahoakako niboaky bakao Egypta,la tsy nifily tana teo amy gny fokon'Israely manontolo hagnorena tragno Aho,mba hipetrarany gny agnarako ao.Kanefa,nifily gnan'i Davida mba hanapaky eo amin'ny Israely oloko Aho 17 Sady tao am-pon'i Davida raiko gny hagnory tragno ho amin'ny agnaran'i Yaveh,lay ndranagnaharin' Israely . 18 Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: "Fa nataonao tao am-ponao gny hagnory ho gnan'ny agnarako ,la soa gny nanovanao io tao am-ponao. 19 Na izay aza la hagnory lay tragno iha ;fa koab ,gny anakolahy ,zay teraky bakamin'ny voanao,ro hagnory gny tragno ho gnan'ny agnarako." 20 Notanterahin'i Yaveh gny teny zay nosafagniny ,fa nitsanga handimby gny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraky eo amin'ny seza fiandrianan'Israely ,araky gny nampanantenan'i Iaveh. Naoriko ho gnan'ny agnanaran'i Iaveh ,lay Ndranagnaharin' Israely gny tragno . 21 Fa nagnamboatsy fitoera ho gnan'ny fiara agny aho ,zay misy gny fagnenken'i Iaveh ,zay nataony tamin'ireo razantsika fony nanday gnan-drozy niboaky bakao amin'ny tany Egyta ie. 22 Nijoro teo agnatrehan'ny alitaran'i Solomona ,teo agnatrehan'ny vondron' Israely manontolo ,sady namelatsy gny tagnany ho agny amin'ny lagnitsy . 23 Hoy ie hoe: " Ry Iaveh, Ndranagnaharin' Israely o,tsy misy Ndrnagnahary manahy anao na agny amin'ny lagnitsy agnabo na etoy an-tany ambany ,zay mità gny tsy fivadiha-pagnekeny amin'ireo mpanomponao zay mandeha eo agnatrehanao amin'ny fony manontolo; 24 Iha sady notanterahinao tamin'ny tagnanao zao ,manahaky gny androany 25 Amizao ,ry Yaveh ,Ndranagnahar' Yaveh ,tanteraho zay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mponomponao,lafa nisafa iha hoe :"Tsy ho foana aminao gny hana olo hipetraky eo amin'ny seza fiandrianan' Israely eo amasoko,laha mitandry ngy handeha eo agnatrehako gny avorohotanao,manahaky gny nandehananao teo agnatrehako. 26 Henanio ary ,ry Ndranagnaharin' I sraely,mivavaky aho mba ho tanteraky gny fampanantena nataonao tami'n i Davida raiko mpanomponao. 27 Fa tena hipetraky ety an-tany vatany va Ndranagnahary ? Ingo ,zao tontolo zao voho gny lagnitsy aza tsy da anao _mainky fa toy tempoly zay naoriko toy! 28 Kanefa mba janjigno lahy toy vavaky gny mpanomponao voho gny fangatahanao toy ,ry Iaveh Ndranagnahariko;mijanjigna gny kaiky voho gny vavaky ataon'ny mpanomponao eto agnatrehanao henanio. 29 Enga nie ka hisokatsy amy toy tempoly toy andro aman'aly gny masonao ,eo amin'ny toera zay nisafagninao hoe : "Ho ao gny agnarako voho gny fagnatrehako._' mba hinjanjignanao gny vavaky hataon'ny mpanomponao zay magnatriky toy toera toy . 30 Koa mijanjigna gny fangatahan'ny mpanomponao voho gny Israely olonao manontolo mivavaky magnatriky toy toera toy zahay .Eka ,mijanjigna bakagny amin'ny toera hipetrahanao bakagny an-dagnitsy ;sady lafa nijanjy iha,la mba mamela. 31 Laha manota amin'ny namany gny olo raiky ka tsy maintsy hampanaovy fiaigna,sady laha avy ka manao fiaigna eo agnatrehan'ny alitaranao ato amy toy tragno toy ie, 32 La mijanjigna bakagny an-dagnitsy ka miasà;tsara reo mpanomponao ,mba hagnameloky gny meloky sady hampagnody zay nataony ho eo amin'ny lohany avao ,sady hagnambara gny marina mba ho tsy manan-tsay,voho hamaly soa azy nohon'ny fahamarinany. 33 Lafa resin'ny fahavalo gny Israely olonao fotony nanota taminao,ka laha mimpoly aminao ie rozy,magnenky gny agnaranao ,mivavaky ,sady mangataky famela bakaminao ato amy toy tempoly toy. 34 La mijanjigna agny an-dagnitsy lahy sady mamelà gny fahotan'ny Israely olonao ;andeso mimpoly agny amin'ny tany zay nomenao gny razany rozy. 35 Laha mihily gny lagnitsy ka tsy misy na fotony nanota taminao gny fokonolo_laha mivavaky magnatriky toy toera toy rozy,magnenky gny agnaranao,sady miala amin'ny fahotany any lafa baka nampahorinao . 36 La mijanjigna agny an-dagnitsy sady mamelà gny fahotan'ny mpanomponao .Voho gny Israely olonao ,lafa nampianatsy an-drozy reo gny lalagna soa zay tikony harahiny iha .Mandatsaha ora eo amin'ny taninao ,zay nomenao ho lovan'ny olonao. 37 Laha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany ,na atao hoe misy areti-mandringa ,fahamainan'ny vary na maty foty ,galala na sompanga ;na atao hoe misy fahavalo manafiky gny vavahadin'ny tanà ao amin'ny tanin-drozy ,na misy loza na arety . 38 Sady atao ndraiky hoe misy vavaky voho fangataha nataon'ny olo raiky na gny Israely fokonolonao manontolo _izay samby mahay gny loza am-pony aby laha mamelatsy gny tagnany ho amy toy tempoly toy ie. 39 La mijanjigna agny an-dagnitsy lay toera hipetrahanao, mamelà sady miasà , sady valio soa gny olonao noho zay ataonao ;iha mahay gny fony ,fa iha la iha avao ro mahay gny fon'ny olombelo iaby . 40 Atavo zay mba hatahoran-drozy anao amin'ny andro iaby hiainan-drozy eo amin'ny tany nameanao gny razanay 41 Fagnapin'izay, mikasiky re vahiny zay tsy agnisan'israely fokonolona: laha avy bakany amin'ny firenena lavittsy ie nohon'ny agnaranao - 42 .Fa handre momba gny agnaranao bevata, gny tagnanao mahery, sady gny sandrinao misandratsy amin-drozy lafa avy voho mivavaky mangatriky toy rozy. 43 La mijanjigna lahy agny an-dagnitsy,zay toera hipetrahana,sady ataovo zay iaby angatahin'ilay vahiny aminao.Atavo zay mba hahaizan'ny vondron'olona manontolo eto an-tany gny Agnaranao ka hatahoran-drozy Anao,araky gny ataon'Israely olonao manoka.Ataovo zay mba hahaizan-drozy fa toy tragno zay naoriko toy la kaihy amin'ny Agnaranao 44 Lafa atao hoe mandeha miboaky hiala amin'ny fahavalo gny olonao,na ino ino fomba nandefasanao azy an-drozy,sady laha mivavaky aminao,Iaveh, magnatriky gny tanà zay voafilinao rozy, sady magnatriky gny tragno zay naoriko ho gnan'ny agnaranao. 45 La mijanjigna gny vavaky voho gny fangatahan-drozy agny an-dagnitsy ,sady omeo rariny ie. 46 Laha atao hoe manota aminao rozy ,fotony tsy misy olo tsy manota ,sady laha atao ho masiaky amin-drozy iha ka magnome an-drozy ho eo amin'ny fahavalo,ka alan'ny fahavalo ho babo ho agny amin'ny taniny rozy ,na lavitsy na marignikky . 47 Sady laha atao hoe tiaron-drozy fa agny amin'ny tany zay nanova sesin-tany azy rozy ,sady laha atao hoe mibebaky rozy ka mila sitraky aminao agny tanin'ireo nambabo an-drozy .Laha mivola roty hoe :"Fa nanday vata raty zahay . 48 Ka mimpoly aminao amin'ny fony manontolo voho gny fagnahinyb manontolo agny amin'ny tanin'ireo fahavalo zay nambabo azy rozy ,sady laha atao hoe mivavaky aminao mandrafy gny taniny ,zay nameanao gny razan-drozy ,sady manandrify gny tanà zay nofilinao rozy ,sady manandrify gny tragno zay naoriko ho gnan'ny agnaranao . 49 La nijanjy gny vavakin-drozy voho gny fangatahan-drozy famonjea ,agny an-dagnitsy ,zay toera hipetrahanao,sady hagnamaria gny raharaha ho an-drozy iha. 50 Mamelà gny olonao ,zay nanota taminao ,voho gny fahotany iaby zay nandikany gny lilinao .Miantrà an-drozy agnatrehany gny fahavalony zay nanday azy ho babo ,mba hiantran'ny fahavalon-drozy gny fokonolonao avao koa. 51 Fokonolona zay nofidinao rozy ,zay nagnavotanao bakagny Egypta manahaky bakagny tagny amin'ny fata fandrendream-by . 52 Mivavaky aho mba hisokatsy amin'ny fangatahan'ny mpanomponao voho gny fangatahan' Israely olonao gny masonao ,mba hijanjy an-drozy na mbia mbia hikaihany anao . 53 Fa navahanao teo amin'ireo fokonolon'ny tany iaby rozy mba ho anao sady handramby reo fampanantenanao ,araky gny nazavanao tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao, fony nanday gny razanay niboaky gnan'i Egypta iha ,ry tompoko Iaveh ." 54 Ka lafa baka nanao io vavaky voho fangataha iaby io tamin'i Iaveh i Solomona ,la nitsanga bakeo agnatrehan'ny alitaran'i Iaveh ie ,lafa baka nandohaliky voho namelatsy gny tagnany nanatriky gny lagnitsy . 55 Nitsanga ie sady nitso-drano gny vondron'Israely iaby tamin'ny feo mafy ,nanao hoe: 56 "rengea anie Iaveh,lay nagnome fitsahara ho gnan'Israely olony,tamin'ny fitanany gny fampanantenany iaby.Tsy nisy teny latsaky bakamin'ny fampanantena soan'i Iaveh zay nataony tamin'i Mosesy mpanompony. 57 Homba antsika anie Iaveh Ndranagnaharintsika,manahaky gny nombàny gnan'ireo razantsika. 58 Tsy hagnenga antsika anie Ie na hahafoy antsika,mba hampitongilany ho Aminy gny fontsika,mba hiay amin'ny lalany iaby voho hitandry reo lily aman-dalàny sady reo fitsipiny,zay nandidiany gnan'ireo razantsika 59 Ao reo teny zay nambarako,zay nangatahiko teo agnatrehan'i Iaveh,ho agnilan'i Iaveh Ndranagnaharintsika andro aman'aly,mba hagnomezany rariny gny mpanompony voho gny Israely olony araky zay ilany isan'andro. 60 mba ho hain'ny firenena iaby eto an-tany fa i Iaveh ,ro Ndranagnahary,sady tsy misy Ndranagnahary hafa! 61 Ka aoka ho marina amin'i Iaveh Ndranagnaharintsika gny fonareo,mba handeha eo amin'ny lalàny sady hiamby reo liliny,manahaky gny henany io 62 ka la nanolotsy soro ho gnan'i Iaveh gny mpanjaka voho reo Israely iaby nisondry taminy. 63 Nanolotsy soro fanati-pilongoa i Solomona,zay nataony ho gnan'i Iaveh ,aomby arivo voho roe aly sady aomby 12.000.ka la notakonan'ny mpanjaka voho reo fokonolon'Israely iaby gny tragnon'i Iaveh. 64 Tamin'io andro avao la natokan'ny mpanjaka agnivon'ny kianja eto agnatrahan'ny tempolin'i Iaveh ,fa teo ro nanolorany gny fagnatitsy oroa ,gny fagnatitsy vary ,sady tavin'ny fanati-pilongoa,fotony kely marè laha handrambesa gny fagnatitsy oroa ,gny fagnatitsy hohany ,sady gny tavin' ireo fagnati-pilongoa gny alitara varahina zay teo agnatrehan' i Iaveh. 65 Ka nataon'i Solomona ,mbamin'ireo Israely iaby niaraky taminy ,zay fivondronam-be,hatragny lebo-hamata ka hatragny amin'ny lohasohan-driak'i Egypta, teo agnatrehan'i Iaveh Ndranagnaharintsika nandritra gny fito andro sady nandritra gny fito andro hafa koa ,zay mira folo efatsamby andro gny fety tamin'io fotoa io . 66 sady tamin'ny andro fahavalo la nampoly reo fokonolo ie,sady nitso-drano gny mpanjaka rozy ka noly tagny an-tragnony tamin'ny fo mazotozoto voho falifaly nohon'ny amin'ny fahasoava iaby nasehon'i Iaveh tamin'i Davida mpanompony ,sady tamin' Israely olony .