Chapter 3

1 Nanao dina tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta tamin'ny alalan'ny fanambalia i Solomona. Nangalaky gny anankapelan'i Farao ie sady nanday azy tao amin'ny tanàn'i Davida mandram-pahavitany nagnory gny tragnony manoka, gny tragnon'i Yaveh, sady gny manda magnolily gnan'i Jerosalema. 2 Tegny amin'ireo toera agnabo ro nanovan'ireo olo soro, fotony mbo tsy nisy tragno niory ho gnan'ny agnaran'i Yaveh. 3 Naneho gny fitiavany gnan'i Yaveh i Solomona tamin'ny fandehana araky gny lalàn'i Davida rainy, laha tsy zay nanovany soro voho nandoro ditin-kazo magnitsy tegny amin'ireo toera agnabo ie . 4 Nagnagny Gibeona gny mpanjaka mba hanao soro tegny, fotony abo bevata io. Nanolotsy fagnatitsy oroa arivo teo agnabon'io alitara io i Solomona. 5 Tao Gibeona la niseho tamin'ny nofy tamin'i Solomona Yaveh lafa haly; hoy ie hoe:"Angataho! ino ro tokony homeko anao?. 6 Ka hoy i Solomona hoe: " Iha fa naneho tsy fivadiam-pagnenkea bevata tamin'ny mpanomponao, la i Davida raiko, fotony nandeha teo agnatrehanao tamin'ny fahamendreham-po tamin'ny fahamarina, sady tamin'ny fahitsim-po ie. Nitananao gnazy toy tsy fivadiam-pagnenkea bevata toy sady nomenao anakilahy hipetraky eo amin'ny seza fiandriana ie amizao. 7 Amizao ry Yaveh Ndranagnahariko, fa nanao gny mpanomponao ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Davida raiko iha, ndra la mbo aja aza aho. Ka tsy haiko hoe atao akory gny fomba hiboaha na hilira. 8 Gny mpanomponao la eo agnivon'ireo olo zay nofilinao, fokonolo maro, maro tsy hay isahy na tsy voaisa. 9 Ka omeo gny mpanomponao gny fahazavam-po hitsara gny olonao, mba hahafahako magnavaky gny soa voho gny raty. Fa ia moa ro mahay mitsara zao fokonolo maro marè zao? 11 La hoy Ndranagnahary taminy hoe: "Fotony fa nangataky io raha io iha sady tsy nangataky ho gnan'ny vatanao mba ho mba ho lava andro hiaigna na haregna na ny ian'ireo fahavalonao, fa nangataky fahazavan-tsay ho gnan'ny tenanao mba hamantara gny rariny. 12 Ingo, amizao hataoko zay iaby nangatahinao tamiko lafa nameanao. Ahy gny fangatahanao. Omeo fo hendry voho mahay iha, mba gny hisy ho manahaky anao talohanao, sady tsy hisy manahaky anao hintsanga afaranao. 13 Fa nomeko ao avao koa zay tsy nangatahinao, la gny hanagna voho gny voninahitsy,mba tsy hisy hanahaky anao eo amin'ireo mpanjaka amin'ny andronao iaby. 14 Laha handeha araky gny lalako iha ka hitandry reo lalàko voho reo liliko, manahaky gny nandehanan'ny sainao, la hagnalava gny andronao aho." 15 La nifoha i Solomona, sady ingo, nofy zao, avy tao Jerosalema ie sady nitsanga nagnatriky gny fiaran'ny fanenken'ny tompo. Nagnatitsy fagnatitsy oroa voho fagnati-pilongoa ie, sady nanao fanasa ho gnan'ireo mpanompony iaby. 16 La nisy ampela roe zay mpivaro-tena avy teo amin'ny mpanjaka sady nitsanga teo agnatrehany. 17 Hoy lay ampela raiky hoe: " O, ry tompoko, zaho voho toy ampela toy miaro tragno, sady nitera aja tao amin'io tragno niarahako taminy aho 18 Sady tamin'ny andro fahatelo tafaran'ny niterahako la niteraky koa toy ampela toy. Niaraky zahay. Tsy nisy olo hafa niaraky taminay tan-tragno tao, fa zahay roe avao. 19 Bakeo maty gny anakilahin'ny toy ampela toy, fotony voatindriny ie. 20 Ka nitsanga ie tamin'ny vakimirohaky sady nangalaky gnanako lahy bakeo agnilako, laha mbo nataony gny mpanomponao, sady nametraky azy tantratrany teo, voho nametraky gnanany lahy tantratrako teo. 21 Lafa nifoha hampinono gny anko aho gny maray, la fa maty ie. Fa lafa nanenty gnazy soa aho gny maray, la tsy anako, zay naterako ie." 22 Fa lay ampela raiky nivola hoe:' Tsia ,lay velona ro anako, voho raiky maty ro anakao." Lay ampela voalohany nivola hoe:" Tsia, lay maty ro anakao, fa gny raiky velo ro anako." Io gny fomba noresahin-drozy teo agnatrehan'ny mpanjaka." 23 La hoy gny mpanjaka hoe:" GNy raiky taminareo milaza hoe:' Toy velo toy ro anako, fa lay maty ro anakao, sady gny raiky milaza hoe:" Tsia, lay maty ro anakao, fa lay velo ro anako." Hoy gny mpanjaka hoe:" Agnandeso sabatsy aho." Ka nandesin-drozy teo agnatrehan'ny mpanjaka gny sabatsy. 25 Sady hoy gny manjaka hoe:" Zarao roe gny zaza velo, sady omeo gny raiky gnyantsasany voho omeo gny raiky gny antsasany." 26 Sady lay ampela zay velon-janaky niresaky tamin'ny mpanajaka, fa feno fangoram-po ho gnan'ny anany gny fony, sady hoy ie hoe:" O, ry tompoko, omeo azy gny zaza velo, sady tsy midika zay hoe mamaono azy.a' Fa hoy la ampela raiky:" tsy ho gnahy na ho gnanao zao ie. Zarao ie." 27 Bakeo namaly gny mpanjaka ka nisafa hoe:" Omeo lay ampela voalohany gny zaza velo, sady tsy midika io hoe mamaono azy. Fa ie ro reniny." 28 Lafa ren'Israely manontolo gny fitsara zay nataon'ny mpanjaak, la natahotsy gny mpanjaka rozy, fotony hitan-drozy fa tao aminy gny fahendren-Dranagnahary handesiny mitsara.