Toko faha 21

1 Afaky fotoa kely tatoy afara, nana tanim-boaloboky tao Jezirela i Nabota lay Jezirelita, teo agnilan'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria. 2 Niresaky tamin'i Nabota i Ahaba nanao hoe:' Omeo ahy gny tanim-boalobokao, mba ho zaridaina legiomako io, fotony agnilan'ny tragnoko. Ho takalon'io, homeako tanim-boaloboky soasoa mare iha, na laha tianao, la hameako drala sandan'io iha. 3 Nabota namaly gnan'i Ahaba hoe:" Ho raran'i Yaveh anie zay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao." 4 Ka la nandeha tao amin'ny lapan'ny lapany tamin-keloky sady hasorena i Ahaba nohon'i valin-tenin'i Nabota lay Jezerelita azy hoe:" Tsy homeko gnnao gny lovan'ireo razambeko." Nandry nitselagny teo am-pandriany ie, nagnody gny vatany, sady tsy nety nihinan-kany ie. 5 Jezebela valiny nandeha aminy ao sady nanao taminy hoe:" Nagnino ro malahelo loatsy gny fonao, io va tsy hihinananao hany io?" 6 Namaly gnazy ie hoe:" Niresaky tamin'i Nabota lay Jezerelita aho sady nanao taminy hoe:" Omeo ahy gny tanim-b oalobokao atakaloko drala, na laha tianao la hameako tanim-boaloboky hafa ho gnanao iha. Sady namaly ie hoe:" Tsy hameako gnanao gny tanim-boaloboko." 7 Sady Jezebela valiny namaly azy hoe:" Fa tsy mbo manapaky gny fanjakan'ny Israely va iha? Mitsangana sady misakafoana, ao ho faly gny fonao. Halako ho gnanao gny tanim-boalobok'i Nabota lay Jezerelita." 8 Sady Jezebela nanoratsy taratasy amin'ny agnaran'i Ahaba, notombohany tamin'ny tombo-kase io, voho nalefany tagny amin'ireo loholo voho reo mpanan-draha zay nipetraky taminy tao amin 'ny fihaogna, sady reo zay nipetraky agnilan'i Nabota. 9 Nosoratany tao amin'ny taratasy hoe:" Magnambara fifalian-kany sady apetraho agnabon'ny olo i Nabota. 10 Mametraha koa olo tsy marina roa miaraky amin y ka ao rozy hiampanga azy hoe:' Nagnozo gnan-Dranagnahary voho gny mpanjak iha." Sady aboaho ie ka toraho vato ho maty. 11 Ka nanao zay nifariparitan'i Jezebela tamin-drozy , araky gny voasoratsy ao amin'ny taratasy zay nalefany ho gnan-drozy gny joharyn'ny tanany, reo loholo voho gny mpanan-draha zay nipetraky tao amin'ny tanan'i Nabota. 12 Nagnambara fifalian-kany voho nametraky gnan'i Nabota teo agnabon'ny olo rozy. 13 Nilitsy reo johary tsy marina roe sady nipetraky teo agnatrehan'i Nabota; niampanga gnan'i Nabota teo amin'ny fagnatrehan'ny olo rozy,ka nanao hoe:" Nagnozo gnan-Dranagnahary voho gny mpanjaka i Nabota." Sady nandesin-drozy niboaky gny tana ie ka notoraham-bato ho maty. 14 Bakeo reo loholo la nandefa safa tagny amin'i Jezebela nanao hoe:" Notoraham-bato i Nabota ka maty." 15 Sady lafa ren'i Jezebela fa notoram-bato i Nabota ka maty, la hoy ie tamin'i Ahaba:" Mitsangana sady alao ho fanagnanao gny tanim-boalobok'i Nabota lay Jezerelita, zay nanda gny hagnome gnanao gny drala ho sandany, fotony fa tsy velo sasy i Nabota, fa maty." 16 Lafa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, la nitsanga ie sady nandeha tagny amin' ny tanim-boalobok'i Nabota lay Jezerelita sady nangalaky gnan'io ho fanagnany. 17 Sady avy tamin'i Elia lay Tisbita gny safan'i Yaveh manao hoe:' 18 " Mitsangana sady mandehana mamonjea gnan'i Ahaba mpanjakan'Israely, zay mipetraky agny Samaria. Ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota ie, agny amin'izay nandehanany mba halany ho fanagna. 19 Tsy maintsy miresaky aminy iha sady lazao hoe zao ro lazain'i Yaveh:" sady fa namono va iha ro sady mbo mangalaky ho fanagnanao koa? Sady holazainao azy hoe zao ro lazain'Yaveh:" Eo amin'ny toera zay nilelafan'ny alika gny ran'i Nabota, ro hilelafan'ny alika gny ranao koa, eka, gny ranao." 20 Hoy i Ahaba tamin'i Elia:" Fa nahita ahy va iha, ry fahavaloko? la namaly i Elia hoe:" Fa hitako iha, fotony fa namarytsy gny vatanao mba hanao zay raty eo amason'i Yaveh iha. 21 Zao ro lazainYaveh aminao:" Ingo, handay loza eo aminao voho hanimba tanteraky sady hamongotsy eo aminao gny anaky lahy manontolo voho gny andevo sady johary afaky ao Israely Aho. 22 Hataoko manahaky gny avorohotan'i Jeroboama anakilahi'i Nebata gny avorohotanao, sady manahaky gny avorohotan'ny Basa anaky lahin'i Ahia, fotony nampirehetinao fahatezerako sady nampanontanao gny Israely." 23 Yaveh avao koa la niresaky momban'i Jezebela hoe:" Hihina gnan'i Jezebela eo agnilanan'ny mandan'ny Jezirela gny alika." 24 Zay gnan'i ahaba manontolo ka maty tao an-tana, la hohanin'ny lika; sady reo voro egny amin'ny lagnitsy hihina reo iaby maty an-tsaha." 25 Tsy nisy olo manahaky gfnan'i Ahaba, zay namarotsy gny vatany mba hanao zay raty eo amason'i Yaveh, zay nampirisin'i Jezebela valiny hanonta. 26 Nanao asa vetaveta ho gnan'ny sampy arahiny i Ahaba, manahaky zay iaby fa nataon'ireo Hamorita, reo zay nalan'iu Yaveh teo agnatrehan'ny olon'ny Israely. 27 Lafa ren'i Ahaba reo teny reo, la nanataky gny akanjony ie sady nanao akanjo fisaogna ka nifaly hany, sady nandry tamin'ny akanjo fisaogna voho tena nalahelo mare. 28 Sady avy tamin'i Elia lay Tisbita gny safan'i Yaveh hoe:" 29 Hitanao va gny fanetre-tenan'i ahaba eto agnatrehako? Fotony manetsy gny tenany ato agnatrehako ie< la tsy handay gny loza fa ho avy amin'ireo androny Aho; amin'ny andron'ny gnanany lahy ro hagnandesako loza eo amin'ny longony."