Chapter 15

1 Tamin'ny tao faha folovaloamby nanjakan'i Jeroboama anaky lahin'i Nebata,la nanomboky nanjaka teo amin'i Joda i Abia. 2 Nanapaky telo tao tao Jerosalema ie.Imaka ro agnaran'ny reniny.Anaka ampelan'i Absaloma ie. 3 Nandeha tamin'ny fahota iaby zay nataon-drainy talohan'ny fotoany ie;gny fony la tsy mba voatoka ho gnan'i Iaveh Ndranagnahariny manahaky gny fon'i Davida,razambeny. 4 Na zay aza,noho ny amin'i Davida,Iaveh Ndranagnahariny la nagnome fanilo azy tagny Jerosalema tamin'ny alalan'ny fananganany gny anany handimby azy mba hampantanjaky gnan'i Jerosalema. 5 Nataon-Ndranagnahary io fotpny Davida la nanao gny marina teo amasony;nandritra gny andro iaby niaignany,tsy mba nivily tamin'izay iaby nandidia azy ie,afa tsy tamin'ny raharahan'Oria lay Hetita avao. 6 Sady nisy aly teo amin'i Rehoboama voho Jeroboama nandritra gny androm-piaignan'i Abia manontolo. 7 Gny amin'ny reo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Abia;la zay nataony iaby,moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjaka joda va reo? Nisy aly teo amin'i Abia voho Jeroboama. 8 Nimaty niaraky tamin'ireo razambeny i Abia,sady la nalevin-drozy tagny amin'ny tanàn'i Davida ie.Asa anany ro lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 9 Tamin'ny faharoapolo tao nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely,la nanomboky nanjaka teo amin'i Joda i Asa. 10 Nananmpaky nandritra gny efapolo raikamby tao tao Jerosalema ie.Imaka ro agnarany razany ampela,lay anakapelan'i Absaloma. 11 Nanao gny marina teo amason'i Iaveh i Asa,manahaky zay nataon'i Davida razambeny. 12 Niroasiny tsy ho amin'ny tany reo johary mpinjanganjanga amin'ny fanompoan-tsampy sady nalany reo sampy zay namboarin'ireo razambeny. 13 Nalany tamin'ny maha mpanjaka ampela azy koa i Maka,razany ampela,fotony ie nagnamboatsy sampy mampangaroharo bakamin'ny baon'i Ashera.Noravan'i Asa lay sampy mampangaroharo ka noroany tagny an-Dohasahan-driaky Kidrona. 14 Fa reo fitoera abo tsy mba nalany.Na zay aza,ny fon'i Asa la voatoka ho gnan'i Iaveh tanteraka nandritra gny androny manontolo. 15 Nandesiny ho agny an-tragnon'i Iaveh gny raha zay voatokan'ny rainy,voho reo rahany zay voatoka vita tamin'ny volafoty voho volamena, voho reo fanahy. 16 Nisy aly teo amin'i Asa voho i Basa mpanjakan'ny Israely ,tamin'ny andron-drozy iaby. 17 Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nananga gnan'i Rama,mba tsy hamelany gny olo hiala na hilitry ao amin'i tamin'i Asa mpanjakan'i Joda. 18 Sady la nalan'i Asa gny volafoty voho gny volamena iaby sisa tao amin'ireo efitsy fagnajaria tao amin'i Yaveh,voho reo efitsy fagnajarian'ny lapan'ny mpanjaka.Nataony teo an-tagnan'ireo mpanompony sady nampagnateriny ho gnan'i Beni-hadada anaky lahin'i Tabrimoma anaky lahin'i Heziona,mpanjakan'i Syria,zay nipetraky tagny Damaskosy io.Hoy ie. 19 Aoka hisy fifanenkea amiko voho aminao,manahaky zay nisy teo amin'ny raiko voho rainao.Ingo,fa nampagnatitsy volafoty voho volamena ho fagnomeza ho gnanao aho.Ravao gny fagnenkenao voho Basa mpanjakan'Israely,mba hialany amiko. 20 Nijanjy gnan'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa reo mpifehy gny tafiny,sady la nanafiky gny tanin' Israely rozy.Nanafiky gnan'i Lona,Dana,Abelabeti-maka,sady gny Kinerota iaby,niaraky tamin'ny tanin'i Naftaly iaby rozy. 21 Sady lafa ren'i Basa io la najanony gny fanangana gnan'i Rama sady nimpoly tagny Tirza ie. 22 Sady la nanao fagnambara teo amin'i Joda manontolo i Asa mpanjaka.Tsy nisy na raiky niala. Nalan-drozy iaby reo vato gny hazon'ny Rama zay nagnoregnan'i Basa gny tanà.Sady la nampiasan'i Asa mpanjaka io fitaova fagnamboara io mba hanangana gnan'i Geban'i Benjamina voho Mizpa. 23 Gny amin'ireo raharaha hafa mahakasiky gnan'i Asa,gny heriny iaby,zay nataony iaby.reo tanà naoriny iaby ,moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve reo? Kanefa nandritra gny androm-pahanterany la narary tamin'ny tombony ie. 24 Sady nimaty niaraky tamin'ireo razamben'i Asa ka la nalevy niaraky tamin-drozy tao amin'ny tanàn'i Davida.I Josafata anany lahy ro lasampanjaka nandimby azy. 25 Nadaba anaky lahin'i Jeroboama nanomboky nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny tao faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,nanjaka tamin'ny Israely nandritra gny roe tao ie. 26 Nanao zay raty teo amason'i Iaveh ie sady nandeha tamin'ny lalan-drainy,voho tamin'ny fahotany,zay nitarihany gny Israely hanonta. 27 Basa anaky lahin'i Ahia,avy amin'ny fianakavian' Isakara,nikomy gnan'i Nadada,novonoan'i Basa tao Gibetona,zay gnan'ireo Filistina ie.Fotony Nadada voho gny Israely iaby nanao fahirano tagny Gibetona. 28 Tamin'ny tao fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,la nagnome gnan'i Nadaba i Basa ka lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 29 Laha vo lasa mpanjaka ie,la novonoin'i Basa gny avorohotan'i Jeroboama manontolo tsy nisy nengany gny ain'ny taranak'i Jeroboama;io fomba io ro nandringa gny avorohotan'ny mpanjaka,araky zay nambaran'i Iaveh tamin'i Ahia Silonita mpanompony, 30 noho reo fahotan'i Jeroboama zay nataony voho gny nitarihany Israely hanonta,fotony nihantsy gny fahatezeran'i Iaveh,lay Ndranagnaharin'ny Israely ie. 31 Gny amin'ny raharaha hafa mahakasiky gnan'i Nadada,voho zay nataony iaby,moa tsy fa voasoratsy ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely va reo? 32 Nisy aly teo amin'i Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron-drozy manontolo. 33 Tamin'ny tao faha telo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda,la nanomboky nanjaka teo amin' Israely iaby tagny Tirzy i Basa anaky lahin'i Ahia sady nandritra gny roapolo efatsamby tao ie. 34 Nanao zay raty teo amason'i Iaveh ie sady nagnaraky gny fomban'i Jeroboama voho gny fahatany gny nitarahany gny Israely hanonta.