Toko faha 12

1 La nagnagny Sekema i rehoboama,fotony gny Israely iaby ro avy tao Sekema mba hanao gnazy ho mpanjaka. 2 Nahare anio Jeroboama anakilahin'i Nebata (fa ie mbo tagny Egypta,tany amin'izay nitsoahany ny fagnatrehan'i Solomona Mpanjaka),fotony Jeroboama nipetraky tao Egypta. 3 Sady nampagniraky voho nikaiky an-drozy,sady Jeroboama voho reo fiangonan'ny Israely iaby avy sady nisafa tamin'i Rehoboama hoe:"nataon'ny rainao mavesatsy gny ziogany.Ka hamaivagno gny asa maherin'ny rainao,sady hamaivagno gny zioga mavesatsy zay nampagnandesiny anay,la hanompo anao zahay " 5 REhoboama nivola tamin-drozy hoe :"Mandehana agnatiny telo andro sady mimpolia amiko atoy."ka nandeha gny fokonolo. 6 Nila hevitsy tamin'ireo johary zokiolo nagnatriky gna'i Solomona rainy taminy ie mbo velo i Rehoboama Mpanjaka,sady hoy ie hoe:"Ino ro torohevitsareo ho gnahy mba hamaliako fokonolo reo?" 7 Nivola tamin-drozy sady nana hoe:"Laha ho mpanompon'ny fokonolo reo iha hanompo an-drozy,sady hamaly an-drozy amin'ny vola soa,la ho mpanomponao mandrakariva rozy." 8 Fa tsy nahoan'i Rehoboama gny torohevitsy zay namean'ny zokiolo gnazy sady nila hevitsy tamin'ireo tovolahy zay niaraky be taminy voho nagnatriky azy. 9 Hoy gnataony tamin-drozy hoe :"Ino torohevitsy omenareo ahy zay mety havalintsika reo fokonolo zay niresaky voho nivola tamiko hoe :"Hamaivagno gny zioga zay napetraky gny rainao taminay?" 10 Reo zatovolahy zay niara-bevata tamin'i Rehoboama nivola taminy sady nanao hoe:"Miresaha amin'ireo fokonolo zay nivola taminao fa i Solomona rainao la nanao gny ziogan-drozy ho mavesatsy kanefa iha tsy maintsy hagnamaiva an'io.Tokony hisafa amin-drozy iha hoe:"gny ankihikeliko la bevata noho gny valahan'ny raiko. 11 ka henany zao,ndra la nampagnandesy zioga mavesatsy gnanareo aza gny raiko,la mbo hagnampy gny zioganareo aho.Gny raiko nagnentsaky anareo tamin'ny karavasy fa zaho koa hagnetsaky anareo amin'ny maingoka." 12 Ka avy tagny amin'i Rehoboama tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama voho gny fokonolo iaby,araky gny nandidian'ny mpanjaka lafa nivola ie hoe :"Mimpolia agnamiko eto amin'ny andro fahatelo." 13 Gny mpanjaka namaly gny fokonolo tamin'ny vola mare sady nandà gny torohevitsy zay namean'ireo zokiolo azy. 14 Niresaky tamin-drozy araky gny torohevitsy reo zatovolahy;hoy ie hoe:"Nampanday anareo zioga mavesatsy gny raiko,kanefa mbo hagnampy gny zioganareo aho.Nagnetsaky anareo tamin'ny karavasy gny raiko,fa zaho koa hagnentsaky anareo amin'ny maingoka." 15 Sady la tsy ninjanjy gny fokonolo gny mpanjaka ,fa bakamin'i Iaveh io raha io,mba hahafahany magnatanteraky gny safany zay nolazainy tamin'ny alalan'i Ahia lay Silonita tamin'i Jeroboama anakilahin'i Nebata. 16 Lafa hitan'ny Israely manontolo fa tsy nijanjy an-drozy gny mpanjaka,la namaly azy gny fokonolo sady nanao hoe :"Ino ro mba anjaranay ao amin'i Davida?Tsy mana lova ao amin'ny anakilahin'i Jese zahay! Mandehana agny an-dainareo,ry Israely.Aminizao henteo gny avorohotanao,ry Davida." La nimpoly tagny an-dainy gny Israely. 17 Fa reo fokonolon'Israely zay nipetraky tao an-tanan'i Joda,la i Rehoboama ro lasa mpanjakan-drozy 18 Sady i Rehoboama Mpanjaka nagniraky gnan'i Adorama,zay nifehy mpiasa an-terivozo,fa gny Israely iaby nitora-bato azy ka maty ie.Rehoboama mpanjaka nandositsy malaky tagny Jerosalema niaraky tamin'ny kalesiny. 19 Nohon'io la nikomy gny Israely tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany. 20 Lafa rèn'ny Israely manontolo fa nimpoly i Jeroboama la nampagniraky nampiantso azy ho ao amin'ny fivorian-drozy,sady nanao azy ho mpanjakan'ny Israely manontolo.Tsy nisy olo ndra raiky aza nagnaraky gny avorohotan'i Davida,afa tsy gny fokon'i Joba raiky avao. 21 Lafa avy tao Jerosalema Rehoboama, la namory reo avorohotan'i Joda voho reo fokon'i Benjamina iaby,nisy lehilahy voafidy 180.ooo zay miaramila,mba hialy amin'ny avorohotan'ny Israely ,mba hampimpoly gny fanjakan'i Rehoboama anakilahin'i Solomona. 22 Fa gny tenin-dranagnahary avy tamin'i Semaia,lay lehilahin-dranagnahary;voalaza hoe :" 23 Agnambarao i Rehoboama anakilahin'i Solomona,mpanjakan'i Joda,gny taranak'i Joda voho Benjamina iaby,sady reo olo ambiny manontolo;lazao hoe: 24 "Zao gny safan'i Iaveh:ka manafiky na mialy amin'ny rahalahinao fokonolon'Israely iha.Gny lehilahy kirakiraiky la tsy maintsy mimpoly agny amin'ny tragnony,fotony Bakamiko raha henany zao."La nijanjy gny safan'i Iaveh rozy,sady nimpoly voho nandramby gny lalany,sady nankatò gny safany rozy 25 Sady Jeroboama nagnory gnan'i Sekema teo amin'ny tany Efraima,sady nipetraky teo.Niboaky bakao ie sady nagnory gnan'i Pehoela. 26 Jeroboama nanao anakam-po hoe:"Himpoly ho gnan'ny taranak'i Davida gny fanjakana henanio. 27 Laha miakatry mba hanao soro ao amin'ny tempolin'i Iaveh ao Jerosalema reo fokonolo reo,la himpoly amin'ny tompon-drozy,la amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda ndraiky gny fon'ireo fokonolo reo.Hamono ahy rozy ka himpoly amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda." 28 Sady rehoboama mpanjaka nila hevitsy sady nagnamboatsy anak'aomby volamena roe ;la hoy ie tamin'ny vahoaka :"sarotsy ho gnanareo gny hiakatsy ho agny Jerosalema.Ingo,reto gny ndranagnaharinareo,ry Israely,zay nanday anareo niakatsy niala gny tany Egypta." 29 Napetrany tao Betela gny raiky sady lay hafa tagny Dana. 30 Sady la fahota io fihetsiky io.Gny fokonolo nandeha tamin'ny raiky ndra lay hafa,tamin'ny lala iaby magnagny Dana. 31 Jeroboama nagnory reo tragno tamin'ny toera abo sady nanendry mpisoro bakamin'ireo fokonolo iaby,zay tsy avy teo amin'ireo anakilahin'i Levy avao koa ie. 32 nanendry andro firavoravoa i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo,tamin'ny andro faha folo limiamby vola,manahaky lay firavoravoa zay agny Joda,sady niakatsy tegny amin'ny alitara ie.Tagny Betela ro nanaovany io,nanao soro tamin'ny anak'aomby zay namboariny,sady napetrany tagny Betela reo mpisoro tao amin'ny toera abo zay nataony. 33 Niakatsy tagny amin'ny alitara namboariny tao Betela i Jeroboama tamin'ny andro faha fololimy amby tamin'ny vola fahavalo,tamin'ny vola zay heverin'ny sainy manoka ,nanendry andro firavoravoa ho gnan'ny fokonolon'Israely ie,sady niakatsy tagny amin'ny alitara mba handoro ditin-kazo magnitsy