Chapiter 11

1 Sady i Solomona mpanjaka la nitia ampela maro: lay anakapelan'i Farao voho reo ampelan'i Moabita,Amonita,Edomita,Sidoniana,sady reo hetita. 2 Reo firenena voakasik'izay nolazain'i Yaveh tamin'ireo fokonolon' Israely hoe: "Tsy handeha amin -drozy eo iha hanambaly,na rozy hoaminao eo,fotony rozy la hampitoliky gny fonao amin'ireo Ndranagnaharin-drozy tokoa. "kanefa i Solomona tia gnan'ireo ampela reo. 3 Nana valy ampela fitonjato voho valitsindranotelonjato i Solomona.Nampitoliky gny fony reo ampela reo. 4 Fa lafa niha antitsy i Solomona,la nampitoliky gny fony tamin'ireo ampela valiny:fa tsy tena nanali m-po tanteraky tamin'i Iaveh Ndranagnahariny ie ,manahaky gny fon'i Davida rainy. V 5 Fa i Solomona la nagnaraky gnan'i Astarta, lay ampelan'ireo Sidoniana,sady nagnaraky gnan'i Milkoma ie,lay sampy vetavetan'ireo Amonita. 6 Nanao zay raty teo amason'i Yaveh i Solomona;tsy nagnaraky tanteraky gnan'i Yaveh ie,manahaky nataon'i Davida rainy. 7 Sady nananga tanà abo ho gnan'i Kemosy i Solomona,lay sampy vetavetan'i Moaba,teo amin'ny havana antignanan'iJerosalema,sady ho gnan'i Moloka avao koa,lay vetavetan'ny fokonolon'i Amona. 8 Nananga toera abo avao ndraiky ie ho gnan'ireo valiny vakiny iaby,zay nondoro ditin-kazo magnitsy voho nanao soro ho gnan'ireo Ndranagnaharin'ireo tamin'ireo. 9 Nasiaky tamin'i Solomana i Yaveh,nohon'ny nivalin'ny fony niala taminy,lay Ndranagnaharin'Israely ,ndra la niseho taminy indroe azy ie 10 sady nandidy azy mahakasiky io raha io vatany,fa tsy tokony hagnaraky reo Ndranagnaraky ie. Fa i solomona la tsy nankato zay lilin'i Yaveh. 11 Nohon'io la hoy i Yaveh tamin'i Solomona : "Fotony nanao io iha sady tsy nità gny fagnenkem-pilongoa voho reo lalàko zay nandidiako anao,la ho alako aminao tokoa gny fanjaka sady homeko gny mpanomponao. 12 Kanefa,nohon'ny amin'i Davida rainao,la tsy hanao io amin'ny androm-piainanao iaby aho,fa hangalakan'io amin'ny tagnan'i anakao. 13 Tsy mbo nangalaky gny fanjaka iaby aminao aho ;fahagnome foko raiky ho gnan'ny anakao nohon'ny amin'i Davida,voho nohon'ny amin'i Jerosalema,zay nofiliko." 14 L a nananga fahavalo raiky ho gnan'i Solomona i Yaveh ,la i Hadada lay Edomita.Bakamin'ny fianakavian'i Edoma ie. 15 Lafa tao Edoma i Davida ,la niakatsy mba handevy gny maty i Joaba lay lehiben'ny tafiky,gny olo iaby zay voavono tao Edoma. 16 Nipetraky tao nandritra gny enim-bola i Joaba voho reo Israely iaby mandra-pahavoavono gny johary iaby tao Edoma. 17 Fa i hadada la nalan'ireo mpanompon'ny rainy tao Egypta niaraky tamin'ireo Edomita hafa,fotony i hadada la mbo aja johary kely. 18 Niala tao Midiana rozy sady avy tao Parana,zay nangalan-drozy reo olo miaraky aminy ho agny Egypta,ho agny amin'i farao mpanjakan'i Egypta,zay nagnome tragno voho tany sady hany gnazy. 19 Nahita sitraky bevata teo amason'i Farao i Hadada ,ka nomen'i Farao valy ie. La gny rahavavin'ny valiny,lay rahavavin'i Tapanesa mpanjakavampelany. 20 Niteraky johary tamin'i Hadada lay rahavavin'i Tapanesa.Nomean-drozy agnara hoe Genobata ie.Natsangan'i tapanesa tao amin'ny lapan'i Farao ie.ka nipetraky tao amin'ny lapan'i Farao teo amin'ireo anak'i Farao i Genobata. 21 Laha mbo tao Egypta ie,la nahare i Hadada maty agny amin'ireo razany i Davida sady i Joaba lay kapitenin'ny miaramila la maty,hoy i Hadada tamin'i Farao:"Engao aho handeha,mba ho afaky ho agny amin'ny fireneko." 22 La hoy ie Farao taminy:Fa ino ro tsy anpy anao eto amiko,ro ilanao ho agny amin'ny firenenao agny henanizao?"La namaly i Hadada hoe:"Tsy misy.Mba engao handeha lahy aho." 23 Nananga fahavalo hafa ho gnan'i Solomona ndraiky ka Ndranagnahary,la i Rezona anak'i Eliada,zay nilay gnan'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompony. 24 Namory olo ho gnazy i Rezona ka lasa kapiteny tafiky kely ie,lafa nandresy gny olon'i Zoba i Davida.reo lehilahin'i Rezona la nagnagny Damaskosy sady nipetraky tagny,ka nofehezin'i Rezona i Damaskosy. 25 Fahavalon'Israely ie nandritra gny andron'i Solomona manontolo,niaraky tamin'ny koronta zay nataon'i Hadada.Nalay gnan'i Israely i Rezona sady nanjaka teo amin'i Arama. 26 sady i Jeroboama anak'i Nebata,Efraimita bakagny Zareda,manam-pahefan'i Solomona,zay zeroa ro agnaran-dreniny,mpitondrantena raiky,la nangalaky gny tagnany tamin'ny mpanjaka avao koa. 27 Gny antony nanganany gny tagnany tamin'ny la fotony nagnory toera tao Milo voho nagnamboatsy gny varavagnan'ny mandan'ny tananan'i Davida babany i Solomona 28 Jeroboama la lahilahy raiky mahery.Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa ie,ka nameany alala nibaiko reo asa iaby tao amin'ny tragnon'i Josefa. 29 Tamin'io fotoa io,lafa niboaky gnan'i Jerosalema i Jeroboama,la nahita azy tegny amin'ny lala i Ahia Silonita mpaminany .Sady niakanjo vaovao i Ahia sady ie roalahy la raiky tao am-baibo. 30 Sady nangalaky gny akanjo vaovao zay tegny aminy i Ahia ka nizara foloroamby io. 31 Hoy ie tamin'i Jerosalema; "Mangala tapatapany folo,fa i Iavev ,lay Ndranagnaharin'i Israely ,nivola hoe: "Ingo,hangalaky gny fanjaka eo amin'ny tanin'i Solomona aho ka hagnome foko folo ho gnanao 32 (fa i Solomona la hana foko raiky,nohon'ny amin'i Davida voho nohon'ny amin 'i Jerosalema lay tanà zay nifiliko tamin'ireo fokon'i Israely iaby) 33 Ftony nahafoy ahy rozy sady nanompo gnan'i Astarta lay Ndranagnahari-ampelan'ireo Sidoniana ,Kemosy lay Ndranagnaharin'i Moaba ,sady Moloka lay Ndranagnahary gny fokonolon'i Amona.Tsy nandeha tamin'ny lalako rozy,mba hanao zay marina eo amasoko, voho hitandry reo lalàko voho reo liliko,manahaky gny nataon'i Davida rainy. 34 Kanefa ,tsy manahaky gny fanjaka raiky manontolo amin'ny tagnan'i Solomona aho.Fa koa ,nanao azy ho mpanampaky amin'ny andro iaby hiaignany,nohon'ny amin'i Davida mpanompoko zay nofiliko,lay raiky zay nitandry reo liliko voho reo lalàko 35 Fa hangalaky gny fanjaka eo an-tagnan'ny gnanany aho ka hagnome an'io ,la reo foko. 36 Hagnome foko raiky ho gnan'ny anak'i Solomona aho,mba hana fanilo mandrakariva eo agnatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko ,tanà zay nofidiko mba hasiany gny agnarako. 37 Hangalaky anao aho,ka hapaky iha mba hanantanteraky zay iaby irinao ,la ho mpanjaka eo amin'Israely iha. 38 Laha mijanjy zay handidiako anoa iaby iha ,sady laha mandeha amin'ireo lalako voho manao zay marina eo imasoko,mba hitandry reo lalàko voho gny liliko,manahaky gny nataon'i Davida mpanompoko,la hiaraky aminao aho sady hananga tragno azo antoky ho gnanao,manahaky gny nananganako ho gnan'i Davida ,sady hagnome anao gnan'Israely aho. 39 Hagnasazy reo taranak'i Davida aho,fa tsy hp mandrakizay ." 40 Ka nikasa gny hamono gnan'i Jeroboama i Solomona .Fa i Jeroboama niakatsy sady nandositsy tagny Egypta,tagny amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta la nijano tao Egypta ie mandra-pahafatin'i Solomona 41 Laha gny amin'ny raharaha hafa mikasiky gnan'i Solomona ,zay iaby nataony voho gny fahendreny,moa va tsy voasoratsy ao amin'ny bokin'ireo tantara momba gnan'i Solomona reo? 42 Nanjaka tao Jerosalema tamin'ireo Israely iaby i Solomona naharitsy efapolo tao. nimaty tamy razamben-drozy agny ie sady 43 Nimaty tagny amin'ireo razambeny ie sady nalevy tao amin'ny tanan'i Davida rainy.La lasa mpanjaka tafarany i Rehoboama anakilahiny