Toko 1

1 Lafa tena antitsy i Davida Mpanjaka, la nilombofandrozy taminy bodofotsy ie, kanefa tsy nety nahazo hafana. 2 Ka hoy reo mpanompony taminy:"ao tsika haila ampela virijiny ho gnan'ny mpanjaka tompontsika.ao ie hanompoi ngmy Mpanjaka voho hikarakara azy.ao ie handry eo an-tsandriny mba hagnafana gny Mpanjaka tompontsika." 3 La nila aja ampela ampelasoa eran'ny fari-tanin'Israely rozy.Nahita gnan'i Abisaga Sonemita rozy ka nanday azy tagny amin'ny Mpanjaka. 4 Tene ampele soa tokoa lay aja ampela. Nanompo gny mpanjaka voho nikaraka azy ie,nefa tsy niray ara-nofo taminy gny mpanjaka. 5 Tamin'io fotoa io, i Adonia anakilahin'i Hagita la nanandratsy gny vatany,nanao hoe:"zaho roho mpanjaka,"Ka nagnoma kalesy voho mpanday soavaly niaraky tamin'ny dimampolo lahy mba handeha hialoha lala gnazy ie. 6 Gny rainy la mbo nanakoran-tsay azy,nanao hoe:"Nagnino iha ro nanao izao?I Adonia la johary tena tovo lahy,teraky nagnarakaraky gnan'i Absaloma. 7 Nifampiresaky tamin'i Joaba anak'i Zeroia voho tamin'i Abiatara mpisoro ie. Nagnaraky gnan'i Adonia rozy ka nagnampy azy. 8 Fa Zadoka mpisoro,voho Benaia anak'i Joiada,voho Natana mpamonany,Simey,Rey,voho gny johary mahery zay gnan'i Davida koa la tsy mba nagnaraky gnan'i Adonia. 9 Sady Adonia nanao soro aondry aman'aosy,aomby voho anak'aomby mifahy teo agnilan'ny vaton'i Zoheleta,zay eo agnilani En-rogela.Nasainy iaby gny rahalahiny manontolo,reo anaky lahin'ny mpanjaka,sady gny joharin'i Joda manontolo, voho reo mpanompon'ny mpanjaka. 10 Fa ingo tsy nanasa gnan'i Natana mpaminany,voho Benaia sady reo johary mahery ,na i Solomona rahalahiny ie. V 11 Sady Natana nisafa tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao hoe: "Mbo tsy renao va fa lasa mpanjaka i Adonia anakilahin'i Hagita, sady tsy nahay an'io i Davida tompontsika? 12 Noho zay la engao aho hanoro hevitsy gnao izao, mba hamonjenao gny ainao voho gny ain'i Solomona anakilahinao. 13 Mandehana magnagny amin'i Davida mpanjaka; safagno aminy hoe: "Azo antoky vatany fa i Solomona anakilahinao ro hanjaka handimby ahy ,sady hipetraky eo amin'ny seza fiandrianako ie? Ka nagnino ro Adonia ro mpanjaka? 14 Laha mbo miresaky amin'ny mpanjaka egny iha, la ho avy ao afaranao aho sady hagnamafy safako reo. " 15 ka nagnany amin'ny efitragnon'ny mpanjaka i Betsaba. Fa tena antitsy gny mpanjaka, sady Abisaga Sonemita ro nanompo gny mpanjaka. 16 Nagnondriky gny vatany voho nandohaliky teo agnatrehan'ny mpanjaka i Betsaba. La hoy gny mpanjaka hoe: " Ino ro irinao?" 17 La hoy ie taminy "Ry tompoko,iha nianiana tamin'ny mpanomponao tamin'ny alalan'i Yaveh Ndranagnaharinao,nilaza hoe: Azo antoky tokoa fai Solomona anakilahinao ro hanjaka handimby ahy,sady hipetraky eto amin'ny seza fiandrianako ie. 18 Amizao, ingo ,Adonia ro mpanjaka, sady iha,ry mpanjaka tompoko, la tsy ,nahay anio. 19 Nanao soro aomby, anak'aomby mifahy, voho aondry aman'aosy maro la maro ie, sady nanasa reo anakilahin'ny mpanjaka iaby, Abiatara mpisoro, sady Joaba kapitenin'ny tafiky, kanefa tsy nanasa gnan'i Solomona mpanomponao ie. 20 Fa laha gny aminao, ry mpanjaka tompoko, gny masony gny Israely iaby la eo aminao, miamby anao mba hisafa amin-drozy hoe ia ro hioetraky eo amin'ny seza fiandriana handimby anao, ry tompoko. 21 Fa laha tsy zay, la hevery ho manahaky gny mpanao meloky aho voho Solomona anakao, lafa ho maty miaraky amin'ireo razany gny mpanjaka tompoko ". 22 Sady laha mbo nisafa tamin'ny mpanjaka ie , la nilitsy i Natana mpaminany. 23 Reo mpanompo nisafa tamin'ny mpanjaka hoe: "Io i Natana mpaminany ".Lafa nandroso teo agnatrehan'ny mpanjaka ie,la nampiankohoky gny vatany teo agnatrehan'ny mpanjaka ro sady nihohoky tamin'ny tany gny vatany. 24 Hoy i Natana: " Ry mpanjaka tompoko, nisafa va iha hoe: "I Adonia ro hanjaka handimby ahy, sady hipetraky eo amin'ny seza fiandrianako ie? Fotony nandeha nijotso ie androany sady nanao soro aomby, voho anak'aomby mifahy, sady aondry aman'aosy maro la maro, nanasa gny anaky gny mpanjaka iaby, reo kapitenin'ny tafiky, sady Abiatara mpisoro. Mihina voho mino eo agnatrehany rozy, ka misafa hoe: "Ho ela velo anie i Adonia mpanjaka! 26 Fa zaho mpanomponao, voho Zadoka mpisoro, Benaina anak'i Joida, sady Solomona mpanomponao, la tsy nasany zahay. 27 La nanao an'io ka tsy nisafagniny taminay, mpanomponao, zay tokony hipetraky eo amin'ny seza fiandriana handimby azy va gny mpanjaka tompoko? " 28 La namaly i Davida mpanjaka ka nanao hoe: " Kahio himpoly eto amiko i Batseba." La nilitsy teo agnatrehan'ny mpanjaka ie sady nitsanga teo agnatrehan'ny mpanjaka. 29 Nanao voady gny mpanjaka ka nanao hoe: " Laha mbo velo koa i Yaveh,zay nagnafaky ahy tamin'ny olo iaby, 30 manahaky gny nanaovako voady taminao tamin'ny alalan'i Yaveh , lay Ndranagnaharin'i Israely , manao hoe: " Hanjaka handimby ahy Solomona anakao, sady hipetraky eo amin'ny seza fiandrianako eo amin'ny toerako ie ; la ho ataoko zay androany". 31 La nagnondriky gny vatany tamin'ny tany i Betseba, sady nampiankohoky gny vatany teo agnatrehan'ny mpanjaka nanao hoe: "Ho velo mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko! " 32 Hoy i Davida mpanjaka hoe: " Kahio magnatoy amiko i Zadoka mpisoro, voho Natana mpaminany, sady Benaia anak'i Joida." Ka nandeha teo agnatrehan'ny mpanjaka rozy, 33 La hoy gny mpanjaka tamin-drozy hoe: "Andeso miaraky aminareo gny mpanompon'ny tompoko nareo, sady ampiondrano gny apondrako i Solomona anako lahy ka mizotso agny Gihona ie. 34 Ao i Zadoka mpisoro voho Natana mpaminany hagnosotsy azy ho mpanjaka eo amin'ny Israely sady hitsoky gny tropetra ka anao hoe: "Ho lava velo anie i Solomona mpanjaka! " 35 La hiakatsy hagnaraky azy nareo, ka hilitsy voho hipetraky eo amin'ny seza fiandrianako ie. Fotony ho mpanjaka eo amin'ny toerako ie zaho fa nanendry azy ho mpitondra eo amin'ny Israely voho Joda." 36 La namaly gny mpanjaka i Benaia anak'i Joiada, ka nanao hoe: " Ho tanteraky anie izany! Ho hamafisin'i Yaveh, Ndranagnahariny gny mpanjaka tompoko, anie izany. 37 Manahaky gny nitahian'i Yaveh mpanjaka tompoko anie , ro hitahiany gnan'i Solomona koa, sady hataony bevata noho gny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko gny seza fiandriany." 38 Ka lasa nijotso niaraky tamin'i Solomonananday gny ampondran' i Davida mpanjaka i Zadoka mpisoro, Natana mpaminany, Benaia anak'i Joiada, voho reo Keretita, voho reo Peletita,nandesin-drozy nizotso tagny Gihona ie. 39 Nangalaky gny tandroky misy meneky bakao amy gny lay i Zadoka mpisoro sady nagnosotsy gnan'i Solomona.La nitsofin-drozy gny trompetra, sady hoy gny olo iaby hoe:"ho ele velo anie Solomona mpanjaka!" 40 Bakeo la niakatry nagnaraky azy gny vahoaky manontolo, sady nitsoky sodina gny vahoaky voho nazotozoto tamin'ny fahazotoa bevata,ka nihozongozo nohon'ny feon-drozy gny tany. 41 Sady i Adonia voho reo vahiny manontolozay niaraky taminy nahare io lafa baka nihina rozy. Lafa nahare gmy feon'ny trompetra i Joaba, la hoy ie hoe:"Magnino ro misy toretoreon eto amy tanà?" 42 Laha mbo nivola ie,la avy i Jonatana anak'i Abiatara mpisoro.Hoy i Adonia hoe:"Mandrosoa,fa johary mendriky iha sady manday vaovao soa." 43 La namaly i Jonatana ka nivola tamin'i Adonia hoe:"Davida mpanjaka tompontsika fa nanao gnan'i Solomona ho mpanjaka, 44 sady gny mpanjaka fa nagniraky gnan'i Zadoka mpisoro, Natana mpaminany, voho Benaia anak'i Joiada, sady reo Keretita voho reo Peletita. Fa nampondranin-drozy gny ampondran'ny mpanjaka i Solomona. 45 Zadoka mpisoro voho Natana mpaminany la fa nagnosotsy azy ho mpanjaka tagny Gihona,voho niakatry tamim-pazotoa bakagny, farany agnaty toretoreo gny tanà. Io ro toretopreo renao. 46 Voho mipetraky eo amy gny seza fiandrianan'ny fanjaka avao koa i Solomona . 47 fagnampin'io, la avy nitsodrano gnan'i Davida mpanjaka tompontsika gny mpanompon'ny mpanjaka, nanao hoe:"Hataon'ny Ndranagnaharinao soa noho gny agnaranao anie gny agnaran'i Solomona,sady hataony bevata noho gny seza fiandriananao anie gny seza fiandrianany."La niankohoky teo am-pandria gny mpanjaka. 48 La hoy koa gny mpanjaka hoe:"Rengea anie Yaveh,lay Ndranagnahary gny Israely,zay nagnome olo raiky hipeytraky eo amin'ny seza fiandrianako amin'izao andro zao,ka afaky mahita io gny fijeriko." 49 La natahotsy reo vahinin'i Adonia manontolo.La nitsanga rozy ka samby nandeha tamy gny lalany iaby. 50 Sady i Adonia la natahotsy gnan'i Solomona ka nitsanga, nandeha,sady nitanjaky gny tandroky gny alitara. 51 Bakeo la nambara tamin'i Solomona io. nanao hoe:"Ingo, matahotsy gnan'i Solomona mpanjaka i Adonia,fotony nitanjaky reotandroky gny alitara ie,nanao hoe:" Ao i Solomona mpanjaka hiania amiko mialoha fa tsy hamono gny mpanompony amy sabatsy ie." 52 La hoy i Solomona :"Laha haneho gny vatany ho johary mendriky ie,ndra la singam-bolony raiky aza tsy ho latsaky amy gny tany,fa laha faharatia koa ro hita aop aminy,la ho maty ie." 53 Ka la nagniraky olo i Solomona mpanjaka,zay nanday gnan'i Adonia nizotso bakao amy gny alitara.La avy ie ka nandohaliky teo amin'i Solomona Mpanjaka,sady hoy i Solomona taminy:"Mandehana agny an-tragnonao."