Toko faha 2

1 Anaky, manoratra gnan'ireto raha reto aho mba tsy hanotanareo. Kanefa laha misy manota, la mana mpisolo tsihovy tsika miaraky amin'ny Baba, Jesosy Kristy, gny to. 2 e ro fagnavota gnan'ireo fahotantsika, sady tsy gnantsika avao, fa gnan'izao tontolo zao raiky manontolo avao koa. 3 Amin'io ro ahafahantsika fa mahay Gnazy tsika: laha mitandrina reo liliny tsika. 4 gny miresaky hoe:" Mahay gnan-Dranagnahary aho." fa tsy mitandry reo liliny , la mpampavandy , sady gny to la tsy aminy ao. 5 Fa ndra ia ia matandry gny safany, to vatany , la ao amin'io olo io ro nagnatanteraky gny fitiavan-Dranagnahary. Amin'io ro ahafantarantsika fa ao aminy tsika. 6 Gny raiky zay miresaky fa mipetraky ao amin-Dranagnahary la tokony andeha avao koa ie manahaky gny nandehanan'i Jesosy Kristy. 7 Ry malala, tsy manoratsy lily vaovao ho gnanareo aho, fa lily taloha zay fa nanagnanareo hatramin'ny fiandoha. Gny lily taloha la gny safa zay renareo. 8 Fa manoratsy lily vaovao ho gnanareo aho, zay marina ao amin'i Kristy voho ao aminareo, fotony gny hahiky la mandalo, fa gny fahazava marina la fa mamiratsy. 9 Gny raiky zay miresaky fa ao amin'ny mazava ie sady malay gny rahalahiny la ao agnaty hahiky hatramin'izao. 10 Gny raiky zay mitea gny rahalahiny la mipetraky ao amin'ny mazava sady tsy hisy fotoa hanafintohigna gnazy. 11 fa gny raiky zay malay gny rahalahiny ao amin'ny hahiky la mandeha ao amin'ny hahiky; ie la tsy mahay zay alehany, fotony gny hahiky la fa nahajanga gny fijeriny. 12 Manoratsy ho gnanareo aho, ry anako malala, fotony reo fahotanareo la voavela nohon'ny agnarany. 13 Manoratsy ho gnanareo aho, ry ray, fotony haiko gny raiky bakamin'ny fiandoa. Manoratsy ho gnanareo aho, ry zatovo, fotony ho gnanareo aho, ry zaza maliniky, fotony nareo la mahay gny Baba. 14 Fa nanoratsy ho gnanareo aho, ry ray, fotony hainareo gny bakamin'ny fiandoha. Fa nanoratsy ho gnanareo aho, ry zatovo , fotony mafy nareo, sady gny safan-Dranagnahary la mitoetra ao aminareo , sady nareo la fa mandresy gny raty. 15 Ka mitia ndra gnan'izao tontolo zao ndra reo raha eo aminy. laha misy mitia gnan'izao tontolo zao , la tsy ao aminy gny fitiavan'ny Ray. 16 Fa gny raha iaby zay ao amin'izao tontolo zao-la gny filan'ny nofo , gny filan'ny maso, voho gny fieboeboan'ny fiaigna_ zay tsy bakamin'ny Ray fa bakamin'izao tontolo zao. 17 Zao tontolo zao voho gny fagniriany la mandalo. Fa ndra ia ia ,manao gny sitrapon-Dranagnahary la hipetraky mandrakizay. 18 Rankizy , toy ro ora farany . Manahaky gny fa renareo fa ho avy gny antikristy, amizao maro reo antikristy zay fa avy . Amin'io ro ahafantarantsika fa toy ro ora farany. 19 Niala tamintsika rozy, kanefa tsy avy amintsika. Fa laha tamintsika rozy la nitoetra niaraky tamintsika. fa lafa niala rozy , la nampiseho fa tsy tamintsika. 20 Fa mana fagnosora bakamin'izay Raiky Masy nareo , sady hainareo iaby gny marina.[ Fanamarihana: misy dikanteny hafa sasany vaovao zay mivaky hoe:" mana gny fahalala iaby nareo." Gny dikanteny sasany taloha la mivaky hoe:" sady hainareo gny raha iaby.'] 21 tsy nanoratsy ho gnanareo aho fotony nareo la tsy mahay gny to, fa fotony hainareo io sady tsy misy vandy bakamin'ny to. 22 Ia ro mpavandy tsy gny raiky zay manda fa i Jesosy ro Kristy? Zay olo zay la gny antikristy, lafa manda gny ray voho gny Anaky ie. 23 tsy misy olo zay manda gny Anaky ka hana gny Baba. Na ia ia magnenky gny anaky avao koa la mana gny Baba. 24 Fa ho gnanareo ao zay renareo hatramin'ny fiandoha hipetraky ao aminareo. Laha zay renareo hatramin'ny fiandohana ro mipetraky ao aminareo, la hipetraky ao amin'ny Anaky voho ao amin'ny Ray avao koa nareo. 25 Io ro fampanantena nameany gnantsika: la gny fiaigna mandrakizay. 26 Fa nanoratsy gnan'io raha io ho gnanareo aho momban'ireo zay handay gnanareo amin'ny lalan-diso 27 Fa ho gnanareo , gny hosotsy zay nirambesinareo bakaminy la hipetraky ao , sady nareo la tsy mila olo mampianatsy gnanareo. Fa manahaky gnan'izay nampianarin'ny fagnosora gnanareo gny raha iaby la marina sady tsy vandy, sady manahaky gnan'izay fa nampianarin'io gnanareo, la mipetraky ao aminy. 28 Amizao , ry zanaky malala , mipetraha aminy ao, mba lafa miseho Ie, la hana fahasahia tsika sady tsy ho megnatsy eo agnatrehany amin'ny fiaviny. 29 Laha hainareo fa ie ro to, hainareo fa zay iaby manao gny mety la teraky taminy.