Toko faha 27

1 Reto gny lisitan'ny gny fianakaviamben'ny gny mpitariky Israelita reo, mpamehy gn'arivo raiky vo gny zato, la manamboninahitsy gny tafiky reo ze nanompo gny mpanajaka tami-gny fomba samby hafa. Gn'antoko maramila hiraikiraiky la nanompo isam-bola isam-bala nandritrany gny tao. Gn'antoko kiraikiraiky la nisy johary efatr'arivo sy roa aly iaby. 2 Gny lohan'antoko tami-gny vola voalohany la Jesobeama gnanaky lahin'i Zabdiela. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antoko ao. 3 Agnisan'ny taranak'i Farao reo ie la niandraikitry manamboninahitsy reo gny tafiky iaby nandritrany gny vola voalohany. 4 Dodo ro lohan'antoko tami-gny vola faharoa, ze bakami-gny foko taranak'i Ahoa. Miklota ro tami-gny lahara faharoa eo. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antokony ao. 5 Gny mpamehy gny tafiky tami-gny vola fahatelo la Benaia gnanaky lahin'i Joida, mpisoro vo mpitariky. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antokony ao. 6 Lo Benaia igny ze mpitariky telo-polo reo, sady lohan'ny telo-polo reo. Tamign'antony ao Amizabada gnanaky lahiny. 7 Asahela rahalahin'i Joaba ro mpamehy tami-gny vola fahaefatry. Zebadia gnanaky lahiny ro lasa mpamehy nisolo gnazy. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antony ao. 8 Samihota ro mpamehy tami-gny vola fahalimy, ze taranaky Jizanita. Nisy johary efatr'arivo tamign'antokony ao. 9 Ira gnanaky lahin'i Kesy, bakagny Tekoa ro mpamehy tami-gny vola fahaeny. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antokony ao. 10 Heleza Pelonita, bakamign'olon'i Efraima reo ro mpamehy tami-gny vola fahafito. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antony ao. 11 Sibekay, Hosatita igny, bakami-gny foko taranak'i Zera ro mpamehy tami-gny vola fahavalo. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antokony ao. 12 Abiezera Anatotita igny, bakami-gny fokon'i Benjamina ro mpamehy tami-gny vola fahasivy. Nisy johary efatr'arivo sy roa aly tamign'antony ao. 13 Maharay bakagny ami-gny tanan'i Netofata, bakami-gny foko taranak'i Zera ro mpamehy tami-gny vola fahafolo. Nisy johary efatr'arivo sy roe alytamign'antony ao. 14 Benaia bakagny ami-gny tanan'i Piratona, bakami-gny fokon'i Efraima ro mpamehy tami-gny vola faha raiky ambi-folo. Nisy johary efatr'arivo sy roe aly tamign'antony ao. 15 Helday bakami-gny tanan'i Netafata ao, bakami-gny foko taranak'i Otniela ro mpamehy tami-gny vola faha roe ambi-folo. Nisy johary efatr'arivo sy roe aly tamign'antony ao. 16 Reto iaby mpitariky gny fokon'Israely reo. Ho gnan'ny fokon'i Robena, la Eliezara gnanaky lahin'i Zikry ro mpitariky. Ho gnan'ny fokon'i Simeona, la Sefatia gnanaky lahin'i Maka ro mpitariky. 17 Ho gnan'ny fokon'i Levy, la Hasabia gnanaky lahin'i Kemoela ro mpitariky, la Zadoka ro mitariky taranak'i Arona reo. 18 Ho gnan'ny fokon'i Joda, Eliho, raiky amirahalahin'i Davida reo mpitariky. Ho gnan'ny fokon'Isakara, la Omry gnanaky lahin'i Mikaela ro mpitariky. 19 Ho gnan'ny fokon'i Zebolona, la Jismala gnanaky lahin'i Obadia ro mpitariky. Ho gnan'ny fokon'i Naftaly, la Jerimota gnanaky lahin'i Azriela ro mpitariky. 20 Ho gnan'ny fokon'i Efraima, la Hosea gnanaky lahin'i Azazia ro mpitariky. Ho gnan'ny gn'antsasaky gny fokon'i Manase, la Joela gnanaky lahin'i Pedaia ro mpitariky. 21 Ho gnan'ny gn'antsasaky gny fokon'i Manase ta-Geleada ao, la Ido gnanaky lahin'i Zakaria ro mpitariky. Ho gnan'ny fokon'i Benjamina, la Jasiela gnanaky lahin'i Abniera ro mpitariky. 22 Ho gnan'ny fokon'i Dana, la Azarela gnanaky lahin'i Jehorama ro mpitariky. Reo ro mpitariky gny fokon'Israely. 23 Tsy nagnisaky ropolo tao reo na ambanin'izay Davida gnantony nampagnantegna gny hagnamaro gnan'Israely manahaky hitan'ny lagnitsy reo Yaveh. 24 Namitriky nagnisaky olo reo Joaba, kanefa tsy nahavita. Noho izay la nilavo tamin'Israely eo gny fasiaha. Tsy voasoratry ami-gny tan-taran'i Davida mpanjaka ao tarehimariky io. 25 Azmaveta gnanaky lahin'i Adiela ro niandraikitry gny rakitry gny mpanjaka. Jonatana gnanaky lahin'i Ozia ro niandraikitry gny fagnajaria tam-baibo agny, tagny ami-tana bevata reo, vo tagny ami-gnana-bohitry reo; la tagny ami-tilikambo voaaro reo. 26 Ezry gnanaky lahin'i Keliba ro niandraikitry mpamboly reo, reo ze niasa gny tany. 27 Simey bakagny Rama ro niandraikitry tanim-boaloboky reo, la Zebdy bakagny Sifama ro niandraikitry voaloboky reo vo gny lakaly fagnajaria divay. 28 Bala-Hanana bakagny Gadera ro niandraikitry hazo olivy reo vo hazon'amontana reo tagny ami-gny tany le, la Joasy ro niandraikitry tragno fagnajaria soliky reo. 29 Sitray bokagny Sarana ro niandraikitry biby fihary zay fihinan'aomby tagny Sarana, sady Safata gnanaky lahin'i Adlay ro niandraikitry reo biby fihare reo ze tagny tam-baibo. 30 Obila Ismalita igny ro niandraikitry rameva reo, la Jedda bakagny Meromota ro niandraikitry boriky vaviny reo. Jaziza hagarita ro niandraikitry aondry vo aosy reo. 31 Reo iaby reo la mpiandraikitry gny fanagnan'i Davida mpanjaka iaby. 32 Mpanolo-tsay Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, gnantony hendry ro sady mpanora-dily ie. Jehiela gnanaky lahin'i Hakmony ro nikarakara gnanaky mpanjaka reo. 33 Ahitofela ro mpanolotsain'ny mpanjaka, la Hosay bakami-gn'olon'i Arkita reo ro mpanolotsy manokan'ny mpanjaka. 34 Ronambin'i Joiada gnanaky lahin'i Benaia, vo Abiatara gny plasin'Ahitofela. Joaba ro mpamehy gny tafiky gny mpanjaka.