Toko faha 14

1 Sady Hirama mpanjakan'i Tyro nandefa mpanday hafatsy tagny amin'i Davida, voho hazo sedera, mpandrafitsy , sady mpanao tragno.Nagnory tragno ho gnazy rozy. 2 Davida la nahay fa Yaveh ro fa nametraky gnazy ho mpanjaka teo amin'Israely, sady gny fanjakany la nasandratsy agnabo noho gny amin'Israely olony. 3 Tao Jerosalema, la nangalaky valy maro Davida, sady niteraky anaky lahy voho anaky ampela maro ie. 4 Reto iaby gny agnaran'ireo anaky naterany tagny Jerosalema: Samoa, Sobaba, Natana, Solomona, 5 Jibara, Elisoa, Elipeleta, 6 Noga, Nafega, Jafia, 7 Elisama, Beliada voho Elifeleta. 8 Sady lafa ren'ireo Filistina fa fa nihosora ho mpanjakan'Israely iby Davida, la niboaky nila gnazy rozy. Nefa ren'i Davida io ka niboaky hanohitsy gnan-drozy ie. 9 Sady avy reo Filistina ka nanao fanafiha tegny amin'ny Lohasahan'ny Refaita. 10 Bakeo Davida nangataky fagnampia tamin-Dranagnahary. Hoy ie hoe: Tokony hiakatsy hanafiky reo Filistina va aho? Hagnome fandresea eo amin-drozy va iha?" La hoy Yaveh taminy hoe:" Tafiho, fa tena hagnome gnan-drozy gnanao Aho." 11 La niakatsy nandeha tao Bala-perazima rozy, sady tao ro nandreseny gnan-drozy. Naneho hevitsy ie hoe:" Gny tagnako ro namakian'i Yaveh gny fahavaloko hiparitaky manahaky gny tondra-drano." Ka la Bala-perazima ro agnaran'io toera io. 12 Nengan'ireo Filistina teo reo ndranagnahariny, sady nagnome lily Davida fa tokony oroa reo. 13 Sady nanafiky gny lohasaha ndraiky gny Filistina. 14 La nangataky fagnampia tagny amin-Dranagnahary ndraiky Davida. Hoy Ndranagnahary taminy hoe:" Tsy tokony hanafiky gnan-drozy eo agnatreha iha, fa koa hagnodidy bakafaran-drozy sady ho avy eo amin-drozy bakeo amin'ireo hazo balsama. 15 Lafa renao gny feon'ny lia-be amin'ny fitsiokin'ny tsioky bakeo amin'ireo tendron'ny hazo Balsama, la magnetaky amin-kery. Manaova gnan'io fotony Ndranagnahary fa hialoa lalana gnanao hanafiky gny tafik'ireo Filistina ." 16 Ka nataon'i Davida zay nandidian-Dranagnahary gnazy. Nandresy gny tafik'ireo Filistina tagny Gibeoana hatragny Gazera ie. 17 Sady gny lazan'i Davida la niely teo amin'ny tany iaby, sady nahatonga gny firenena iaby hatahotsy gnazy Yaveh.