7

1 Ary Yaveh nilaza tamin'i Noa hoe: "Midira ao amin'ilay sambo-fiara ianao sy ny ankohonanao, satria ianao no olona hitako fa marina eo anatrehako amin'ity taranaka ity. 2 Ny amin'ny biby madio rehetra dia hitondranao fito lahy sy fito vavy. Ary ny amin'ireo biby tsy madio, dia maka roa isany avy, lahy sy vavy. 3 Ny amin'ireo voron'ny habakabaka ihany koa, dia maka fito lahy sy fito vavy, ho fitandrovana ny taranany ety ambonin'ny tany. 4 Aorian'ny fito andro dia handefa orana mikija mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina Aho. Haringako daholo ireo zava-manan'aina nohariako teto ambonin'ny tany." 5 Dia nataon'i Noa izay rehetra nandidian'i Yaveh az. 6 Eninjato taona i Noa tamin'ny fotoana nahatongavan'ny safo-drano teto an-tany. 7 Noa, ireo zanany lahy, ny vadiny, ary ireo vinanto vaviny dia niara-niditra tao anaty sambo-fiara nohon'ny ranon'ny safo-drano. 8 Ireo biby madio sy ireo biby maloto, ireo vorona, ary ireo zavatra rehetra mandady amin'ny tany, 9 dia tonga tsiroaroa, lahy sy vavy, nankeo amin'i Noa ary niditra tao amin'ny sambo-fiara, araka ny efa nandidian'Andriamanitra an'i Noa. 10 Ary fito andro taty aoriana, dia nanomboka nirotsaka ny orana ka safotry ny rano ny tany. 11 Tamin'ny faha eninjato taona niainan'i Noa, volana faharoa, andro faha fito ambin'ny folon'ny volana, tamin'io andro io ihany, dia nipoitra ireo loharano lalina rehetra ambanin'ny tany, ary nisokatra ireo varavarakelin'ny lanitra. 12 Nanomboka nikija nandritrin'ny efapolo andro sy efapolo alina ny orana teto ambonin'ny tany. 13 Tamin'io andro io ihany i Noa sy ireo zanany lahy, Sema, Hama, sy Jafeta, ary ny vadin'i Noa, sy ireo vinanto vaviny telo niaraka amin'izy ireo, dia niditra tao anatin'ilay sambo-fiara. 14 Ary izy ireo niditra niaraka tamin'ireo bibi-dia rehetra samy amin'ny karazany avy, sy ny biby fiompy samy araka ny karazany avy, sy ny zavatra mikisaka amin'ny tany samy araka ny karazany avy, ary ny karazam-borona rehetra samy araka ny karazany avy, sy ireo zava-manan'aina manan'elatra tsirairay araka ny karazany avy. 15 Tonga tsiroaroa teo amin'i Noa ireo biby rehetra manam-pofon'aina isaky ny karazany avy ary niditra tao amin'ilay sambo-fiara. 16 Ireo biby izay niditra tao dia lahy sy ny vavy isakin'ny karazany avy; niditra tao izy ireo araka izay nandidian'Andriamanitra azy. Avy eo Yaveh nanidy ny vavarana rehefa tafiditra izy ireo. 17 Avy eo dia tonga teto an-tany nandritrin'ny efapolo andro ny safo-drano, ary nitombo ny rano ka nanainga ilay sambo-fiara sy nampiakatra izany ho eo ambonin'ny tany. 18 Rakotra rano tanteraka ny tany, ka nitsingevana teny ambony rano ilay sambo-fiara. 19 Nisondrotra be teo amin'ny tany ny rano ka rakotra avokoa ireo tendrombohitra avo rehetra ambanin'ny lanitra. 20 Nihoatra dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny tampon'ny tendrombohitra ny rano. 21 Maty avokoa ireo zava-manan'aina rehetra izay nirenireny tety ambony tany: ireo vorona, ireo biby fiompy, ireo bibi-dia, sy ireo zava-manan'aina maro izay niaina tety an-tany, ary ny olombelona rehetra. 22 Ireo zava-manan'aina rehetra niaina teto ambonin'ny tany, izay miaina ny fofon'aina amin'ny vavorony, dia maty. 23 Noho izany dia ringana avokoa ireo zava-manan'aina rehetra tety ambony tany, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby fiompy, sy ireo biby mikisaka, ary ny voron'ny habakabaka. Ringana tety ambony tany avokoa izy rehetra. Noa sy ireo izay niaraka taminy tao anatin'ilay sambo-fiara no sisa tavela. 24 Tsy nihena tambonin'ny tany nandritran'ny dimampolo amby zato andro ilay rano.