48

1 Ary tao aorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa hoe: "Indro, marary rainao." Dia nentiny niaraka taminy ny zanany mirahalahy, Manase sy Efraima. 2 Rehefa nilazana Jakoba hoe: "Indro, Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao," dia nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana. 3 Hoy Jakoba tamin'i Josefa hoe: "Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy tany amin'ny tany Kanana. Nitso-drano ahy Izy 4 ka nanao tamiko hoe: 'Indro, hampamokatra, sy hahamaro anao Aho. Hahatonga firenena maro avy aminao Aho. Dia homeko ny taranakao ity tany ity ho fananana mandrakizay.' 5 Ary ireo zanakao mirahalahy, izay teraka ho anao teto Egypta talohan'ny nanatonako anao ho eto Egypta, dia ahy. Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka ny maha ahy an'i Robena sy Simeona. 6 Ny zaza teraka aorian'izy ireo no ho anao; ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo. 7 Ary izaho, fony aho avy any Padana-Arama, dia maty teo anatrehako teny an-dalana tany amin'ny tany Kanana i Rahely, raha kely sisa no tsy nahatongavanay tao Efrata. Naleviko teny an-dalana ho any Efrata izy" (izay atao hoe, Betlehema). 8 Koa rehefa hitan'i Israely ireo zanak'i Josefa, dia hoy izy hoe: "An'iza moa ireto?" 9 Dia hoy Josefa tamin-drainy hoe: "Zanako ireo, izay nomen'Andriamanitra ahy taty." Dia hoy Israely hoe: "Ento mankaty amiko izy ireo, mba hitsofako rano azy." 10 Ary efa nanjavona ny mason'i Israely nohon'ny fahanterany, ka tsy afaka mahita izy. Dia nampanatonin'i Josefa azy izy ireo noho izany, ka nanoroka sy namihina azy ireo izy. 11 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Tsy nanantena ny hahita ny tavanao indray aho, nefa navelan' Andriamanitra ho hitako na dia ny zanakao aza." 12 Dia nesorin'i Josefa teo anelanelan'ny lohalik'i Israely izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany izy. 13 Dia nalain'i Josefa izy mirahalahy, Efraima teo an-tanan-kavanany ho eo an-tanan-kavian'i Israely, ary Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely, ka nitondra azy ireo mba hanakaiky azy. 14 Dia natsotran'i Israely ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima, ilay zandriny, ary ny tanany havia teo ambonin'ny lohan'i Manase. Nampifamadihany ny tanany, satria Manase no lahimatoa. 15 Dia nitso-drano an'i Josefa i Israely, ka nanao hoe: "Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka, ilay Andriamanitra izay niahy ahy mandrak'ankehitriny, 16 ilay anjely izay niaro ahy tamin'ny ratsy rehetra anie, hitahy ireto zaza lahy ireto. Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako. Hihamaro eto an-tany anie izy ireo." 17 Koa rehefa hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany an-kavanana, dia tsy nankasitraka izany izy. Dia nesoriny tsy ho eo amin'ny lohan'i Efraima ny tanan'ny rainy ka nafinfrany teo ambonin'ny lohan'i Manase. 18 Dia hoy Josefa tamin'ny rainy hoe: "Tsy izao no izy, ry raiko; fa ity no lahimatoa. Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana." 19 Dia nandà ny rainy ka nanao hoe: "Fantatro, ry zanako, fantatro. Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy. Ary ny zandriny koa dia ho lehibe noho izy, ary ho tonga firenena maro ny taranany." 20 Izao teny izao no nitsofan'i Israely rano azy ireo tamin'izany andro izany: "Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana hanao hoe: 'Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.'" Izany no fomba, nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase. 21 Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Indro, efa ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anao, ary hitondra anao hiverina any amin'ny tanin'ireo razanao. 22 Ho anao, izay ambony noho ireo rahalahinao, dia omeko anao ny zaratany izay nalaiko tamin'ny Amorita tamin'ny sabatro sy ny tsipikako."