45

1 Ary Josefa tsy nahafehy ny fihetseham-pony teo anoloan'ireo mpanompo izay nitsangana teo anilany. Niteny mafy izy hoe: "Tsy maintsy mandao ahy ny rehetra." Ka dia tsy nisy mpanompo nijoro teo aminy rehefa nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny i Josefa. 2 Nitomany mafy izy, ka ren'ireo Egyptiana izany, ary ren'ireo tao an-tranon'i Farao. 3 Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Izaho no Josefa. Mbola velona ve ny raiko?" Tsy nahavaly azy ireo rahalahiny, satria tohina teo anatrehany izy ireo. 4 Avy eo Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny hoe: "Manatona akaiky ahy, azafady." Dia nanatona akaiky izy ireo. Hoy izy hoe: "Izaho no Josefa rahalahinareo, izay namidinareo tany Egypta. 5 Aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo ny amin'ny namarotanareo ahy taty, satria Andriamanitra no nandefa ahy mialoha anareo mba hiarovana ny ainareo. 6 Satria teto amin'ity tany ity ny mosary nandritr'izay roa taona izay, ary mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana. 7 Andriamanitra naniraka ahy hialoha anareo mba hitahiry anareo ho sisa eto an-tany ary hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe. 8 Ary noho izany tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra, ary izy nanao ahy ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta. 9 Faingàna ary miakara any amin'ny raiko ka lazao aminy hoe: 'Izao no ambaran'i Josefa zanakao: "Nataon'Andriamanitra mpanapaka an'i Egypta iray manontolo aho. Midina aty amiko, ka aza mangatak'andro. 10 Hipetraka amin'ny tanin'i Gosena ianao ary ho eo akaikiko, ianao sy ireo zanakao ary ireo zanaky ny zanakao, sy ireo ondry aman'osy ary ireo omby, sy ny fanananao rehetra. 11 Hamatsy anareo aho, satria mbola haharitra dimy taona ny mosary, ka mba tsy ho tonga aminareo ny fahantrana, aminao, sy ny tokantranonao, ary izay anananao rehetra."' 12 Indro, hitan'ny masonareo, sy ny mason'i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Ho lazainareo amin'ny raiko ny momban'ny voninahitro aty Egypta sy ny zavatra rehetra izay hitan'ny masonareo. Mandehana faingana ianareo ary ento midina aty ny raiko." 14 Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony. 15 Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ary nitomany teo amin'izy ireo. Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny. 16 Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: "Tonga ireo rahalahin'i Josefa." Nahafaly tanteraka an'i Farao sy ireo mpanompony izany. 17 Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana. 18 Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.' 19 Ary omena didy ianareo hoe: 'Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty. 20 Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.'" 21 Koa dia nataon'ireo zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa kalesy izy ireo araka ny nandidian'i Farao, ary nanome azy ireo vatsy ho entina eny an-dalana. 22 Nomeny akanjo ho soloina izy rehetra, fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telonjato sy akanjo ho soloina dimy. 23 Izao no nalefany ho an'ny rainy: boriky lahy folo nitondra ireo zava-tsoan'i Egypta; ary boriky vavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy hafa ho an'ny rainy entina eny an-dalana. 24 Dia nalefany ireo rahalahiny ka lasa izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza mifanditra eny an-dalana ianareo." 25 Dia niakatra avy tao Egypta izy ireo ka tonga tany tamin'ny tany Kanana, ho any amin'i Jakoba rainy. 26 Niteny taminy izy ireo hoe: "Mbola velona Josefa, ary mpanapaka ny tany Egypta iray manontolo izy." Niontana ny fony, satria tsy nino izay nolazain'izy ireo azy. 27 Nolazain'izy ireo taminy ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo. Rehefa hitan'i Jakoba ny sarety izay nalefan'i Josefa mba hitondrana azy, dia velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo. 28 Hoy Israely hoe: "Ampy izay. Mbola velona Josefa zanako. Handeha aho ary hijery azy mialohan'ny hafatesako."