36

1 Ireto ny taranak'i Esao (izay antsoina ihany koa hoe: Edoma). 2 Avy tamin'ireo Kananita i Esao no naka ireo vadiny. Ireto avy ireo vadiny: Ada ilay zanaka vavin'i Elona ilay Hetita; Oholibama ilay zanakavavin'i Ana, ilay zafikelin'i Zibona ilay Hivita; 3 ary Basemata, zanaka vavin'Ismaela, anabavin'i Nebaiota. 4 Niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao i Ada, ary Basemata niteraka an'i Regoela. 5 Oholibama niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora. Ireo no zanaka naterak'i Esao izay teraka ho azy tany amin'ny tany Kanàna. 6 Nalain'i Esao ireo vadiny, ireo zanany lahy, ireo zanany vavy, sy ireo mpikambana rehetra ao amin'ny ankohonany, ireo biby fiompiny—ireo bibiny rehetra, sy ireo fananany rehetra, izay nangoniny tany amin'ny tany Kanana, ka lasa nankany amin'ny tany izay lavitra an'i Jakoba rahalahiny. 7 Nanao izany izy satria maro loatra ireo fananan'izy ireo raha hiara-honina. Ny tany izay efa nanorenan'izy ireo fonenana dia tsy nahazaka azy ireo noho ireo biby fiompin'izy ireo. 8 Noho izany Esao, izay fantatra ihany koa amin'ny hoe Edoma, dia nonina tany an-tendrombohitr'i Seira. 9 Izy ireo no taranak'i Esao, ilay razamben'ny Edomita tany an-tendrombihitr'i Seira. 10 Ireto ny anaran'ireo zanaka lahin'i Esao: Elifaza zanak'i Ada, ilay vadin'i Esao, Regoela zanak'i Basemata, ilay vadin'i Esao. 11 Temana, Omara, Zefo, Gatama, ary Kenaza no zanaka lahin'i Elifaza. 12 Timna, vaditsindranon'i Elifaza, zanak'i Esao, niteraka an'i Amaleka. Ireo no zafikelin'i Ada, vadin'i Esao. 13 Ireto no zanak'i Regoela: Nahata, Zera, Sama, ary Miza. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 14 Ireto no zanak'i Oholibama, vadin'i Esao, izay zanaka vavin'i Ana sy zafikelin'i Zibona. Izy dia niteraka an'i Jeosy, Jalama, ary Kora tamin'i Esao. 15 Ireto ny foko teo amin'ny taranak'i Esao: ireo taranak'i Elifaza, ilay lahimatoan'i Esao: Temana, Omara, Zefo, Kenaza, 16 Kora, Gatama, ary Amaleka. Ireo no foko izay avy amin'ny taranak'i Elifaza tany amin'ny tanin'i Edoma. Izy ireo no zafikelin'i Ada. 17 Ireto ny foko avy amin'i Regoela, zanakalahin'i Esao: Nahata, Zera, Sama, Miza. Ireo no foko avy amin'ny taranak'i Regoela tany amin'ny tany Edoma. Ireo no zafikelin'i Basemata, vadin'i Esao. 18 Ireto ny fokon'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy, Jalama, Kora. Ireo no foko avy amin'ny taranakin'i Oholibama vadin'i Esao, zanakavavin'i Anà. 19 Ireo no zanaka lahin'i Esao, ary ireo no fokon'izy ireo. 20 Ireto ny zanaka lahin'i Seira ilay Horita, ireo mponin'ny tany: Lotana, Sobala, Zibona, Ana, 21 Disona, Ezera, ary Disana. Ireo no fokon'ny Horita, ireo mponin'i Seira tany amin'ny tany Edoma. 22 Hory sy Hemana no zanak'i Lotana, ary Timna no anabavin'i Lotana. 23 Ireto no zanaka lahin'i Sobala: Alvana, Manahata, Ebala, Sefo, ary Onama. 24 Ireto no zanaka lahin'i Zibona: Aia sy Ana. Ana no nahita ilay loharano mafana tany an'efitra, raha niandry ireo borikin'i Zibona rainy izy. 25 Ireto ny zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, ilay zanaka vavin'i Ana. 26 Ireto ny zanaka lahin'i Disona: Hemdana, Esbana, Jitrana, ary Kerana. 27 Ireto ny zanaka lahin'i Ezera: Bilana, Zavana, ary Akana. 28 Ireto ny zanaka lahin'i Disana: Oza sy Arana. 29 Ireto ny fokon'ireo Horita: Lotana, Sobala, Zibona, ary Ana, 30 Disona, Ezera, Disàna: ireto ny fokon'i Horita, araka ny fokon'izy ireo notanisaina tany amin'ny tany Seira. 31 Ireto ny mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma talohan'izay mpanjaka nanjaka teo amin'ireo Israelita: 32 Bela zanak'i Beora, nanjaka an'i Edoma, ary Dinaba no anaran'ny tanànany. 33 Rehefa maty Bela, dia nanjaka teo amin'ny toerany i Jobaba zanakalahin'i Zera, avy any Bozra. 34 Rehefa maty Jobaba, dia nandimby ny toerany i Hosama izay avy amin'ny tanin'ireo Temanita. 35 Rehefa maty Hosama, dia nandimby ny toerany i Hadada zanakalahin'i Bedada ilay nandresy an'ireo Midianita tany amin'ny tany Moaba. Avita no anaran'ilay tanànany. 36 Rehefa maty Hadada, dia nandimby ny toerany i Samla avy any Masreka. 37 Rehefa maty Samla, dia nandimby ny toerany i Saoly avy any Rehobota izay eo akaikin'ny ony. 38 Rehefa maty Saoly, dia nandimby ny toerany i Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora. 39 Rehefa maty Bala-hanana ilay zanaka lahin'i Akbora, dia nandimby ny toerany i Hadara. Pao no anaran'ilay tanànany. Ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, ilay zanaka vavin'i Matreda, izay zafikelin'i Me-zahaba. 40 Ireto no anaran'ireo lehiben'ireo foko avy amin'ny taranak'i Esao, araka ireo foko sy ny faritr'izy ireo, tamin'ny anaran'izy ireo: Timna, Alva, Jeteta, 41 Oholibama, Elaha, Pinona, 42 Kenaza, Temana, Mibzara, 43 Magdiela, Irama. Ireo no lehiben'ny fokon'i Edoma, araka ireo fonenany any amin'ny tany izay nananan'izy ireo. Esao izany, ilay rain'y Edomita.