31

1 Ary Jakoba nandre ireo tenin'ny zanaka lahin'i Labana, izay nanao hoe: "Nalain'i Jakoba avokoa izay rehetra an'ny raintsika, ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany ny hareny rehetra." 2 Hitan'i Jakoba teny amin'ny endriky ny tarehin'i Labana. Hitany fa niova ny fihetsiny taminy. 3 Avy eo Yaveh niteny tamin'i Jakoba hoe: "Miverena any amin'ny tanin'ireo razanao sy ireo havanao, ary homba anao Aho." 4 Ary Jakoba naniraka sy niantso an'i Rahely sy Lea ho any an-tsaha any amin'ireo ondry aman'osiny 5 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Hitako niova ny fihetsiky ny rainareo tamiko, saingy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko. 6 Fantatrareo fa tamin'ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo. 7 Efa namitaka ahy ny rainareo ary nanova ny karamako impolo, saingy tsy navelan'Andriamanitra handratra ahy izy. 8 Raha niteny izy hoe: "Ireo biby sada rehetra no ho karamanao," dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra. Raha nilaza izy hoe: "Ny sadika rehetra no ho karamanao," dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy rehetra. 9 Tamin'izany fomba izany no nangalan'Andriamanitra ny biby fiompin'ny rainareo ary nanomezany izany ho ahy. 10 Ary tamin'ny andron'ny fahatairana ka iraisana, dia hitako tao amin'ny nofy ireo osy lahy izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Ireo osy lahy dia sadika, mara, ary sada. 11 Ny anjelin'Andriamanitra niteny tamiko tao anaty nofy hoe: 'Ry Jakoba.' Dia hoy aho hoe: 'Inty aho.' 12 Hoy izy hoe: "Atopazo ny masonao ary jereo ireo osy lahy rehetra izay miray amin'ireo ondry aman'osy. Sadika, sy mara ary sada ireo, satria hitako ny zavatra rehetra ataon'i Labana aminao. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato, sy nanaovanao voady tamiko. Ankehitriny mitsangàna ka mialà amin'ity tany ity ary miverena any amin'ny tany nahaterahanao." 14 Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: "Mbola misy anjara sy lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay? 15 Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay? fa namidiny izahay, ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay izy. 16 Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay ankehitriny dia anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany." 17 Avy eo dia nitsangana Jakoba ary nametraka ireo zanany lahy sy ny vadiny teo ambony rameva. 18 Nentiny avokoa ny biby fiompiny rehetra, niaraka tamin'ireo fananany rehetra, anisan'izany ny biby fiompy izay azony tany Padana-arama. Avy eo dia niainga mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana izy. 19 Raha nandeha mba hanety ny ondriny i Labana, dia nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy. 20 I Jakoba ihany koa dia namitaka an'i Labana ilay Syriana, tamin'ny tsy fitenenana azy fa handeha izy. 21 Ka dia nitsoaka niaraka tamin'izay rehetra nananany izy ary niampita faingana ny ony, ary nizotra nankany amin'ny tany havoana an'i Gileada. 22 Tamin'ny andro faha-telo dia nolazaina tamin'i Labana fa nitsoaka i Jakoba. 23 Noho izany dia nalainy ireo havany ary nanaraka azy nandritra ny lalana hafitoana. Tratrany teo amin'ny tanànan'i Gileada izy. 24 Ary Andriamanitra tonga tamin'ny Labana ilay Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: "Tandremo mba tsy hanao teny tsara na ratsy an'i Jakoba ianao." 25 Tratran'i Labana i Jakoba. Ary Jakoba nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Dia nanorina lay teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany. 1 26 Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Inona no nataonao, no dia namitaka ahy ianao ka nitondra ireo zanako vavy toy ny babo an'ady? 27 Nahoana ianao no nitsoaka mangina sy namitaka ahy fa tsy niteny tamiko? Afaka nandefa anao tamin'ny fankalazana sy hira aho, niaraka tamin'ny aponga tapaka sy lokanga. 28 Tsy navelanao hanoroka hanao veloma ireo zafiko sy ireo zanako vavy aho. Ary adalana izao nataonao izao. 29 Manana hery handratrana anareo aho, saingy ny Andriamanitry ny rainareo niteny tamiko tamin'ny alina hoe: 'Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba na tsara na ratsy.' 30 Ankehitriny lasa ianao satria manina ny hiverina any an-tranon'ny rainareo. Saingy nahoana no nangalarinao ireo andriamanitro?" 31 Namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: "Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina. 32 Na iza na iza nangalatra ny andriamanitrao dia ho faty izy. Eo anatrehan'ireo havantsika, dia fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany." Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany. 33 Ary Labana nandeha nankany amin'ny lain'i Jakoba, tany amin'ny lain'i Lea, ary tany amin'ny lain'ireo mpanompo vavy roa, saingy tsy nahita azy ireo izy. Nivoaka tao amin'ny lain'i Lea izy ary niditra tao amin'ny lain'i Rahely. 34 Ary efa nalain'i Rahely ireo sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, ka nipetraka teo ambonin'izany izy. Nikaroka nanerana ny lay i Labana saingy tsy nahita ireo. 35 Hoy Rahely tamin'ny rainy hoe: "Aza tezitra, tompoko, fa tsy afaka mijoro eo anoloanao aho, satria tonga fadim-bolana aho." Ka dia nitady izy fa tsy nahita ireo sampiny. 36 Tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana. Hoy izy taminy hoe: "Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao? 37 Fa nosavainao avokoa ny fananako rehetra. Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany, mba hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta. 38 Fa niaraka taminao foana aho nandritry ny roapolo taona. Ireo ondry vavinao sy osy vavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondry lahy avy tamin'ireo ondrinao aho. 39 Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia. Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany. Ataonao mandoa ny biby very rehetra foana aho, na ny nangalarina atoandro na ny nangalarina alina. 40 Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala; ary tsy mba natory. 41 Nitoetra tao an-tranonao aho nandritr'izay roapolo taona izay. Niasa ho anao nandritry ny efatra ambin'ny folo taona aho mba hahazoako ireo zanakao roa vavy ary enin-taona ho an'ireo ondry aman'osinao. Novainao impolo ny karamako. 42 Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka, dia ho nalefanao nandeha tanam-polo tokoa aho. Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy, ka niteny mafy anao Izy tamin'ny alina." 43 Namaly Labana ka niteny tamin'i Jakoba hoe: "Ireo zazavavy ireo dia zanako vavy, zafikeliko ireo zafikely, ary ondry aman'osiko ireo ondry aman'osy. Izay hitanao rehetra dia ahy avokoa. Ankehitriny kosa inona no afaka ataoko ho an'ireo zanako vavy, na ho an'ireo zaza naterany? 44 Koa ankehitriny, andeha isika hanao fanekena, dia izaho sy ianao, ary aoka izany ho vavolombelona amiko sy aminao." 45 Noho izany dia naka vato Jakoba ary nanangana izany ho tsangam-bato. 46 Hoy Jakoba tamin'ireo havany hoe: "Manangona vato." Ka dia naka ny vato izy ireo ary nanao antontany. Avy eo izy ireo nihinana teo amin'ilay antontam-bato izy ireo. 47 Nantsoin'i Labana hoe Jegara-sahadota izany, fa Jakoba niantso izany hoe Galeda. 48 Hoy Labana hoe: "Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio." Noho izany ny anarany dia nantsoina hoe Galeda. 49 Antsoina ihany koa hoe Mizpa izany, satria hoy Labana hoe: "Yaveh anie hitsinjo ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika. 50 Raha ampijalianao ireo zanako vavy, na manambady hafa ankoatr'ireo zanako vavy ianao, na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika, dia indro Andriamanitra no vavolombelona eo amiko sy aminao." 51 Hoy Labana tamin'i Jakoba hoe: "Jereo ity antontam-bato ity, ary jereo ny tsangam-bato, izay naoriko eto anelanelantsika. 52 Vavolombelona ity antontam-bato ity, ary vavolombelona ilay tsangam-bato, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity mankany aminao, sy tsy hihoaranao ity antontam-bato sy tsangam-bato ity mankaty amiko, hanao ratsy. 53 Ilay Andriamanitr'i Abrahama, sy ilay andriamanitr'i Nahora, ary ireo andriamanitry ny rain'izy ireo anie hitsara antsika." Nianiana tamin'Ilay Tahotry Isaka rainy i Jakoba. 54 Nanolotra sorona tany an-tendrombohitra i Jakoba ary niantso ireo havany mba hihinana. Nihinana izy ireo ary nijanona teny an-tendrombohitra ny alina tontolo. 55 Vao mangiran-dratsy dia nifoha i Labana, nanoroka ireo zafikeliny sy ireo zanany vavy ary nitso-drano azy ireo. Avy eo dia niala teo ary niverina nankany an-tranony Labana.


1Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany taty aoriana misy hoe: "Labana ihany koa dia nanorina lay teo amin'ny vohitr'i Gileada."