25

1 Naka vady hafa i Abrahama; Ketora no anarany. 2 Niteraka an'i Zamrana, Joksana, Medana, Midiana, 3 Jisbaka ary Soaha izy. Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ireo taranak'i Dedana dia olona Asorima, olona Letosima, ary Leomima. 4 Efaha no zanaka lahin'i Midiana, Efera, Hanoka, Abida, ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak'i Ketora. 5 Nomen'i Abrahama an'Isaka izay nananany rehetra. 6 Fa kosa, fony mbola velona izy, dia nanome fanomezana an'ireo zanaky ny vaditsindranony ary nandefa azy ireo tany amin'ny tany antsinanana, lavitra an'Isaka, zanany. 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona. 8 Niala aina Abrahama ka maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. 9 Isaka sy Ismaela, zanany lahy, no nandevina azy tao amin'ilay lava-baton'i Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona zanak'i Zohara Hetita, izay eo akaikin'ny Mamre. 10 Novidian'i Abrahama tamin'ireo zanaka lahin'i Heta izany saha izany. Nalevina tany niaraka tamin'i Saraha vadiny i Abrahama. 11 Tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, dia nitahy an'i Isaka zanany lahy Andriamanitra, ary Isaka nonina nanakaiky an'i Bera-lahai-roy. 12 Ary ireto ny taranak'Ismaela, zanak'i Abrahama, izay naterak'i Agara Egyptiana, mpanompon'i Saraha, tamin'i Abrahama. 13 Ireto no anaran'ny zanak'Ismaela, araka ny filaharan'ny fahaterahany: Nabaiota—ilay lahimatoan'Ismaela, Kedara, Adbela, 14 Mibsama, Masmà, Domà, Masa, 15 Hadada, Tema, Jetora, Nafisy, ary Kedma. 16 Ireo avy no zanaka lahin'Ismaela, ary ireo ny anaran'izy ireo, araka ny tanànany, sy ny toby misy azy ireo; andrian-dahy roa ambin'ny folo araka ny fokon'izy ireo. 17 Ny andro niainan'i Ismaela dia 137 taona: niala aina izy ary maty, ary dia nangonina ho any amin'ireo olony izy. 18 Nonina tany Havila ka hatrany Sora izy ireo, izay nanakaiky an'i Egypta, ilay iray izay mankany Asyria. Niaina tamin'ny fifankahalana izy ireo. 19 Ireto avy ireo tranga nahakasika an'Isaka, zanaka lahin'i Abrahama: tonga rain'Isaka i Abrahama. 20 Efapolo taona Isaka raha naka vady an'i Rebeka izy, ilay zanaka vavin'i Betoela ilay Syrian'i Padan-Arama, ilay anabavin'i Labana Syriana. 21 Nivavaka tamin'i Yaveh ho an'ny vadiny i Isaka satria momba izy, ary namaly ny vavaka nataony Yaveh, ka nitoe-jaza Rebeka. 22 Niady ireo zaza tao an-kibony, ary nilaza izy hoe: "Nahoana izany no miseho amiko?" Koa nandeha nanontany an'i Yaveh momba izany izy. 23 Nilaza taminy Yaveh hoe: "Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no ho sarahana avy ao anatinao. Ny vahoaka iray dia mafimafy kokoa noho ilay hafa, ary ny zokiny dia hanompo ny zandriny." 24 Rehefa tonga ny fotoana hahaterahany, dia indro, nisy kambana tao an-kibony. 25 Nivoaka ny zaza voalohany ary dia mena tanteraka toy ny lamba voloina. Esao no niantsoan'izy ireo azy. 26 Tao aorian'izany, dia nivoaka ny rahalahiny. Nihazona ny voditongotr'i Esao ny tanany. Jakoba no niantsoana azy. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy ireo ny vadiny. 27 Nitombo ireo zaza, ary lasa mpihaza mahay Esao, lehilahy iray tantsaha; kanefa Jakoba dia lehilahy tsy be teny, izay nandany ny fotoany tao an-day. 28 Ary dia Esao no tian'Isaka satria nihinana ireo biby izay voahazany izy, fa i Jakoba kosa no tian'i Rebeka. 29 Ary nahandro hanina i Jakoba. Dia tonga avy tany an-tsaha Esao, ary nalemin'ny hanohanana izy. 30 Hoy Esao tamin'i Jakoba hoe: "Mamelà ahy hihinana amin'ity hanina mena ity. Miangavy re, fa valaka loatra aho!" Izany no antony hilazàna ny anarany hoe Edoma. 31 Nilaza i Jakoba hoe: "Amidio amiko aloha ny fizokianao." 32 Ary hoy Esao hoe: "Jereo, efa ho faty aho. Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana?" 33 Ary nilaza Jakoba hoe: "mianianà aloha amiko," ka nianiana taminy i Esao ary tamin'izany dia nivarotra ny fizokiany tamin'i Jakoba izy. 34 Nomen'i Jakoba mofo sy hanina vita amin'ny voanemba i Esao. Nihinana sy nisotro izy, ary avy eo dia nitsangana ka nandeha. Tamin'izany fomba izany no nanaovan'i Esao tsinontsinona ny fizokiany.