13

1 Dia niakatra avy tany Egypta i Abrama ary nandeha tao Negeva, izy, ny vadiny, ary izay rehetra nananany. Niaraka tamin'izy ireo ihany koa i Lota. 2 Ary Abrama dia tena nanan-karena biby, volafotsy, ary volamena. 3 Nanohy ny diany avy ao Negeva ho any Betela izy, ho any amin'ny toerana izay nisy ny lainy taloha, anelanelan'i Betela sy Ay. 4 Nandeha tany amin'ilay toerana izay nisy ny alitara izay namboariny teo aloha izy. Teo no niantsoany ny anaran'i Yaveh. 5 Ary Lota, izay nandeha niaraka tamin'i Abrama, dia nanana ondry aman'osy, omby, ary lay ihany koa. 6 Tsy nahazaka ny hiarahan'izy ireo mitoetra ny tany, satria maro be ireo fananany, noho izany dia tsy afaka niara-nipetraka izy ireo. 7 Ary koa, nisy fifandirana teo amin'ireo mpiandry ondrin'i Abrama sy ireo mpiandry ondrin'i Lota. Nipetraka tao amin'ilay tany ireo Kananita sy Perizita tamin'izany fotoana izany. 8 Ka hoy Abrama tamin'i Lota hoe: "Aoka tsy hisy fifandirana amiko sy eo aminao, ary eo amin'ireo mpiandry ondrinao sy ireo mpiandry ondriko; sady mpianakavy rahateo isika. 9 Tsy eo anoloanao ve ny tany iray manontolo? Mandehana tsy am-pihambahambana ary misaraha amiko. Raha mandeha miankavia ianao, dia handeha miankavanana aho. Na raha mandeha miankavanana ianao, dia handeha miankavia aho." 10 Dia nijery nanodidina i Lota, ary nahita fa ny lemak'i Jordana rehetra dia voatondraka tsara na taiza na taiza tamin'ny lalana rehetra mankany Zoara, tahaka ny sahan'i Yaveh, tahaka ny tanin'i Egypta. Izany dia talohan'ny nandravan'i Yaveh an'i Sodoma sy Gomora. 11 Noho izany Lota dia nifidy ny lemak'i Jordana rehetra ho azy ary nandeha niatsinanana, ka nisaraka ireo mpihavana. 12 Nipetraka tany amin'ny tany Kanàna i Abrama, ary Lota nipetraka teo amin'ireo tanànan'ny lemaka. Nanorina ny lainy ho lavitra manakaiky an'i Sodoma izy. 13 Ary ireo olon'i Sodoma dia tena mpanota ratsy fanahy manohitra an'i Yaveh. 14 Niteny tamin'i Abrama i Yaveh tao aorian'ny nialàn'i Lota teo aminy hoe: "Mijere avy eo amin'ny toerana izay hijoroanao mianavaratra, mianatsimo, miatsinanana, ary miakandrefana. 15 Ireo tany rehetra izay hitanao, dia homeko anao sy ireo taranakao mandrakizay. 16 Hataoko maro toy ny vovoky ny tany ireo taranakao, ka amin'izay raha misy lehilahy iray afaka manisa ny vovoky ny tany, dia afaka isaina ihany koa ireo taranakao. 17 Mitsangàna, ary mandehana mamakivaky ny halava sy ny sakan'ny tany, fa homeko anao izany." 18 Dia nangorona ny lainy Abrama, ary nandeha ka nipetraka teo akaikin'ny hazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanamboatra alitara ho an'i Yaveh tany.