11

1 Ary ny tany iray manontolo dia nampiasa fiteny iray sy teny iombonana. 2 Raha nandeha niatsinanana izy ireo, dia nahita lohasaha tao amin'ny tanin'i Sinara ka nanorim-ponenana tao. 3 Nifampilaza izy ireo hoe: "Andao, hanao biriky isika ka handoro tsara izany." Biriky no nananan'izy ireo fa tsy vato ary molanga ho feta. 4 Hoy izy ireo hoe: "Andeha isika hanangana tanàna sy tilikambo izay hanakatra ny lanitra ny tendrony, ary aoka hamoronantsika anarana ho antsika izany. Raha tsy manao izany isika, dia hiparitaka manerana an'izao tontolo rehetra izao." 5 Noho izany dia nidina Yaveh mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo izay natsangan'ireo taranak'i Adama. 6 Hoy Yaveh hoe: "Indro, vahoaka iray mitovy fiteny ihany ireo, ary manomboka manao izany izy ireo! Atsy ho atsy dia tsy hisy zavatra izay kasain'izy ireo hatao ka tsy ho vitan'izy ireo. 7 Koa, andeha isika hidina ka hampifangaro ny fitenin'izy ireo eny, mba tsy hifankahazo izy ireo." 8 Ka naparitak'i Yaveh avy teo hanerana ny velaran-tany rehetra izy ireo ary natsahatr'izy ireo ny fananganana ny tanàna. 9 Noho izany, dia natao hoe Babela ny anaran'izany, satria tao no nanafangaron'i Yaveh ny fitenin'ny tany iray manontolo ary avy tao no nanaparitahan'i Yaveh azy ireo tany ivelany manerana ny velaran-tany rehetra. 10 Ireto ny taranak'i Sema. Zato taona i Sema, ary roa taona taorian'ny safo-drano dia niteraka an'i Arpaksada izy. 11 Mbola velona dimanjato taona izy rehefa tonga rain'i Arpaksada izy. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 12 Rehefa feno dimy amby telopolo taona i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela. 13 Niaina 403 taona i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 14 Rehefa niaina telopolo taona i Sela, dia niteraka an'i Hebera. 15 Mbola niaina 403 taona i Sela taorian'ny niterahany an'i Hebera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 16 Rehefa niaina efatra amby telopolo taona i Hebera, dia niteraka an'i Pelega. 17 Mbola niaina 430 taona i Hebera taorian'ny niterahany an'i Pelega. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 18 Rehefa niaina telopolo taona i Pelega, dia niteraka an'i Reho. 19 Mbola niaina 209 taona i Pelega taorian'ny niterahany an'i Reho. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 20 Rehefa niaina roa amby telopolo taona i Reho, dia niteraka an'i Seroga. 21 Mbola niaina 207 taona i Reho taorian'ny niterahany an'i Seroga. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 22 Rehefa niaina telopolo taona i Seroga, dia niteraka an'i Nahora. 23 Mbola niaina roanjato taona i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 24 Rehefa niaina sivy amby roapolo taona i Nahora, dia niteraka an'i Tera. 25 Mbola niaina 119 taona i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera. Niteraka zanaka lahy sy zanaka vavy hafa ihany koa izy. 26 Rehefa niaina fitopolo taona i Tera, dia niteraka an'i Abrama, Nahora sy Harana. 27 Ary ireto ireo taranak'i Tera. Niteraka an'i Abrama, Nahora ary i Harana i Tera, ary Harana niteraka an'i Lota. 28 Harana dia maty tao amin'ny tany nahaterahany raha mbola velona i Tera rainy, tao Ora tao Kaldeana. 29 Nanambady i Abrama sy Nahora. Saray no anaran'ny vadin'i Abrama, ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia i Milka, zanaka vavin'i Harana, izay rain'i Milka sy Iska. 30 Ary Saray dia momba; tsy nanan-janaka izy. 31 Nentin'i Tera i Abrama zanany lahy, Lota zanaka lahin'i Harana zanany, sy Saray vinantovaviny, vadin'i Abrama zanany lahy, ary niaraka niala tao Ora tao Kaldeana izy ireo, mba ho any amin'ny tany Kanana. Fa nankany Harana izy ireo ary nijanona tao. 32 Niaina 205 taona i Tera ary avy eo dia maty tao Harana.