10

1 Ireto avy ny taranak'ireo zanaka lahin'i Noa, dia i Sema, Hama sy Jafeta. Niteraka zaza lahy izy ireo taorian'ny safo-drano. 2 Ireo zanaka lahin'i Jafeta dia i Gomera, Magoga, Maday, Javana, Tobala, Meseka, sy Tirasa. 3 Ireo zanaka lahin'i Gomera dia i Askenaza, Rifata sy Togarma. 4 Ireo zanaka lahin'i Javana kosa dia i Elisaha, Tarsisy, Kitima, sy Dodanita. 5 Nanomboka teo ny nizarazaran'ireo olon'ny moron-tsiraka ary samy nankany amin'ny taniny avy izy ireo, samy nanana ny fiteniny avy, araka ny fokon'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. 6 Ireo zanaka lahin'i Hama dia i Kosy, Mizraima, Pota ary Kanana. 7 Ireo zanaka lahin'i Kosy dia i Seba, Havila, Sabta, Ragama ary Sabteka. Ireo zanaka lahin'i Ragama kosa dia Seba sy Dedana. 8 Kosy dia niteraka an'i Nimroda, izay lehilahy mpandresy voalohany tety an-tany. 9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Yaveh. Izany no nilazana hoe: '"Toa an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Yaveh." 10 Ireo ivon'ny fanjakany voalohany dia Babela, Ereka, Akada, Kalne, izay tao amin'ny tany Sinara. 11 Niala tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria ary nanorina an'i Ninive, Rehobot-ira sy Kala 12 ary Resena, izay teo anelanelan'i Ninive sy Kala. Tanàna lehibe izany. 13 Mizraima niteraka ny Lodita, ny Anamita, ny Lehabita, ny Naftohita, 14 ny Patrosita, ny Kaslohita (avy amin'ireo no niavian'ny Filistina), ary ny Kaftorita. 15 Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta, 16 ary koa ireo Jebosita, ireo Amorita, ireo Girgasita, 17 ireo Hivita, ireo Arkita, ireo Sinita, 18 ireo Arvadita, ireo Zemarita, sy ireo Hamatita. Taty aoriana dia niely ny fokon'ireo Kananita. 19 Ny faritany Kananita dia nanomboka teo Sidona, mitohy mankany Gerara ka hatrany Gaza, ary ny iray izay mankany Sodoma, Gomora, Adma, ary Zeboima, ka hatrany Lasa. 20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny fokon'izy ireo, araka ny fiteniny avy, tao amin'ny tanin'izy ireo, ary tao amin'ny firenen'izy ireo. 21 Niteraka zaza lahy ihany koa i Sema, ilay zokin'i Jafeta lahimatoa. Razamben'ireo olona rehetra avy ao Ebera ihany koa i Sema. 22 Ireo zanaka lahin'i Sema dia i Elama, Asyra, Arpaksada, Loda ary Arama. 23 Ireo zanaka lahin'i Arama dia i Oza, Hola, Gatera ary Masy. 24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela, ary Sela niteraka an'i Ebera. 25 Nanana zanaka roa lahy i Ebera. Ny anaran'ny iray dia i Palega satria tamin'ny androny dia voazara ny tany. Joktana no anaran'ny rahalahiny. 26 Joktana niteraka an'i Almodada, Salefa, Hazarmaveta, Jera, 27 Hadorama, Hozala, Dykla, 28 Obala, Abimaela, Sheba, 29 Ofira, Havila ary Jobaba. Ireo rehetra ireo dia zanaka lahin'i Joktana. 30 Ny faritanin'izy ireo dia nanomboka teo Mesa, hatrany Sefara, tendrombohitra atsinanana. 31 Ireo no zanaka lahin'i Sema, araka ny foko sy ny fitenin'izy ireo, tao amin'ny tanin'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. 32 Ireo no fokon'ireo zanak'i Noa, araka ny firazanan'izy ireo, araka ny firenen'izy ireo. Avy amin'ireo no nampisaraka ireo firenena ka niparitaka nanerana ny tany tao aorian'ny safo-drano.