Nifindra tany Gerara Isaka satria nisy mosary tao amin'ny tany.
Nilaza tamin'Isaka mba tsy hifindra any Egypta Yaveh, ary mba hitoetra ao amin'ny tany izay holazainy an'i Isaka.
Nilaza tamin'Isaka izay hanatanterahany ny fianianana izay nianian'i Yaveh tamin'i Abrahama Izy.
Nilaza Yaveh fa andeha hanao izany Izy satria nankatoa ny feony Abrahama ary nitandrina ny baikony, ny didiny, ny fitsipiny, ary ny lalàny.
Nilaza tamin'ireo lehilahin'i Gerara Isaka fa anabaviny i Rebeka.
Noho ny laingan'i Isaka, dia afaka niray ara-nofo tamin'i Rebeka ary nitondra heloka tamin'ny vahoaka ny olona.
Nandidy Abimeleka fa ny olona izay nikasika an'i Rebeka dia ho vonoina.
Nilaza an'i Isaka mba hifindra hiala amin'ireo Filistina Abimeleka satria hoy izy: "...satria mahery lavitra noho izahay ianao."
Tsy maintsy nihady ireo lava-drano izay nohadian'izy ireo tamin'ny andron'i Abrahama i Isaka satria natsahatr'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama ireo.
Nanome anarana ilay lava-drano, izay tsy nifandiran'ireo mpiandry ondrin'i Gerara taminy, hoe Rehobota i Isaka.
Nilaza indray Yaveh fa hitahy an'i Isaka ary hampitombo ny taranany Izy.
Te hanao fanekena i Abimeleka fa tsy hisy hanao ratsy ny hafa ny andaniny sy ny ankilany, satria hitany fa nomba an'Isaka i Yaveh.
Nanao lanonana Isaka, ka nifampianiana fianianana izy ireo.
Avy amin'ireo Hetita ireo vadin'i Esao roa.
Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka ireo vadin'i Esao.