Genesis 23

Genesis 23:1

Inona no nataon'i Abrahama voalohany rehefa maty Saraha?

Rehefa maty Saraha, dia nisaona sy nitomany azy aloha Abrahama.

Genesis 23:3

Inona no fangatahana nataon'i Abrahama tamin'ireo zanak'i Heta?

Nangataka tany mba atao toerana fandevenana i Abrahama.

Genesis 23:5

Ahoana no navalin'ireo zanak'i Heta ny fangatahan'i Abrahama?

Nanolotra ireo voafantina indrindra tamin'ny fasan'izy ireo an'i Abrahama ireo zanak'i Heta.

Genesis 23:10

Rehefa nangataka ny lava-baton'i Efrona Hetita atao fasana i Abrahama, dia inona no navalin'i Efrona?

Nanolotra ny hanome ny lava-bato ary ny saha akaikin'izany ho an'i Abrahama i Efrona.

Genesis 23:12

Ahoana no navalin'i Abrahama ny tolotr'i Efrona?

Nanolotra ny hividy ny saha sy ny lava-bato Abrahama.

Genesis 23:14

Ahoana no navalin'i Efrona ny tolotr'i Abrahama?

Nangataka sekely volafotsy efajato ho vidin'ny saha sy ny lava-bato i Efrona.

Ahoana no niafaran'ny resak'i Abrahama sy Efrona?

Nandoa sekely volafotsy efajato tamin'i Efrona ho vidin'ny sombin-tany Abrahama.

Genesis 23:17

Inona no tafiditra tao amin'ny vidin'ny sahan'i Efrona izay tao Makpela?

Ny saha, ny lava-bato izay tao amin'izany, ary ny hazo rehetra izay tao an-tsaha ary ny sisintany rehetra manodidina izany no tafiditra tao amin'ny vidin'ny sahan'i Efrona.

Genesis 23:19

Dia inona izany no nanaovan'i Abrahama ilay lava-bato?

Dia nandevina an'i Saraha tao amin'ilay lava-bato Abrahama.