Genesis 22

Genesis 22:1

Fitsapana inona no nataon'Andriamanitra an'i Abrahama?

Nilaza tamin'i Abrahama mba handeha any amin'ny tanin'ny Moria sy hanolotra an'i Isaka ho fanatitra dorana Andriamanitra.

Ahoana no namalian'i Abrahama ny didin'Andriamanitra?

Nifoha maraim-be i Abrahama ary nanainga ho any amin'ny toerana izay nolazain'Andriamanitra azy.

Genesis 22:4

Inona no nolazain'i Abrahama tamin'ireo tovolahy roa fa ataon'izy sy Isaka?

Nilaza ireo tovolahy roa i Abrahama fa handeha hanompo ary dia hiverina izy sy Isaka.

Genesis 22:7

Fanontaniana inona no napetrak'i Isaka tamin'i Abrahama raha niara-nandeha izy ireo?

Nanontany an'i Abrahama i Isaka hoe: "Aiza ilay ondry ho atao fanatitra dorana?"

Ahoana no namalian'i Abrahama ny fanontanian'i Isaka?

Nilaza Abrahama fa Andriamanitra mihitsy no hamatsy ilay ondry ho atao fanatitra dorana.

Genesis 22:9

Rehefa tonga teo amin'ilay toerana izy ireo, dia inona no nomanin'i Abrahama ho fanatitra dorana ary ahoana no nanaovany izany?

Nanomana an'Isaka ho fanatitra dorana tamin'ny famatorana azy sy fampandriana azy teo amin'ny alitara Abrahama.

Genesis 22:11

Rehefa naka ny antsy teny an-tanany Abrahama, dia inona no nolazain'ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Abrahama?

Nilaza tamin'i Abrahama mba tsy handratra an'Isaka ilay anjelin'i Yaveh.

Inona no nolazain'ilay anjely fa fantany momba an'i Abrahama ankehitriny?

Nilaza ilay anjely fa fantany ankehitriny fa matahotra an'Andriamanitra i Abrahama.

Genesis 22:13

Dia ahoana izany no namatsian'Andriamanitra fanatitra dorana ho an'i Abrahama?

Nisy ondry lahy nisaringotra tamin'ireo kirihitra tao aorian'i Abrahama, ka izay no nataon'i Abrahama fanatitra dorana.

Inona no niantsoan'i Abrahama ilay toerana nanaovana ny fanatitra dorana?

Niantso ilay toerana hoe: "Yaveh no hamatsy" Abrahama.

Genesis 22:15

Inona no antony nanomezan'ilay anjelin'i Yaveh fitahiana an'i Abrahama?

Nilaza ilay anjelin'i Yaveh fa hitahy an'i Abrahama izy satria tsy niaro ny zanany lahy tokana i Abrahama.

Genesis 22:18

Tamin'ny alalan'iza ary nahoana no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany?

Amin'ny alalan'ny taranak'i Abrahama no hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany, satria nankatoa ny feon'ny anjelin'i Yaveh i Abrahama.