Genesis 21

Genesis 21:1

Inona no nataon'i Yaveh ho an'i Saraha?

Nitsidika an'i Saraha i Yaveh ka niteraka zaza lahy ho an'i Abrahama tamin'ny fotoana nampanantenaina izy.

Rehefa valo andro Isaka, dia inona no nataon'i Abrahama?

Rehefa valo andro Isaka, dia namora azy Abrahama.

Genesis 21:5

Inona no nolazain'i Saraha fa nanaovan'Andriamanitra azy?

Nilaza Saraha fa nampihomehy azy Andriamanitra.

Genesis 21:8

Tamin'ny andro nanasarahi-nono an'i Isaka, dia inona no hitan'i Saraha?

Nahita ny zanaka lahin'i Hagara naneso azy i Saraha.

Genesis 21:10

Inona no nolazain'i Saraha mba hanaovan'i Abrahama an'i Hagara sy ny zanany lahy, ary nahoana?

Nilaza tamin'i Abrahama mba handroaka an'i Hagara sy ny zanany lahy i Saraha, satria tsy handova miaraka amin'i Isaka ny zanak'i Hagara.

Inona no fihetsik'i Abrahama tamin'ny fangatahan'i Saraha?

Ory tamin'ny fangatahan'i Saraha i Abrahama.

Genesis 21:12

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Abrahama?

Nilaza an'i Abrahama mba hihaino an'i Saraha Andriamanitra.

Genesis 21:14

Taiza no nalehan'i Hagara sy ny zanany rehefa noroasin'i Abrahama izy ireo?

Nankany an'efitra i Hagara sy ny zanany.

Genesis 21:17

Inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Hagara fa hataony ho an'ny zanany?

Nilaza Andriamanitra fa hanao ny zanak'i Hagara ho firenena lehibe Izy.

Genesis 21:19

Ahoana no niveloman'i Hagara sy ny zanany?

Nampahiratra ny mason'i Hagara Andriamanitra ka nahita fantsakana izy.

Inona no nanjo ny zanak'i Hagara raha nitombo izy?

Lasa mpandefa tsipìka ny zanak'i Hagara ary nahita vady ho azy tany Egypta ny reniny.

Genesis 21:22

Inona no tian'i Abrahama hianianan'i Abimeleka mba hatao ho azy?

Tian'i Abimeleka hianiana Abrahama mba tsy hanao ratsy amin'i Abimeleka, na ny zanany, na ny taranany. Nangataka an'i Abrahama mba haneho azy ny fahatokisam-panekena izay nasehon'i Abimeleka tamin'i Abrahama aminy ihany izy.

Genesis 21:25

Inona no nitarainan'i Abrahama tamin'i Abimeleka?

Nitarana tamin'i Abimeleka momba ny fantsakan-drano izay nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy i Abrahama.

Genesis 21:28

Nahoana no nandefa zanak'ondrivavy fito tany amin'i Abimeleka i Abrahama?

Nandefa zanak'ondrivavy fito tany amin'i Abimeleka ho vavolombelona fa efa nangady ny fantsakana izy.

Genesis 21:31

Tany amin'ny tany taiza no niverenan'i Abimeleka?

Niverina tany amin'ny tanin'ireo Filistina i Abimeleka.

Genesis 21:33

Inona no nataon'i Abrahama teo amin'ny hazo voamadilo tao Beri-sheba?

Nanompo an'i Yaveh, ilay Andriamanitra mandrakizay Abrahama.

Nitoetra taiza nandritra ny andro maro Abrahama?

Nitoetra andro maro tany amin'ny tanin'ny Filistina i Abrahama.