Genesis 20

Genesis 20:1

Inona no nolazain'i Abrahama momba an'i Saraha raha nipetraka tao Gerara izy?

Nilaza Abrahama fa anabaviny Saraha.

Inona no nolazain'Andriamanitra tamin'i Abimeleka taorian'ny nakany an'i Saraha?

Tonga tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy Andriamanitra ary nilaza taminy fa lehilahy maty izy satria naka vadin'olona izy.

Genesis 20:4

Inona no nolazain'i Abimeleka tamin'Andriamantra fa nolazain'i Abrahama sy Saraha azy?

Nilaza tamin'Andriamanitra i Abimeleka fa nilaza an'i Saraha ho anabaviny i Abrahama, ary nilaza an'i Abrahama ho anadahiny i Saraha.

Genesis 20:6

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Abimeleka, ary inona no nolazain'Andriamanitra fa hitranga raha tsy nanao izany izy?

Nilaza tamin'i Abimeleka mba hamerina an'i Saraha any amin'i Abrahama Andriamanitra; raha tsy izany, dia ho faty izy sy ny vahoakany rehetra.

Genesis 20:8

Ahoana no navalin'ireo lehilahin'i Abimeleka rehefa ren'izy ireo izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Abimeleka?

Natahotra mafy ireo lehilahin'i Abimeleka rehefa ren'izy ireo izay nolazain'Andriamanitra taminy.

Genesis 20:10

Nahoana no nilaza Abrahama fa tsy maintsy nilaza tamin'i Abimeleka izy fa anabaviny Saraha?

Nilaza izany Abrahama satria natahotra izy fandrao hamono azy noho i Saraha i Abimeleka.

Inona no tena maha-anabavin'i Abrahama an'i Saraha?

Zanaka vavin'ny rainy, fa tsy zanaky ny reniny i Saraha.

Genesis 20:15

Biby sy olona inona no nomen'i Abimeleka an'i Abrahama?

Nanome ondry sy omby, andevo vavy sy lahy ho an'i Abrahama i Abimeleka.

Inona no antony nanomezan'i Abimeleka an'i Saraha ary nahoana no nanome volafotsy arivo ny anadahiny izy?

Nilaza tamin'i Saraha i Abimeleka fa nanome volafotsy arivo ho an'ny anadahiny izy mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao tamin'i Saraha teo imason'ireo olon-drehetra izay niaraka tamin'i Saraha, sy teo anatrehan'ny olona rehetra.

Genesis 20:17

Inona no nitranga rehefa nivavaka tamin'Andriamanitra ho an'i Abimeleka sy ny vahoakany i Abrahama?

Nanasitrana an'i Abimeleka, ny vadiny, ary ireo andevo vaviny mba hafahan'izy ireo mahazo zanaka Andriamanitra.