Genesis 19

Genesis 19:1

Rehefa nahita ireo anjely roa nankany Sodoma i Lota, dia inona no natolony azy ireo?

Nanolotra Lota mba hitoetra ao an-tranony izy ireo mandritra ny alina, ary dia handeha izy ireo ny maraina.

Inona no navalin'ireo anjely an'i Lota?

Nilaza ireo anjely fa handany ny alina any amin'ny kianjan'ny tanàna izy ireo.

Rehefa niangavy mafy i Lota, dia taiza ihany no notapahan'ireo anjely fa handaniana ny alina?

Farany, dia niaraka tamin'i Lota tany an-tranony nandritra ny alina ireo anjely.

Genesis 19:4

Inona no tian'ireo lehilahin'ny tanàna izay nanodidina ny tranon'i Lota mba hataon'i Lota?

Tian'ireo lehilahy hamoaka ireo lehilahy roa izay nitsidika azy i Lota, mba ahafahan'izy ireo miara-mandry amin'izy ireo.

Genesis 19:6

Inona kosa no fifanarahana nataon'i Lota tamin'ireo lehilahin'ny tanàna?

Nanolotra ireo zanany roavavy tamin'ireo lehilahin'ny tanàna ho solon'ireo mpitsidika roa i Lota.

Genesis 19:9

Ahoana no namalian'ireo lehilahy ny tolotr'i Lota?

Nilaza tamin'i Lota ireo lehilahy mba hijanona aoriana ary efa hamotika ny varavarana izy ireo.

Genesis 19:10

Dia inona izany no nataon'ireo anjely?

Nisintona an'i Lota hiditra ao an-trano ary namely ireo lehilahy tany ivelany tamin'ny hajambana ireo anjely.

Genesis 19:12

Inona no nolazain'ireo anjely fa nanirahan'i Yaveh azy ireo?

Nilaza ireo anjely fa nirahina mba handrava ny tanàna izy ireo.

Genesis 19:14

Ahoana no navalin'ireo vinanto lahin'i Lota rehefa niteny tamin'izy ireo mba ho haingana sy hiala an'i Sodoma Lota satria efa ho ravana izany?

Nihevitra ireo vinanto lahin'i Lota fa nivazivazy i Lota.

Rehefa nangiran-dratsy ny andro, dia inona no nolazain'ireo anjely mba hataon'i Lota?

Nilaza an'i Lota mba hitondra ny vadiny sy ireo zanany vavy ary hiala ao amin'ny tanàna ireo anjely.

Genesis 19:16

Nahoana no nitondra an'i Lota sy ny fianakaviany tamin'ny tanan'izy ireo hivoaka ny tanàna ireo anjely, na dia nitaredretra aza i Lota?

Nandefa azy ireo nivoaka ny tanàna ireo anjely satria feno indra-fo tamin'izy ireo Yaveh.

Baiko inona no nomen'ireo anjely an'i Lota rehefa tany ivelan'ny tanàna izy ireo?

Nilaza an'i Lota sy ny fianakaviany mba handositra ho an'ny ain'izy ireo ary tsy hitodika ireo anjely.

Genesis 19:21

Taiza no navelan'ilay anjely mba handosiran'i Lota sy ny fianakaviany?

Navela handositra tany amin'ny tanàna kely antsoina hoe Zoara i Lota sy ny fianakaviany.

Genesis 19:23

Inona no nataon'i Yaveh rehefa tonga tany Zoara i Lota?

Nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh.

Genesis 19:26

Inona no nataon'ny vadin'i Lota ary inona no nanjo azy?

Niherika ny vadin'i Lota, ka tonga vongan-tsira izy.

Inona no hitan'i Abrahama vao maraim-be raha nijery tany amin'ny tany lemaka izy?

Nahita setroka niakatra avy tamin'ny tany tahaka ny setrokin'ny lafaoro lehibe Abrahama.

Genesis 19:30

Dia taiza izany no nifindran'i Lota ary nahoana?

Dia nifindra tany amin'ireo tendrombohitra i Lota satria natahotra ny hipetraka tao Zoara izy.

Genesis 19:31

Inona no tetik'ireo zanaka vavin'i Lota ny amin'ny rainy?

Nitetika ny hahamamo ny rainy ireo zanaka vavin'i Lota, avy eo dia handry hiaraka aminy mba hanan-janaka izy ireo.

Genesis 19:36

Vondron'olona iza avy no avy amin'ireo zanaka vavin'i Lota?

Ny vondron'olona Moabita sy Amonita no avy amin'ireo zanaka vavin'i Lota.