Genesis 18

Genesis 18:1

Raha nipetraka teo antokanam-baravaran'ny lainy Abrahama, dia inona no hitany rehefa niandrandra izy?

Nahita lehilahy telo nitsangana teo amin'ny tandrifiny Abrahama.

Genesis 18:3

Inona no nomen'i Abrahama ireo lehilahy?

Nanome rano mba hisasana, sy sakafo ho an'ireo lehilahy Abrahama.

Genesis 18:9

Taiza Saraha rehefa nanome tsindry mandry ilay vahiny?

Tao an-day i Saraha.

Tsindry mandry inona no nomen'ilay mpitsidika iray mahakasika an'i Saraha?

Ilay mpitsidika iray dia nilaza fa rehefa niverina izy, dia hanan-janaka lahy i Saraha.

Genesis 18:11

Ahoana no namalian'i Saraha ny faminanian'ilay mpitsidika?

Nihomehy ny tenany i Saraha rehefa nandre ny faminanian'ilay mpitsidika izy.

Genesis 18:13

Inona no nolazain'i Yaveh, ilay mpitsidika, momba ny navalin'i Saraha?

Nanontany Yaveh hoe fa nahoana i Saraha no nihomehy, ary nilaza hoe: "Moa misy zavatra sarotra loatra amin'i Yaveh ve?"

Genesis 18:16

Rehefa niala tao an-tranon'i Abrahama ireo lehilahy, dia nandeha nankaiza izy ireo?

Niala tao an-tranon'i Abrahama ireo lehilahy ka nandeha nankany Sodoma.

Fanontaniana inona no napetrak'i Yaveh raha mbola nandeha izy ireo?

Nilaza Yaveh hoe: "Tokony afeniko amin'i Abrahama ve izay ho ataoko?"

Inona no nolazain'i Yaveh fa tsy maintsy ataon'i Abrahama mba ahafahan'i Yaveh manantanteraka ireo fampanantenana nomena an'i Abrahama?

Nilaza Yaveh fa tsy maintsy mampianatra ireo zanany sy ny ankohonany mba hanao ny marina sy ny rariny Abrahama.

Genesis 18:20

Nahoana no nankany Sodoma ireo lehilahy?

Nankany Sodoma ireo lehilahy satria lehibe loatra ny fitarainana ny amin'i Sodoma sy Gomora, ary te hahita izy ireo raha ratsy tahaka ny fitarainana ireo tanàna.

Genesis 18:22

Raha nijoro niaraka tamin'i Yaveh i Abrahama, dia fanontaniana inona no napetrany tamin'i Yaveh?

Nanontany Abrahama hoe: "Hifaoka ny marina miaraka amin'ny ratsy fanahy ve Ianao?"

Genesis 18:24

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy dimampolo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.

Genesis 18:27

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy dimy amby efapolo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.

Genesis 18:29

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy efapolo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy telopolo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy dimy roapolo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.

Genesis 18:32

Inona no nolazain'i Yaveh fa hataony raha misy folo marina ao amin'ny tanàna?

Nilaza Yaveh fa hiantra ny toerana manontolo nohon'ny amin'izy ireo.