Genesis 17

Genesis 17:1

Firy taona i Abrama rehefa niseho taminy indray mba hanamafy ny fanekeny tamin'i Abrama Andriamanitra?

Sivy amby sivifolo taona i Abrama rehefa niseho taminy indray Yaveh.

Didy inona no nomen'i Yaveh an'i Abrama mahakasika ny fomba fiainan'i Abrama?

Nandidy an'i Abrama mba handeha eo anoloany ka tsy hisy tsiny Yaveh.

Genesis 17:3

Novain'i Yaveh ho inona ny anaran'i Abrama, ary inona no dikan'ilay anarana?

Novain'i Yaveh ho Abrahama, izay midika hoe "rain'ny firenena maro" ny anaran'i Abrama.

Genesis 17:7

Inona no nomen'i Yaveh ireo taranak'i Abrahama ho ampahany amin'ny fanekena?

Nanome ny tanin'i Kanana rehetra ho an'ireo taranak'i Abrahama ho ampahany amin'ny fanekena Yaveh.

Inona no nolazain'i Yaveh fa ho fifandraisana eo amin'ireo taranak'i Abrahama sy Yaveh?

Nilaza Yaveh fa ho Andriamanitr'ireo taranak'i Abrahama Izy.

Genesis 17:9

Inona no nandidian'i Yaveh mba hatao ho famantarana ny fanekena teo amin'i Abrahama sy Yaveh?

Nandidy i Yaveh fa foraina ny lahy rehetra mba ho famantarana ny fanekena teo amin'i Abrahama sy Yaveh.

Genesis 17:12

Amin'ny faha-firy taona ny zazakely no tsy maintsy foraina?

Tsy maintsy foraina aorian'ny valo andro ny zazakely.

Inona no tsy maintsy anaovana ireo vahiny izay nankao amin'ny tokantrano iray izay tao amin'ny fanekena tamin'i Yaveh?

Ireo vahiny izay nankao amin'ny tokantrano iray izay tao amin'ny fanekena tamin'i Yaveh ihany koa dia ho foraina.

Inona no hitranga amin'ny lahy izay tsy voafora?

Ny lahy rehetra izay tsy voafora dia hofongorina hiala amin'ny vahoakany satria nandika ny fanekena izy.

Genesis 17:15

Novain'i Yaveh ho iza ny anaran'i Saray?

Novain'i Yaveh ho Saraha ny anaran'i Saray.

Inona no nampanantenan'i Yaveh fa ho avy amin'i Saraha?

Nampanantena Yaveh fa ho avy amin'i Saraha ny zanaka lahin'i Abrahama.

Genesis 17:17

Ahoana no namalian'i Abrahama ny fampanantenan'i Yaveh mahakasika an'i Saraha?

Nihomehy ary nanontany hoe ahoana no hisy zaza hateraky ny lehilahy sy vehivavy izay efa tena antitra Abrahama.

Genesis 17:19

Inona no nolazain'Andriamanitra fa tsy maintsy hiantsoan'i Abrahama ny zanaka lahy izay ho avy amin'i Saraha?

Nilaza Andriamanitra fa tsy maintsy miantso ny zanany lahy hoe Isaka i Abrahama.

Inona no nolazain'Andriamanitra fa haoriny amin'i Isaka?

Nilaza Andriamanitra fa hanorina ny fanekeny amin'i Isaka Izy.

Fampanantenana inona no nataon'Andriamanitra mahakasika an'Ismaela?

Nampanantena fa hitahy an'i Ismaela, mba hampamokatra azy, ary mba hanao azy ho firenena lehibe Andriamanitra.

Genesis 17:24

Rehefa niala teo amin'i Abrahama Andriamanitra, dia inona no nataon'i Abrahama tamin'izany andro izany ihany?

Tamin'izany andro izany ihany, dia namora ireo lahy rehetra tao an-tokantranony i Abrahama.

Firy taona i Ismaela rehefa noforaina izy?

Telo ambin'ny folo taona Ismaela tamin'izy noforaina.