Genesis 6

Genesis 6:1

Rehefa nitombo tamin'ny tany ny olombelona, dia inona no nataon'ireo zanak'Andriamanitra?

Naka vady ho azy ireo avy amin'ireo zanaka vavin'ny olombelona ireo zanaka lahin'Andriamanitra.

Inona no nolazain'Andriamanitra ankehitriny momba ny halavan'ny fiainan'olombelona?

Nilaza Andriamanitra fa hiaina 120 taona ny olombelona.

Genesis 6:4

Iza ireo lehilahy mahery taloha, dia ireo lehilahy nanana laza?

Ireo goavana iizay teraka tamin'ny fanambadian'ireo zanaka lahin'Andriamanitra tamin'ireo zanakavavin'ny olona no lehilahy mahery taloha.

Genesis 6:5

Inona no hitan'i Yaveh tao am-pon'ny olombelona tamin'ireo andro ireo?

Hitan'i Yaveh fa lehibe ny faharatsian'ny olombelona, ary fa ratsy ny eritreritr'izy ireo.

Genesis 6:7

Inona no notapahan'i Yaveh fa hanaovany ny olombelona?

Nanapa-kevitra ny handringana ny olombelona hiala amin'ny tany Yaveh.

Fa iza no nahita sitraka tamin'i Yaveh?

Noa no nahita sitraka tamin'i Yaveh.

Genesis 6:9

Karazan'olona ahoana i Noa?

Noa dia lehilahy marina, ary tsy nisy tsiny, ary lehilahy izay nandeha niaraka tamin'i Yaveh.

Genesis 6:13

Inona no nolazain'Andriamanitra mba hataon'i Noa mialohan'ny handringanan'Andriamanitra ny olombelona?

Nilaza tamin'i Noa ny mba hanamboarany sambo Andriamanitra.

Genesis 6:16

Ahoana no nolazain'Andriamanitra fa hamotehany ny nofo rehetra izay nisy fofon'aina tao aminy?

Nilaza Andriamanitra fa hitondra safo-drano eny ambonin'ny tany Izy.

Genesis 6:18

Kanefa nanorina ny fanekeny tamin'iza Andriamanitra?

Nanorina ny fanekeny tamin'i Noa Andriamanitra.

Iza no nolazain'Andriamanitra mba ho entin'i Noa ao amin'ny sambo?

Nilaza tamin'i Noa ny hitondrany ny vadiny, ireo zanany telolahy, ary ireo vadin-janany Andriamanitra.

Biby inona no tsy maintsy nentina tao amin'ny sambo mba ho tazonina ho velona?

Roa avy amin'ny karazana zava-manan'aina rehetra, lahy sy vavy, no tsy maintsy nentina tao amin'ny sambo.

Genesis 6:20

Ahoana no namalian'i Noa ireo didin'Andriamanitra?

Nanao ny rehetra nandidian'Andriamanitra i Noa.