Genesis 3

Genesis 3:1

Inona no fanontaniana voalohany izay nanontanian'ilay menarana ilay vehivavy?

Nanontany an-dravehivavy ilay menarana hoe: "Tena nilaza tokoa ve Andriamanitra hoe: 'Tsy azonareo hihinanana ny hazo rehetra ao amin'ny saha?'"

Genesis 3:4

Rehefa niteny ravehivavy fa niteny tamin'izy ireo Andriamanitra fa raha nihinana avy amin'ny hazo eo afovoan'ny saha izy ireo, dia inona no nolazain'ilay menarana?

Hoy ilay menarana: "Tsy ho faty izany ianareo."

Inona no nolazain'ilay menarana fa hanjo ilay lehilahy sy vehivavy raha nihinana ny voankazo izy ireo?

Nilaza ilay menarana fa ho tahaka an'Andriamanitra izy ireo, hahalala ny tsara sy ratsy.

Inona no nahasarika an-dravehivavy tamin'ny voankazo tamin'ilay hazo?

Hitany fa tsara ho hanina izany, nanintona ny maso, ary nampitsiriritra fa mampahendry

Iza no nihinana ilay voankazo?

Nihinana ravehivavy, ary nanome sasany ho an'ny vadiny izay nihinana ihany koa.

Genesis 3:7

Inona no nanjo azy ireo rehefa nihinana ilay voankazo izy ireo?

Rehefa nihinana izy ireo, dia nihiratra ny mason'izy ireo, ka dia fantatr'izy ireo fa nitanjaka izy ireo.

Inona no nataon-dralehilahy sy ravehivavy rehefa tonga tao an-tsaha Andriamanitra?

Niafina an'Andriamanitra izy ireo.

Genesis 3:9

Nahoana no niafina tamin'Andriamanitra ralehilahy rehefa tonga tao an-tsaha Izy?

Niafina ralehilahy satria nitanjaka izy koa dia natahotra.

Genesis 3:12

Iza no nolazain-dralehilahy fa tompon'andraikitra tamin'ny fanomezana ilay voankazo azy?

Nilaza ralehilahy fa ravehivavy no tompon'andraikitra.

Iza no nolazain-dravehivavy fa tompon'andraikitra tamin'ny fanomezana ilay voankazo azy?

Nilaza ravehivavy fa ny menarana no tompon'andraikitra.

Genesis 3:14

Fifandraisana toy ny ahoana no nolazain'i Yaveh fa ataony misy eo amin'ny menarana sy ny vehivavy?

Nilaza Andriamanitra fa hahatonga azy ireo hifankahala Izy.

Genesis 3:16

Ozona inona no nomen'Andriamanitra an-dravehivavy mahakasika ny fiterahana?

Hampitomboin'Andriamanitra ny fanaintainan-dravehivavy amin'ny fiterahana.

Genesis 3:17

Ozona inona no nomen'Andriamanitra an-dralehilahy mahakasika ny asa?

Nanozona ny tany Andriamanitra mba ho amin'ny alalan'ny asa feno fanaintainana no hihinanany avy amin'izany.

Genesis 3:20

Inona no anarana nomen-dralehilahy an-dravehivavy, ary nahoana?

Eva no nataon-dralehilahy anaran-dravehivavy, satria izy no renin'ny manan'aina rehetra.

Nanao inona ho an'i Adama sy Eva Andriamanitra, ary nahoana?

Nanao akanjo hoditra ho azy ireo Andriamanitra mba hotafian'izy ireo.

Genesis 3:22

Nahoana no nilaza Andriamanitra fa tsy afaka mihinana amin'ny hazon'aina Adama ankehitriny?

Nilaza Andriamanitra fa satria efa nahalala ny tsara sy ny ratsy Adama ankehitriny dia tsy afaka mihinana amin'ny hazon'aina, satria ho velona mandrakizay izy.

Inona no nataon'Andriamanitra mba hampitandremana an'i Adama mba tsy hihinana avy amin'ny hazon'aina?

Noroasin'Andriamanitra hiala ny saha ralehilahy ary nametraka kerobima teo mba hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina Izy.