Genesis 34

Genesis 34:1

Ary

Eto izany teny izany dia nampiasaina hanamarihana fizaran-tantara vaovao.

Dina

Anaran'ilay zanaka vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny30:19.

ilay Hivita

Anaram-bondron'olona izany. Jereo ny nandikanao ny teny mitovy hoe: "Hivita" ao amin'ny 10:15.

ilay andriandahin'ny tany

Ilazana an'i Hamora izany fa tsy Sekema. Ny "andriandahi(y)" eto dia tsy midika hoe zanaka lahin'i mpanjaka. Ny dikany dia i Hamora no mpitarika ny olona tao amin'izany faritra izany.

nanolana azy ary niara-nandry taminy

Nanery an'i Dina hiara-mandry aminy i Sekema. na "nanolana an'i Dina i Sekema."

Nahasarika azy tokoa i Dina

"Tena babony tanteraka izy" na "voasinton'ny hatsarany izy" (UDB). Miresaka mahakasika ny fitiavan'i Sekema an'i Dina sy ny fitiavany hiaraka aminy toy ny hoe misy zavatra manery azy hanatona an'i Dina. DH: "Tena maniry fatratra ny hiaraka amin'i Dina izy"

niresaka tam-pitiavana taminy

Ny heviny dia miresaka am-pitiavana mba handresena lahatra azy ho tia azy sy maniry ny mba hitiavany azy ihany koa.

Genesis 34:4

Ary Jakoba

Ny "Ary" eto dia nampiasaina hanamarika ny fiovana avy amin'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Jakoba.

Jakoba nandre fa (...) izy

Ny teny hoe "izy" dia ilazana an'i Sekema.

efa nandoto (...) izy

Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy.

nitazona ny fahanginany

Fomba entina milaza ny tsy firesahan'i Jakoba mahakasika ilay raharaha izany.

Genesis 34:6

Nankany amin'i Jakoba ... i Hamora

"Nankany amin'i Jakoba mba hihaona ... i Hamora "

Tohina tokoa ireo lehilahy ireo

"Tezitra mafy ireo lehilahy ireo"

Tezitra mafy izy ireo ... dia tsy tokony natao

Afaka atao hoe ireo zanaka lahin'i Jakoba no niteny izany mivantana toy ny ao amin'ny UDB.

nanala baraka an'Israely izy

Ny teny hoe "Israely" eto dia ilazana ny ankohonan'i Jakoba rehetra. Ny maha vondron'olona an'i Israely mihintsy no voaloto. DH: "nanala baraka ny ankohonan'Israely izy" na "nitondra henatra teo amin'ny vahoakan'ny Israely izy"

fanaovany an-keriny ny zanaka vavin'i Jakoba

"Nanery ny zanaka vavin'i Jakoba"

fa izany karazan-javatra izany dia tsy tokony natao

Afaka atao izany hoe: DH: "satria tsy tokony nanao izany zavatra maharikoriko izany izy"

Genesis 34:8

Niresaka tamin'izy ireo i Hamora

"Niresaka tamin'i Jakoba sy ireo zanany lahy i Hamora"

tia ny zanakao vavy

Eto ny teny hoe "tia" ilazana ny fitiavan'olon-droa izany hoe fitiavana eo amin'ny lehilahy iray sy vehivavy iray. DH: "tia azy ary maniry hanambady azy"

omeo ho vadiny (re) izy

Amin'ny ireo kolon-tsaina sasany, dia ny ray aman-dreny no manapa-kevitra ny amin'izay ho vadin-janany.

Mifanambadia aminay

Ny mifanambady dia maka vady amin'ny antoko tsy mitovy firazanana, fiarahamonina na finoana na foko. DH: "Avelao hifanambady ny olonareo sy ny anay"

ny tany hisokatra ho anareo

"ho afaka mampiasa ny tany ianareo"

Genesis 34:11

Hoy Sekema tamin'ny rainy

"Hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina"

Aoka hahita sitraka eo imasonareo aho, ary na inona na inona lazainareo ahy dia homeko

Eto ny " ..maso.." dia ilazana ny fisainana sy ny hevitrin'ny olona. DH: "raha manaiky ahy ianareo, dia homeko izay rehetra angatahinareo"

sandan'ny vady

Amin'ny ireo kolon-tsaina sasany, dia fomba ho an'ny lehilahy ny manome vola, na fananana, na omby, na fanomezana hafa ho an'ny havan-dravehivavy amin'ny fotoanan'ny fampiakarana.

Namaly am-pitaka an'i Sekema sy Hamora rainy ireo zanaka lahin'i Jakoba

Ny anarana hoe "fitaka" = " am-pitaka" dia azo atao hoe "mamitaka". DH: "kanefa ireo zanaka lahin'i Jakoba nandainga tamin'i Sekema sy Hamora raha namaly ny resak'izy ireo"

nandoto an'i Dina (...) i Sekema

Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy. Jereo ny nandikanao ny "nandoto" ao amin'ny 34:4.

Genesis 34:14

Hoy ireo tamin'izy ireo hoe

"Hoy ireo zanaka lahin'i Jakoba tamin'i Sekema sy Hamora hoe"

Tsy afaka manao izany zavatra izany izahay, hanome ny anabavinay

"Tsy afaka ny hanaiky ny hanome an'i Dina ho amin'ny fanambadiana izahay"

fa ho fahafaham-baraka ho anay izany

"fa hahatonga henatra ho anay izany." Eto ny "anay" dia ilazana an'ireo zanaka lahin'i Jakoba sy ireo olona Israely rehetra.

homenay anareo ireo zanakay vavy ... ho alainay ho anay ireo zanakareo vavy

Ny heviny dia hoe hamela ny olona avy ao amin'ny fianakavian'i Jakoba hanambady olona izay mipetraka ao amin'ny tanin'i Hamora.

Genesis 34:18

Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo

Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazaina. DH: "Niombon-kevitra tamin'izay nolazain'ireo zanaka lahin'i Jakoba i Hamora sy i Sekema zanany"

nanao izay nolazain'izy ireo

"ny ho tonga voafora"

zanaka vavin'i Jakoba

"Dina zanaka vavin'i Jakoba"

satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra

Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. Afaka azavaina fa i Sekema dia nahafantatra fa ireo lehilahy hafa dia hiombon-kevitra ny ho foraina satria izy ireo dia nanaja azy. DH: "Fantatr'i Sekema fa ireo lehilahy hafa rehetra ao amin'ny ankohonan-drainy dia hiombon-kevitra aminy satria izy no nomem-boninahitra indrindra teo amin'izy ireo"

Genesis 34:20

ilay vavahadin'ny tanànan'izy ireo

Mahazatra ireo mpitarika ny mivory eo amin'ny vavahadin'ny tanàna mba hanapaka fanapahan-kevitra eken'ny rehetra.

ireo olona ireo

"Jakoba, ireo zanany lahy, sy ireo vahoakan'Israely"

Mihavana amintsika

Eto ny "...tsika" dia ilazana an'i Hamora, ny zanany lahy ary ireo olona rehetra izay niresaka tamin'izy ireo teo am-bavahadin'ny tanàna.

koa avelao izy ireo honina amin'ny tany sy hanao varotra eo amin'izany

"Avelao izy ireo honina sy hivarotra eo amin'ny tany"

satria tokoa, tena, midadasika ampy ho azy ireo ny tany

Nampiasa ny teny hoe "tena" i Sekema mba hanindriny ny fanambarany. "satria, tokoa, midadasika ampy ho azy ireo ny tany" na "satria, tokoa mantsy, maro ireo tany mety ho azy ireo"

Haka ny zanaka vavin'izy ireo ... hanome azy ireo ny zanantsika vavy

Ilazana ny fanambadiana eo amin'ireo vehivavin'ny vondrona iray sy ireo lehilahin'ny vondrona iray hafa. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 34:8.

Genesis 34:22

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'ireo loholon'ny tanàna i Hamora sy Sekema zanany.

Amin'ity fepetra tokana ity ihany no haneken'ireo olona hiara-honina amintsika sy ho tonga vahoaka iray: raha mifora avokoa ny lehilahy rehetra eo amintsika, toy ny maha-voafora azy ireo

"Raha voafora ny lehilahy rehetra eto amintsika, toy ny maha-voafora ny lehilahin'Israely, dia izay vao hanaiky ny hiara-honina amintsika sy hikambana ho vahoaka iray amintsika izy ireo"

Tsy ho lasantsika avokoa ve ny biby fiompy sy ny fananan'izy ireo—ary ny biby rehetra?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Sekema mba hanasongadinana fa ireo biby fiompy sy ny fananan'i Jakoba dia ho lasan'i olon'i Sekema avokoa. Afaka adika ho fanambarana izany. DH: "Ireo biby fiompy sy ny fananan'izy ireo rehetra dia ho lasantsika."

Genesis 34:24

Noforaina avokoa ny lehilahy rehetra

Afaka atao izany hoe: DH: "Koa dia naka olona hamora ny lehilahy rehetra i Hamora sy Sekema"

Tamin'ny andro fahatelo

"fahatelo" dia telo amin'ny filaharan'isa. Afaka atao izany hoe: DH: "tao aorian'ny roa andro"

raha mbola tao anatin'ny fanaitainana izy ireo

"raha mbola tao anatin'ny fanaitainana ireo lehilahin'ny tanàna" na "raha mbola tao anatin'ny fanaitainana ireo lehilahy tao an-tanàna"

samy nandray ny sabatrany

"naka ny sabatr'izy ireo avy"

nanafika ny tanàna (...) izy ireo

Eto ny "tanàna" dia ilazana ny olona. DH: "nanafika ny olona tao an-tanàna izy ireo"

fiarovana, (...) ka namono ny lehilahy rehetra izy ireo

Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. "fiarovana. Namono ireo lehilahy rehetra tao an-tanàna i Simeona sy Levy"

tamin'ny lelan-tsabatra

Eto ny "lela" dia ilazana ilay zorony maranitra amin'ny sabatra. DH: "tamin'ilay zorony maranitra amin'ny sabatra" na "tamin'ny sabatr'izy ireo"

Genesis 34:27

ireo faty

"ireo fatin'i Hamora, Sekema, ary ireo olon'izy ireo"

nandroba ny tanàna

"nangalatra ny zava-tsarobidy rehetra tao amin'ilay tanàna"

satria nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona

I Sekema irery no nandoto an'i Dina, kanefa ireo zanaka lahin'i Jakoba dia nisokajy ireo fianakavian'i Sekema manontolo sy ny olona rehetra tao an-tanàna ho tompon'andraikitra tamin'izany tranga izany.

efa nandoto

Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy i Sekema. Jereo ny nandikanao ny "nandoto" ao amin'ny 34:4.

Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo

"Nalain'ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo ondry aman'osin'ny olona"

ny haren'izy ireo rehetra

"ny fananan'izy ireo rehetra sy ny volany"

Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo

"nosamborin'izy ireo avokoa ny zanaka sy ny vadin'izy ireo"

Genesis 34:30

Nitondra olana ho ahy

Ny nanao izay hahatonga olana amin'ny olona dia resahina toy ny zavatra izay azo entina ary apetraka eo amin'ny olona ny "olana". DH: "nitondra olana lehibe ho ahy"

nahamaimbo ahy teo amin'ireo mponin'ny tany

Nanao izay hankahalan'ny olona manodidina an'i Jakoba dia resahina toy ny hoe nanao izay nahamaimbo an'i Jakoba ireo zanany. Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany DH: "Nanao izay hankahalan'ny olon'ny tany ahy ianareo"

Vitsy an'isa aho ... hanohitra ahy sy hamely ahy izy ireo, dia ho resy aho, izaho sy ny ankohonako

Eto ny teny hoe: "aho" sy ny "ahy" dia ilazana ny ankohonan'i Jakoba rehetra. Ny "aho" sy ny "ahy" ihany no nampiasain'i Jakoba satria izy no mpitarika. DH: "vitsy ny ankohonako ... hanohitra sy hamely antsika, dia handringana antsika rehetra izy ireo"

miara-mihoko hanohitra ahy sy hamely ahy

"hanangana tafika sy hanohitra ahy" na "hanangana tafika sy hanohitra antsika"

dia ho resy aho

Afaka atao izany hoe: DH: "handringana ahy izy ireo" na "handringana antsika izy ireo"

Tokony hitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga ve i sekema?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Simeona sy Levy mba hanindrina fa nanao izay ratsy ary mendrika ny ho faty i Sekema. DH: "Tsy tokony nitondra ny anabavinay tahaka ny vehivavy janga i sekema!"