Genesis 31

Genesis 31:1

Ary

Izany teny izany eto dia nampiasana mba hanamarihana ny fiatohana ao amin'ilay tena fizotry ny tantara. Eto ny mpanoratra dia manomboka mampiditra fizan-tantara vaovao.

Jakoba nandre ireo tenin'ny zanaka lahin'i Labana, fa nilaza izy ireo hoe

Eto ny ''teny'' dia ilazana izay nolazain'ireo. dia DH: "Ren'i Jakoba fa ireo zanaka lahin'i Labana nilaza hoe''

Nalain'i Jakoba avokoa izay rehetra an'ny raintsika

Nampitombo ireo zanaka lahin'i Labana satria tezitra mafy izy ireo. DH: "Ny zavatra rehetra izay nalain'i Jakoba dia an'ny raintsika''

Hitan'i Jakoba teny amin'ny endriky ny tarehin'i Labana. Hitany fa niova ny fihetsiny taminy

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy dika ihany. Ilay faharoa dia manazava ny fijery izay hitan'i Jakoba teny amin'ny endrik'i Labana. DH: "Nahatsikarika i Jakoba fa tsy faly taminy intsony i Labana.

ireo razanao

''Isaka rainao sy Abrahama raibenao''

Genesis 31:4

Ary Jakoba naniraka sy niantso an'i Rahely sy Lea ho any an-tsaha any amin'ireo ondry aman'osiny

''naniraka ho any amin'i Rahely sy Lea ary nilaza tamin'izy ireo mba hiaona aminy any ivelan'ny saha niaraka tamin'ireo ondry aman'osiny''

ho any amin'ireo ondry aman'osiny ary niteny tamin'izy ireo hoe

Afaka atao fehezanteny roa fohifohy izany. DH: "ho any amin'ireo ondry aman'osiny. Nolazainy tamin'izy ireo''

Hitako niova ny fihetsiky ny rainareo tamiko

''Tsikaritro fa tsy faly amiko intsony ny rainareo''

Fantatrareo fa tamin'ny heriko manontolo no nanompoako ny rainareo

Eto ny teny hoe ''ianareo'' dia ilazana an'i Rahely sy Lea miaraka. Manampy amin'ny fanasongadinana ihany koa izany. DH: "Ny tenanareo mihintsy no nahafantatra fa nanompo ny rainareo tamin'ny heriko manontolo aho''

Genesis 31:7

Efa namitaka ahy

''Efa nandainga tamiko'' na ''tsy nanao fitondrana marina tamiko''

ny karamako

''izy no nilaza fa handoa karama ho ahy''

handratra ahy

Ireo mety ho heviny dia 1) fandratrana ara-batana (UDB) na 2) nanao izay hampahory an'i Jakoba tamin'ny lafiny rehetra.

Ireo biby sada

''Ireo biby misy pentina''

niteraka (...) ny ondry aman'osy

''namokatra zanaka ny ondry aman'osy''

Ny sadika

''Ireo biby misy sadika''

Tamin'izany fomba izany no nangalan'Andriamanitra ny biby fiompin'ny rainareo ary nanomezany izany ho ahy

''Toy izany ny nanomezan'Andriamanitra ahy ireo biby fiompin'ny rainareo''

Genesis 31:10

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy ny resany tamin'ireo vadiny i Jakoba dia Lea sy Rahely.

Ary tamin'ny andron'ny fahatairana ka iraisana

''Nandritra ireo andron'ny fahatairan'ireo biby fiompy ka iraisan'izy ireo''

miray amin'ireo ondry aman'osy

Eto ''ny ondry aman'osy'' dia ilazana ireo osy vavy. DH: "miray amin'ireo osy vavy amin'ireo ondry aman'osy''

ireo (...) sadika, mara, ary sada

''ireo misy sada, misy mara kely, mara be''

anjelin'Andriamanitra

Ireo mety ho heviny dia 1)naka endrika olona Andriamanitra raha niseho na 2)iray amin'ireo mpitondra hafatr'Andriamanitra no niseho. Koa satria tsy dia mazava loatra ny andian-teny, ny tena tsara dia ny mandika izany tsotra hoe: "ny anjelin'i Andriamanitra," mampiasa ny teny tsotra izay ampiasainao ho an'ny "anjely."

Dia hoy aho hoe ...

''Ary dia namaly aho hoe...''

Inty aho

''Eny, mihaino tokoa aho'' na ''Eny, ahoana izay?'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:1.

Genesis 31:12

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Jakoba ilay anjelin'i Andriamanitra.

Atopazo ireo masonao

Fomba filazana ny ''miandrandra'' na ''mitraka'' izany.

izay miray amin'ireo ondry aman'osy

Eto ''ny ondry aman'osy'' dia ilazana ireo osy vavy. DH: "ireo izay miray amin'ireo osy vavy amin'ireo ondry aman'osy''

ireo sadika, mara, ary sada

''ireo misy sadika sy sada''

any amin'izay nanosoranao tsangam-bato

Nandraraka menaka tamin'ilay tsangam-bato i Jakoba mba hanokanana izany ho an'Andriamanitra.

ny tany nahaterahanao

''ny tany izay nahaterahanao''

Genesis 31:14

Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe

Tsy midika izany fa niara-niteny tamin'ny fotoana iray izy ireo. Manindry fotsiny izany fa nitovy ny hevitr'izy ireo.

Mbola misy anjara na lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay?

Nampiasa izany fanontaniana izany i Rahely sy Lea mba hanasongadinana fa tsy misy zavatra najanon'ny rainy mba homena azy ireo.DH: "Tsy misy zavatra nijanona mba ho lovainy avy amin'ny rainy intsony!''

Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay?

Nampiasa izany fanontaniana izany izy ireo mba hanehoana ny fahatezeran'izy ireo noho ny fitondran'ny rainy azy ireo. DH: ''ny raintsika dia nitondra antsika toy ny vehivavy hafa raha tokony ho toy ny fitondrana zanaka vavy!''

Satria namidiny izahay

Afaka atao mazava izany hoe: DH: "Namidiny izahay ho amin'ny tombotsoany manokana''

ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay

Nandany tanteraka ny vola izay tokony nomena ireo zanany vavy i Labana dia resahina toy ny biby bibidia izay nihinana ny vola tahaka ny sakafo. DH: "Nandany tanteraka ny volanay''

ankehitriny dia anay sy ireo zanakay

''fananay sy ireo zanakay''

Koa ankehitriny

Eto ny '' ankehitriny'' dia tsy midika hoe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.

na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany

''ataovy izay rehetra nolazain'Andriamanitra''

Genesis 31:17

ireo zanany lahy

Nalain'i Jakoba ireo zanany rehetra. Ny zanaka lahy ihany no voalaza eto satria manan-danja tahaka ny lovany izy ireo. DH: "ireo zanany''

Nentiny avokoa ny biby fiompiny rehetra

''Nentiny avokoa ny biby fiompiny.'' Eto ny'' biby fiompy'' dia ilazana ireo biby fiompiny rehetra.

anisan'izany ny biby fiompy izay azony tany Padan-Arama

''ary ireo biby fiompy izay nalainy tamin'ireo tompony raha tany Padan-Arama izy''

Avy eo dia niainga mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana izy

''nankany amin'ny tany Kanana izy, izay nonenan'i Isaka rainy''

Genesis 31:19

Raha nandeha mba hanety ny ondriny i Labana

''Raha niainga mba hanety ny ondriny i Labana''

ny Ony

Ilazana ny Ony Efrata.

nizotra nankany

''nanohy ny dia nankany''

ny tany havoana an'i Gileada

''ireo tendrombohitra Gileada'' na ''tendrombohitra Gileada''

Genesis 31:22

Tamin'ny andro faha-telo

Fomban'ny Jiosy ny manisa ny andro nandehanana ho toy ny andro voalohany. DH: " Roa andro tao aorian'ny andro nialany''

nolazaina tamin'i Labana

Afaka atao izany hoe: DH: "nisy olona nilaza tamin'i Labana''

fa nitsoaka i Jakoba

I Jakoba ihany no voatonona satria izy no mpitarika ny fianakaviana. Afaka atao mazava fa niaraka taminy ireo fianakaviany. DH: "fa nitsoaka niaraka tamin'ireo vadiny sy ireo zanany Jakoba''

dia nalainy

''dia nalain'i Labana''

ary nanaraka azy

''ary nanenjika an'i Jakoba''

nandritra ny lalana hafitoana

Nandany fito andro nandeha tongotra hanatratra an'i Jakoba i Labana.

Tratrany (...) izy

''Azony izy''

Genesis 31:24

Ary Andriamanitra tonga tamin'ny Labana ilay Syriana tamin'ny nofy

Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Labana. DH: "Tamin'izany alina izany dia tonga tamin'i Labana tamin'ny nofy Andriamanitra''

Tandremo mba tsy hanao teny tsara na ratsy an'i Jakoba ianao

Ny andian-teny ''tsara na ratsy'' dia nampiasaina miaraka mba hidika hoe ''na inona na inona.'' DH: "Aza miteny zavatra na inona na inona mety hanandramana na hampitsaharana an'i Jakoba handao''

Tratran'i Labana i Jakoba. Ary Jakoba nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Dia nanorina lay teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany

Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Jakoba sy Labana. DH: "raha nahatratra an'i Jakoba i Labana, i Jakoba dia nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana. Koa dia nanorina ny lainy teo amin'ilay tany havoana an'i Gileada ihany koa i Labana niaraka tamin'ireo havany''

Genesis 31:26

nitondra ireo zanako vavy toy ny babo an'ady

Niresaka momba ny fitondran'i Jakoba ny fianakaviany niaraka taminy mba hiverina any amin'ny tany Kanana toy ny hoe naka azy ireo toy ny babo izay nentina tao aorian'ny ady ka notereny handeha, i Labana. Nanitatra i Labana satria tezitra mafy izy ary nanao izay hahatsapan'i Jakoba fa meloka noho izay nataony izy.

nitsoaka mangina

''nitsoaka mangingina''

tamin'ny fankalazana

''tamin'ny fifaliana''

niaraka tamin'ny aponga tapaka sy lokanga

Entina milaza ny mozika ireo zava-maneno ireo. DH: "ary niaraka tamin'ny mozika''

hanoroka hanao veloma ireo zafiko

Eto ny ''zafy'' dia ilazana ny zafy rehetra na ny lahy na vavy. DH: "hanoroka hanao veloma ireo zafiko''

Adalana izao nataonao izao.

''nanao adalana ianao''

Ary

Eto izany dia tsy midika hoe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.

Genesis 31:29

Manana hery handratrana anareo aho

Ny teny hoe: ''ianao'' dia ilazana ny olona rehetra niaraka tamin'i Jakoba. DH: "Manana olona ampy hiady ka handratra ny rehetra aminareo aho''

Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba na tsara na ratsy

Ny andian-teny ''tsara na ratsy'' dia nampiasaina miaraka mba hidika hoe ''na inona na inona.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:24 DH: "Aza miteny zavatra na inona na inona mety hanandramana na hampitsaharana an'i Jakoba handao''

lasa ianao

Ilazana an'i Jakoba ny ''ianao'' eto.

any an-tranon'ny rainareo

Eto ny ''trano'' dia ilazana ny fianakaviana. DH: "'hody any an-trano hiaraka amin'ny rainao sy ny fianakavianao sasany''

ireo andriamanitro

''ireo sampinao''

Genesis 31:31

Satria natahotra aho ary nieritreritra fa ho halainao amiko amin-kery ireo zanakao vavy no nahatonga ahy handositra mangingina

''niainga mangingina aho satria natahotra aho fa haka ireo zanakao vavy amin-kery ianao''

Na iza na iza nangalatra ireo andriamanitrao dia ho faty izy

Afaka omena hevitra tsara izany. DH: "Hamono an'izay nangalatra ireo andriamanitrao''

Eo anatrehan'ireo havantsika

Ny teny hoe'' ...antsika'' dia ilazana an'ireo havan'i Jakoba sy an'ireo havan'i Labana. Ireo fianakaviana rehetra dia hijery mba hahazo antoka ny fahamarinana sy ny fahitsiana amin'ny zavatra rehetra.

fantaro izay rehetra ety amiko ka anareo dia alaivo izany

''Jereo izay mety hananay ka anareo dia alaivo izany''

Satria tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no nangalatra izany

Izany dia niova avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Jakoba.

Genesis 31:33

ireo mpanompo vavy roa

Ilazana an'i Zilpa sy Bila.

tsy nahita azy ireo izy

''tsy nahita an'ireo sampiny izy''

Genesis 31:34

Ary (...) Rahely ... teo ambonin'izany

Ny teny hoe ''Ary''dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovana avy amin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra mahakasika an'i Rahely.

lasely

Fitoerana eo an-damosin'ny biby mba hahafahan'ny olona mitaingina izany

tompoko

Ny miantso olona hoe ''tompoko'' dia fomba fanajana azy ireo.

fa tsy afaka mijoro eo anoloanao aho

''satria tsy afaka ny hitsangana eo amin'ny fanatrehanao aho''

satria tonga fadim-bolana aho

Ilazana ny fotoana ao anatin'ny volana iray andehanan'ny rà maloto avy any anatin'ny kibonin'ny vehivavy.

Genesis 31:36

Hoy izy taminy

''Niteny tamin'i Jakoba i Labana''

Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao?

Ny andian-teny hoe: ''Inona no fandikan-dalàna nataoko'' sy ny ''Inona no fahotako'' dia toa manana hevitra mitovy ihany. Nanontany an'i Labana mba ilaza aminy izay ratsy nataony i Jakoba. DH: "Inona ny ratsy izay nataoko ka hanenjehanao ahy tahaka izao?"

nanenjika ahy tamin-kafanam-po

Eto ny teny hoe ''kafana = mafana'' dia midika fa tena dodona i Labana hanenjika an'i Jakoba sy niezaka hanatratra azy.

Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao?

''Inona ny zavatra itanao tao ka anao?"

Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany

Eto ny teny hoe'' ...ntsika'' dia ilazana an'ireo havan'i Jakoba sy an'ireo havan'i Labana. DH: "'Apetraho eo anoloan'ireo havantsika ny zavatra izay itanao''

hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta

Eto ny ''antsika roa tonta'' dia ilazana an'i Jakoba sy Labana. Ny andian-teny hoe: ''mitsara eo amin ...'' dia midika hoe hanapa-kevitra ny amin'izay marina ny amin'ny disadisa. DH: "hahafahan'izy ireo mitsara antsika roa tonta''

Genesis 31:38

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Labana i Jakoba.

roapolo taona

"20 taona''

Ireo ondry vavy(i)..

ondry vavy

tsy mba namotsotra

Ny heviny dia hoe tsy mba teraka tsy tonga volana na tsy nampoizina ny zanak'ondry na maty teo amim-piterahana ireo zanany.

Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia

Afaka atao izany hoe: DH: "Raha lanin'ny bibidia ny iray amin'ireo biby fiompinao dia tsy mba nentiko teo aminao izany''

Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany

Ny amin'ireo biby fiompin'i Labana maty dia isaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompin'i Jakoba ary resahina toy ny entana eo an-tsorony izay tsy maintsy zakainy. DH: "Raha tokony hisaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompinao, dia nisaiko ho faty antoka amin'ireo biby fiompiko''

Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala

Ny mijaly nohon'ny hafanana sy hatsika dia resahina toy ny biby izay nihinana an'i Jakoba. DH: "Mijanona miandry ireo biby fiompinao aho na dia amin'ny andro midanika sy ny hirifirin'ny alina aza''

Genesis 31:41

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nanohy niresaka tamin'i Labana i Jakoba.

izay roapolo taona izay

''izay 20 taona farany izay''

efatra ambin'ny folo taona

"14 taona''

Novainao im-polo ny karamako

''Nanova im-polo izay nolazainy haloa amiko.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:7.

Raha tsy niaraka tamiko ny Andriamanitry ny raiko, ilay Andriamanitr'i Abrahama, ary ilay hatahoran'Isaka

Milaza ilay Andriamanitra iray ihany i Jakoba fa tsy andriamanitra telo samihafa. DH: "Raha tsy niaraka tamiko ilay Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka sy an'ny raiko''

Andriamanitry ny raiko

Eto ny teny hoe ''rai(y)'' dia ilazana an'i Isaka, rainy.

ary ilay hatahoran'Isaka

Eto ny teny hoe ''taho(tra)'' dia ilazana ny ''fahatahorana an'i Yaveh,'' izay midika ho fanajana azy fatratra sy fanehoana fanajana amin'ny fankatoavana azy.

tanam-polo

tana(na) - dia ilazana ny tsy fananana na inona na inona. DH: "tsy nisy na inona na inona''

Hitan'Andriamanitra ny fahoriako sy ny fiasako mafy

Ny anarana hoe ''fahoriana'' dia afaka atao koa hoe ''mampahory.'' DH: "Hitan'Andriamanitra ny asa mafiko sy ny nampahorianao ahy''

Genesis 31:43

Ankehitriny kosa inona no afaka ataoko ho an'ireo zanako vavy, na ho an'ireo zaza naterany?

Nampiasa izany fanontaniana izany Labana mba hanindrina fa tsy misy zavatra azony atao intsony. Afaka adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Kanefa, fa tsy misy zavatra azoko atao intsony hitondrana ireo zanako vavy sy ireo zafiko hiverina hiaraka amiko.''

aoka izany ho vavolombelona

Eto ny teny hoe ''vavolombelona'' dia tsy ilazana olona, fa ampiasaina amin'ny hevitra ambadika sy ilazana ny fifanekena izay nataon'i Jakoba sy Labana. Ny fifanekena dia resahina toy ny olona izay eo raha nifanaiky ny hiaina amim-pilaminana izy roa tonta.

Genesis 31:45

tsangam-bato

Izany dia vato lehibe na vatolampy (vato lahy) natsangana mba hanamarihana ny toerana izay nitrangan'ny zavatra manan-danja.

nanao antontany

''nampifanongoa azy ireo''

Avy eo izy ireo nihinana teo amin'ilay antontam-bato izy ireo

Ny fiarahana misakafo dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fifanekena amin'ny hafa. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.

Jegara-sahadota

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :'' Ny anarana Jegara-sahadota dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Labana.''

Galeda

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana Galeda dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Jakoba.''

Genesis 31:48

ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika

Tsy tena mitazona fanekena tahaka ny olona ireo vato. DH: "Ho fampatsiahivana amiko sy aminao ity antontam-bato ity''

Galeda

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana Galeda dia midika hoe'antontam-panekena' amin'ny fitenin'i Jakoba.'' Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:45.

Mizpa

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Mizpa dia midika 'tilikambom-pitazanana.'''

rehefa tsy mifankahita isika

Eto ny ''tsy mifankahita'' dia ilazana ny tsy fifanatrehan'ny roa tonta. DH: "rehefa tsy miaraka intsony isika''

na dia tsy misy olona hafa aza eto amintsika

Eto ny ''..tsika'' dia ilazana an'i Labana sy Jakoba. DH: "Na dia tsy misy olon-kafa mahita antsika aza''

indro

''tadidio.'' Izany dia manampy hanindrina izay holazaina manaraka.

Genesis 31:51

Vavolombelona ity antontam-bato ity, ary vavolombelona ilay tsangam-bato

Ireo antontam-bato ireo dia natao mba hahatsiarovana ny marikin'ny fefy eo amin'i Labana sy Jakoba manoloana ny fanekem-pihavanana. Resahina toy ireo olona vavolombelona izy ireo.

Ilay Andriamanitr'i Abrahama, sy ilay andriamanitr'i Nahora, ary ireo andriamanitry ny rain'izy ireo anie hitsara antsika

Abrahama no raiben'i Jakoba. Nahora no raiben'i Labana.Tera no rain'i Abrahama sy Nahora. Tsy nanompo an'i Yaveh avokoa izy rehetra ireo.

Ilay Tahotry Isaka rainy

Eto ny teny ''..Taho(try)(tra)..'' dia ilazana an'i Yaveh, izay najain'i Isaka fatratra sy nanehoany fanajana amin'ny fankatoavany azy.

Genesis 31:54

niantso ireo havany mba hihinana

Ny fiarahana misakafo dia tafiditra ao anatin'ny fanaovana fifanekena amin'ny hafa. Ny tena hevitr'izany dia azo atao mazava.

Vao mangiran-dratsy ... niverina nankany an-tranony Labana

Ny andininy 55 no andininy voalohany ao amin'ny toko faha 32 ao amin'ny lahatsoratra Hebreo niaingana, kanefa andininy farany ao amin'ny 31 ao amin'ireo Baiboly taty aoriana. Ny soso-kevitra avy aminay dia ny hanarahanao ny fanisana ao amin'ireo Baiboly amin'ny tenim-pirenenao.

nitso-drano

Ny heviny dia milaza faniriana sy tombotsoa tsara hitranga amin'ny olona.