Genesis 21

Genesis 21:1

Yaveh nihaino an'i Saraha

Eto ny andian-teny "nihaino" dia milaza ny fanampian'i Yaveh an'i Saraha mba hanana zazakely. DH: "Nanampy an'i Saraha i Yaveh"

niteraka zaza lahy tamin'i Abrahama

"niteraka ny zanaka lahin'i Abrahama"

tamin'ny fahanterany

"rehefa tena antitra i Abrahama"

tamin'ny fotoana voatendry izay efa nolazain'Andriamanitra taminy

"tamin'ny fotoana izay nolazain'Andriamanitra hitrangan'izany indrindra"

Abrahama nanome anarana ny zanany lahy, ilay nateraka ho azy, izay naterak'i Saraha ho azy, hoe Isaka

"Nanome anarana ny zanany lahy vao teraka i Abrahama, ilay izay naterak'i Saraha, Isaka" na " Nanome anarana ny zanaka lahin'izy ireo vao teraka hoe Isaka i Abrahama"

Noforain'i Abrahama Isaka zanany tamin'izy havaloana

"Raha valo andro i Isaka zanany, dia noforain'i Abrahama izy"

valo andro

"8 andro"

nandidiana (...) azy

"izay nandidiana hataon'i Abrahama"

Genesis 21:5

Zato

"100"

Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho

Nihomehy i Saraha satria gaga sy faly izy. Afaka atao mazava izany: DH: "nahatonga hehi-mpifaliana"

ny olona rehetra maheno

Ny olona izay maheno dia afaka atao mazava: DH: "izay rehetra maheno ny mahakasika izay nataon'Andriamanitra tamiko" (UDB)

Iza moa no afaka nilaza tamin'i Abrahama fa hitaiza zaza Saraha

Azo adika ho fanambarana izany fanontaniana fampisainana izany. DH: "Tsy mbola nisy olona nilaza tamin'i Abrahama fa i Saraha dia hitaiza zaza"

hitaiza zaza

Izany dia fomba mihaja ilazana ny fampinonoana zazakely. DH: "mamahana ronono ny zaza avy amin'ny nonony"

Genesis 21:8

Nitombo ny zaza ka ... nosarahi-nono ... Isaka.

Ny "misara-nono" dia fomba mihaja ilazana ny fitsaharan'ny fitroan'ny zaza ny nonon-dreniny. DH: "nitombo i Isaka, ary rehefa tsy nila ninono tamin'ny reniny intsony izy, dia nanao fety lehibe i Abrahama"

ilay zanak'i Hagara Egyptiana, izay naterany tamin'i Abrahama

Ny anaran'ny zanaka lahin'i Hagara dia azo atao mazava. DH: "Ismaela, ilay zanaka lahin'i Hagara Egyptiana sy Abrahama"

naneso

Afaka atao mazava izany hoe nanao fijery manambany sy nihomehy an'i Isaka. DH: "nihomehy an'i Isaka"

Genesis 21:10

hoy izy tamin'i Abrahama

"Niteny tamin'i Abrahama i Saraha"

Roahy

"asivo mandeha" na "esory hiala" (UDB)

io andevo vavy io sy ny zanany

Ilazana an'i Hagara sy Ismaela izany. Tsy nanonona azy ireo tamin'ny anarany i Saraha satria tezitra tamin'izy ireo.

miaraka amin'i Isaka, zanako

"miaraka amin'ny zanako, dia Isaka"

Izany zavatra izany dia tena nampahory an'i Abrahama

"Nalahelo mafy tamin'izay nolazain'i Saraha i Abrahama"

nohon'ny amin'ny zanany

"satria mahakasika ny zanany izany." Manondro an'i Ismaela, zanany llahy izany.

Genesis 21:12

Aza malahelo nohon'ny amin'ny zazalahy, sy nohon'ny mpanompo vavinao

"Aza tezitra nohon'ny amin'ny zazalahy sy ny mpanampinao"

Henoy ny teneniny rehetra izay lazainy anao mahakasika izany raharaha izany

Eto ny "teny" dia entina manambara izay voalaza. DH: "Ataovy izay rehetra lazain'i Saraha mahakasika azy ireo"

avy amin'Isaka no hanomezana anarana ny taranakao

Ny andian-teny "hanomezana anarana" dia manana dika fa izay teraka avy amin'i Isaka dia izay no horaisin'Andriamanitra ho taranaka izay nampanantenainy an'i Abrahama. Afaka atao izany hoe: "Isaka no ho tonga razamben'ireo taranaka izay nampanantenaiko fa homeko anao" (UDB)

Hataoko ho firenena ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao

Ny teny hoe: "firenena" dia midika fa Andriamanitra hanome azy taranaka maro mba hahatonga azy ho firenen-dehibe. DH: "Hataoko ho firenen-dehibe ihany koa ny zanaky ny mpanompo vavinao"

Genesis 21:14

naka mofo

Ireo mety ho heviny dia 1) entina ilazana ny sakafo amin'ny ankapobeny na 2) entina ilazana manokana ny mofo.

siny hoditra nisy rano

"kitapon-drano." Vita amin'ny hodi-biby ny fitoeran-drano.

Rehefa lany ny rano tao anaty siny hoditra

"Rehefa fona ny rano tao anaty siny hoditra" na "rehefa tapitra nosotroin'izy ireo ny rano rehetra"

sahabo ho halaviran'ny fandefasana tsipìka teo

Ilazana ny elanelan'ny fahafahan'ny olona manipy zana-tsipìka amin'ny tsipìka. Sahabo ho 100 metatra eo izany.

Aoka aho tsy hijery ny fahafatesan'ny zaza

Ny anarana hoe: "fahafatesana" dia azo soloina hoe: "maty." DH: "Tsy te ahita ny zaza maty aho"

nanandratra ny feony izy ka nitomany

Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomany. Ny "nanandratra ny feony" dia midika hoe mihiakiaka mitomany mafy. DH: "nihiakiaka mafy sy nitomany izy" na "nitomany mafy izy"

Genesis 21:17

ny feon'ny zazalahy

"ny feon'ny zazalahy kely." Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomaniny na ny resak'ilay zaza lahy kely. DH: "Ny feon'i Ismaela" (UDB)

ilay anjelin'Andriamanitra

"mpitondra hafatra avy amin'Andriamanitra" na "mpitondra hafatr'Andriamanitra"

avy any an-danitra

Eto ny "lanitra" dia midika ho toerana fonenan'Andriamanitra.

Inona ny olanao

"inona no tsy mety" na "nahoana ianao no mitomany"

ny feon'ny zazalahy eo amin'izay hitoerany

Eto ny "feo" dia ilazana ny feon'ny tomaniny na ny resak'ilay zaza lahy kely. DH: "Ny feon'ny zaza lahy kely izay matory atsy"

atsangano ny zaza

"ampio ny zaza hitsangana"

fa Izaho hanao azy ho firenena lehibe

Ny hoe hanao an'i Ismaela ho firenen-dehibe dia manana dika fa Andriamanitra hanome taranaka maro ho azy izay ho tonga firenen-dehibe. DH: "Hataoko ho firenen-dehibe ireo taranany" na "hataoko ho tonga razamben'ny firenen-dehibe izy"

Genesis 21:19

Andriamanitra nampahiratra ny masony, ka nahita

Ny nampahalalan'Andriamanitra an'i Hagara ny fisian'ny fantsakana dia resahina toy ny hoe nanokatra ny masony ara-bakin-teny Izy. DH: "nampahita an'i Hagara Andriamanitra" na "nasehon'Andriamanitra azy" (UDB)

ilay siny hoditra

"ilay fasiana vita amin'ny hoditra" na "ilay kitapo"

ilay zaza

"ilay zaza lahy kely" na "Ismaela"

Nomba ilay zaza Andriamanitra

Eto ny andian-teny "Nomba" dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra nanampy na nitahy ilay zaza lahy kely. DH: "nitarika ilay zaza lahy kely Andriamanitra" na "nitahy ilay zaza lahy kely Andriamanitra"

lasa mpandefa tsipìka

"lasa nanana fahaiza-manao tamin'ny fampiasana tsipìka sy zana-tsipìka"

nahazo vady

"nahita vady"

Genesis 21:22

Ary tamin'izany fotoana izany

Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.

Pikola

Anaran-dehilahy izany.

lehiben'ny tafiny

"manam-boninahitry ny tafiny" (UDB)

ny tafiny

Ny teny "azy"/ "..ny" dia ilazana an'i Abimeleka.

Andriamanitra dia momba anao amin'izay rehetra ataonao

Eto ny andian-teny "momba anao" dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra manampy sy mitahy an'i Abrahama. DH: "Andriamanitra mitahy izay ataonao rehetra"

Ankehitriny noho izany

Ny teny "Ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", fa nampiasaina mba hisarihana ny fifantohana ho amin'ny zavatra manan-danja ho avy manaraka. DH: "noho izany"

mianianà amiko eto anatrehan'Andriamanitra

Fomba fiteny izany izay midika fanaovana fihanianana manetriketrika izay hatrehin'ireo mana-pahefana ambony, amin'izany, Andriamanitra. DH: "mianianà amiko ary Andriamanitra no vavolombelona"

fa tsy hanao ratsy amiko ianao

"fa tsy handainga amiko ianao"

tsy hanao ratsy ... amin'ny taranako

Azo atao ihany koa izany hoe: DH: "hanao fitondrana amin'ny hitsim-po amiko sy ireo taranako.

Asehoy ahy ... ny fahatokisam-panekena izay nasehoko taminao

Nifanao fifanekena ireo lehilahy roa ireo. Ny anarana "fahatokisana" dia azo atao hoe" mahatoky" na "tsy mivadika." DH: "Aoka ho mahatoky amiko sy ny tany toy izay efa nataoko anao"

amin'ity tany

Eto ny "tany" dia milaza ny olona. DH: "amin'ny olon'ny tany"

Mianina aho

Afaka atao izany hoe: DH: "Mianina ny hahatoky aminao sy ny olonao aho tahaka ny nataonao tamiko"

Genesis 21:25

Nitaraina tamin'i Abimeleka ihany koa Abrahama

Ireo mety ho heviny dia 1) nitaraina mahakasika izay nitranga i Abrahama na 2) "nibedy/ niteny mafy an'i Abimeleka ihany koa Abrahama"

mahakasika ny lavaka fantsakana nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny taminy

"Satria ireo mpanompon'i Abimeleka naka an-keriny ny fantsakan'i Abrahama"

naka an-keriny taminy

"naka izany tamin'i Abrahama" na "naka ny fifehezana ny..." (UDB)

tsy mbola nandre momba izany aho raha tsy androany

"Izao no fotoana voalohany nahenoako izany"

Abrahama dia naka ondry sy omby ka nomeny an'i Abimeleka

Mari-pamantaranan'ny fihavanana izany fa i Abrahama nanaiky ny hanao fanekena tamin'i Abimeleka.

Genesis 21:28

Abrahama nanavaka zanak'ondry vavy fito tamin'ireo ondriny

"Nanasaraka zanak'ondry vavy fito avy tamin'ireo ondriny"

fito

"7"

Inona no dikan'ireto zanak'ondry vavy fito navahanao ireto?

"Nahoana no navahinao tamin'ireo namany ireto zanak'ondry vavy fito ireto?"

ho raisinao

"haka ianao"

avy amin'ny tanako

Eto ny "tanana" dia ilazana an'i Abrahama. DH: "avy amiko"

mba ho vavolombelona izany

Ny teny hoe: "izany" dia ilazana ny fanomezana dia ireo zanak'ondry vavy fito.

mba ho vavolombelona amiko izany

Ny anarana hoe "vavolombelona" dia afaka soloina hoe "hanaporofo." DH: "hanaporofo amin'ny olona rehetra"

Genesis 21:31

nantsoiny (...) io toerana io

"nantsoin'i Abrahama (...) io toerana io"

Beri-sheba

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: "Beri-sheba dia manana dika hoe "fatsankan'ny fianianana" na "fatsankan'ny fito."

izy roa tonta

"Abrahama sy Abimeleka"

Pikola

Anaran-dehilahy izany. Jereo ny nandikanao izany anarana izany ao amin'ny 21:22.

niverina amin'ny tanin'ireo Filistina

"niverina nankany amin'ny tanin'ireo Filistina"

Genesis 21:33

hazo voamadilo

Hazo maitso izay afaka maniry any amin'ny tany efitra. Azo adika tsotra fotsiny izany hoe: DH: "hazo"

ilay Andriamanitra mandrakizay

"ilay Andriamanitra izay velona mandrakizay"

andro maro

Ilazana halavan'ny fotoana izany.