Genesis 20

Genesis 20:1

Sora

Faritry ny tany hay any amin'ny sisiny atsinanan'i Egypta izany.

nandefa ireo lehilahiny ary nalain'izy ireo i Saraha

"nampandeha ireo lehilahiny mba haka an'i Saraha ary hitondra azy ho eo aminy"

Andriamanitra tonga tamin'i Abimeleka

Andriamanitra niseho tamin'i Abimeleka

Indro

Eto ny teny "Indro" dia manampy hanasongadina izay ho avy manaraka. "Mihainoa ahy" (UDB)

ho faty ianao

Fomba fiteny mahery ilazana ny hafatesan'ny mpanjaka izany. DH: "tsy ho ela dia ho faty tokoa ianao" na "hovonoiko ianao"

vadin'olona

"vehivavy manambady"

Genesis 20:4

Ary ... azy

Izany andian-teny izany dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiovan'ny tantara mankany amin'ny fampahafantarana mahakasika an'i Abimeleka.

Abimeleka tsy mbola nanakaiky azy

Izany dia fomba mihaja ilazana fa tsy mbola niray ara-nofo taminy izy. DH: "tsy mbola nandry tamin'i Saraha i Abimeleka" na "tsy mbola nikasika an'i Saraha i Abimeleka"

na dia ny firenena marina aza

Eto ny "firenena" dia milaza ny olona. Nanahy Abimeleka fa tsy izy irery no ho faizin' Andriamanitra, fa ny olony ihany koa. DH: "na dia ny olona tsy manan-tsiny"

Tsy ny tenany ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?' Na izy tenany aza dia niteny tamiko hoe: 'Anadahiko izy'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH "tsy izy ihany ve no nilaza tamiko fa anabaviny izy? na izy tenany ary niteny tamiko fa anadahiny izy"

Tsy ny tenany ihany ve no niteny tamiko hoe: 'Anabaviko izy?'

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany Abimeleka mba hampahatsiarovana an'Andriamanitra ny zavatra izay efa fantatr'Andriamanitra. Azo adika toy izao izany fanambarana izany: DH: "i Abrahama tenany mihitsy no niteny tamiko hoe 'anabaviko izy.'" na "Nilaza Abrahama fa anabaviny izy."

Tsy izy ihany ve no niteny ... Na izy tenany aza

Ny teny hoe :"izy ihany" sy "izy tenany" dia nampiasaina hanasongadinana ka hisarihana ny fifantohana amin'i Abrahama sy Saraha ary hanamelohana azy ireo noho izay nitranga.

Nataoko tamin'ny hitsim-poko izany ary tamin'ny tanako tsy manan-tsiny

Eto ny "fo" dia milaza ny fisainana na izay kasaina atao. Ny "tanana" ihany koa dia milaza asa. DH: "Nanao izany tamin'ny fikasana sy asa tsara aho" na "Nanao izany tsy tamim-pisainana na asa ratsy aho"

Genesis 20:6

Andriamanitra niteny taminy

"niteny tamin'i Abimeleka Andriamanitra"

tamin'ny hitsim-ponao no nanaovanao izany

Eto ny "fo" dia milaza ny fisainana na izay kasaina atao. DH: "nanao izany tamin'ny fikasana tsara ianao" na "Nanao izany tsy tamim-pisainana ratsy ianao"

hikasika azy

Izany dia fanalefahan-teny ilazana ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'i Saraha. DH: "nandry taminy"

ny vadin-dralehilahy

"ny vadin'i Abrahama"

ho velona ianao

"avelako ho velona ianao"

izay rehetra anao

"ny olonao rehetra"

Genesis 20:8

Nolazainy tamin'izy ireo izany zavatra rehetra izany

"Nolazainy tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nolazain'Andriamanitra azy"

Inona ity nataonao taminay?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Abimeleka mba hanamelohany an'i Abrahama. DH: "Nanao zava-dratsy taminay ianao!" na "Jereo ity nataonao anay!"

taminay

Ny teny "taminay" eto dia ilazana an'i Saraha sy Abrahama. Ampiasao ny "anay" na "izahay."

Ahoana ny nanotàko taminao, no dia nitondra fahotana ...?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Abimeleka mba hampahatsiarovany fa nanota taminy i Abrahama. DH: "Tsy nampanao zavatra anao izay mitondra ... fahotana."

no dia nitondra fahotana lehibe teo amiko sy ny fanjakako ianao

Nanao olona ho meloka nohon'ny fahotana dia resahina ny "fahotana" toy izay azo hasolo olona. DH: "mba hanamelohanao ahy sy ny fanjakako amin'izany fahotana mahatsiravina izany"

amin'ny fanjakako

Eto ny "fanjakana" dia milaza ny olona. DH: "eo amin'ny olon'ny fanjakako"

Nataonao tamiko izay tsy tokony natao

"Tsy tokony nanao izany tamiko ianao"

Genesis 20:10

Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?

"Inona no nahatonga anao hanao izao?" na "nahoana ianao no nanao izao?" Afaka atao mazava izay nataon'i Abrahama. DH: "Nahoana ianao no niteny tamiko fa anabavinao i Saraha?"

Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.'

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "koa satria tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra eto, mety hisy hamonop ahy mba hahafahany maka ny vadiko."

tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity

Eto ny "toerana" dia milaza ny olona. DH: "tsy misy matahotra an'Andriamanitra ny olona eto Gerara"

matahotra an'Andriamanitra

Ny heviny dia manaja fatratra an'Andriamanitra ary maneho izany fanajana izany amin'ny fankatoavana azy.

Ary koa, anabaviko tokoa izy

"ankoatra izay, marina tokoa fa anabaviko i Saraha" na "ankoatra izay, dia tena anabaviko tokoa i Saraha"

zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko

"iray ray izahay, saingy samy manana ny reniny"

Genesis 20:13

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andininy 13 dia fanohizana ny navalin'iAbrahama an'i Abimeleka.

ny tokantranon'ny raiko

Eto ny "trano" dia milaza ny fianakavian'i Abrahama. DH: "ny raiko sy ny sisam-pianakaviako" na "ny ankohonandraiko"

hoy aho taminy hoe: 'Tsy maintsy asehonao amiko amin'ny maha-vadiko anao ity fahatokiana ity: any amin'izay toerana rehetra izay alehantsika, dia teneno ny momba ahy hoe: ''Anadahiko izy.'"

Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "Niteny tamin'i Saraha aho fa ilaiko ny hisehoany mahatoky amiko amin'ny fitenenana amin'ny olona amin'izay alehanay rehetra fa anadahiny aho"

naka (...) i Abimeleka

"nitondra (...) i Abimeleka (UDB)

Genesis 20:15

Hoy Abimeleka

"Niteny tamin'i Abrahama i Abimeleka"

Indro

Eto sy any amin'ny andininy faha 16 ny teny hoe: "Indro" dia manampy amin'ny fanasongadinana izay ho avy manaraka eo.

eo anoloanao ny taniko

Izany dia fomba fiteny ny "homeko an-kalalahana ho anao ny taniko manontolo"

Mitoera amin'izay mety aminao

"Monena any amin'izay rehetra irianao"

arivo

"1,000"

Izany dia mba ho tampimaso amin'ny fandikan-dalàna natao anao eo anatrehan'ny olon-drehetra izay miaraka aminao

Manome vola hanaporofona fa tsy manan-tsiny i Saraha ary noresahina toy ny mametraka tampimaso eo anolohan'ny fandikan-dalàna mba tsy hahafahan'ny olona mahita izany. DH: "Manome izany ho azy aho, mba ho fantatr'ireo izay miaraka aminao fa tsy nahavita zavatra ratsy ianao"

eo imason'ireo

eto ny "maso" dia milaza ny fisainan'ny olona na ny heviny.

eo imason'ireo olon-drehetra, (...) tena nanao ny marina ianao

Ny hoe: "nanao ny marina" dia azo atao hoe: DH: "ny olona rehetra dia hahafantatra fa tsy manan-tsiny ianao"

Genesis 20:17

momba tanteraka

"tena tsy afaka ny hanan-janaka"

noho i Saraha, vadin'i Abrahama

Ny tena heviny dia azo azavaina hoe: DH:"satria Abimeleka naka an'i Saraha vadin'i Abrahama