Genesis 19

Genesis 19:1

ireo anjely anankiroa

Ny Genesisy 18 dia milaza fa lehilahy roa ny nankany Sodoma. Eto isika dia mahafantatra fa anjely tokoa izy ireo.

ilay vavahadin'ny Sodoma

"ny fidirana ao amin'ny tanànan'i Sodoma." Misy manda manodidina ny tanàna, ary tsy maintsy mandeha amin'ny vavahady ny olona vao tafiditra ao. Toerana manan-danja amin'ny tanàna izany. Ny olona manana ny maha izy azy no matetika mijanona eo.

nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany

Nanao ny lohaliny tamin'ny tany ary nampikasika ny andriny sy ny orony tamin'ny tany.

ianareo Tompoko

Fomba fanajan'i Lota an'ireo anjely izany.

miangavy anareo re aho mba hivily ao an-tranon'ny mpanomponareo

"Mba tongava re ka mitoera ao an-tranon'ny mpanomponareo"

ny tranon'ny mpanomponareo

Manao ny tenany ho toy ny mpanompo i Lota mba hanehoana fanajana.

sasao ny tongotrareo

Tian'ny olona ny manasa ny tongotr'izy ireo ao aorian'ny dia.

mifoha vao mangiran-dratsy

"hifoha aloha"

handany ny alina ... izahay

Raha nilaza izany ireo anjely roa, dia nilaza ny tenan'izy ireo ihany, fa tsy i Lota. Izy roa dia niomana ny handany ny alina eo an-kianja. Ny fiteny sasany mety ampiasa ny "izahay" eto.

kianjan'ny tanàna

Toerana an-kalamanjana ao tanàna natao ho an'ny olona tsy an-kanavanaka izany.

niaraka taminy izy ireo

"nihodina ka niaraka taminy izy ireo"

Genesis 19:4

talohan'ny natorian'izy ireo

"talohan'ny natorian'ireo olona tao an-tranon'i Lota teo am-pandriana"

ireo lehilahin'ny tanàna, ireo lehilahin'i Sodoma

"ireo lehilahin'ny tanàna, izay, lehilahin'i Sodoma" na fotsiny hoe: "ireo lehilahin'ny tanànan'i Sodoma"

ny trano

"ny tranon'i Lota"

ny tanora sy ny antitra

"ny tanora hatramin'ny antitra." Ny heviny dia "ireo lehilahy amin'ny sala-taona rehetra" ary ilazana ireo lehilahin'i Sodoma izay nanodidina ny tranon'i Lota.

izay tonga tato aminao

"izay nankao an-tranonao"

miara-mandry amin'izy ireo

"manao firaisana ara-nofo amin'izy ireo." Mety manana fomba filaza mihaja hitenenana izany ny fiteninao. DH: "mahalala azy ireo manokana na ara-pananahana"

Genesis 19:6

tao aoriany

"tao afarany" na "tao aorian'ny nandehanany"

Ry rahalahiko, miangavy anareo aho

"mitalaho aminareo Aho, ry rahalahiko"

Ry rahalahiko

Niresaka tamin'ny fomba feno fitiavana tamin'ireo lehilahin'ny tanàna i Lota ary nanantena ny hihainon'izy ireo azy. DH: "ry namako"

aza manao zava-dratsy loatra

"aza manao zavatra izay tena ratsy" na "aza manao zavatra ratsy toy izany"

Indro

"mihainoa" na "Aty jerena"

tsy mbola niara-nandry tamin'ny

" tsy mbola nanao firaisana ara-nofo tamin'ny." Mety manana fomba filaza mihaja hitenenana izany ny fiteninao. DH: "mbola tsy nahalala"

izay tsara eo imasonareo

"izay irianareo" na "izay fantatrareo fa mety"

ato ambany aloky ny tafoko

Ireo lehilahy roa ireo dia vahiny ao amin'ny tranon'i Lota, noho izany dia mila miharo azy ireo izy. Ny teny hoe: "tafo" dia fibangoan-teny ho an'ny tranon'i Lota manontolo sy sarinteny ho an'ny fiarovan'i Lota azy ireo. DH: "ao an-tranoko, ary Andriamanitra manantena ahy hiaro azy ireo"

Genesis 19:9

Mialà!

"Misana any! na "mialà amin'ny lalanay!" (UDB)

Ity iray ity dia tonga teto mba hitoetra ho vahiny

"Ity iray ity dia tonga teto toy ny mpihavy" na "ity vahiny ity dia tonga ka nitoetra teto"

Ity iray

"i Lota." Nifampiresaka ireo lehilahy. Raha tsy dia mazava loatra izany amin'ny fiteninao, eto dia afaka ataonao hoe niresaka tamin'i Lota ireo lehilahy ireo, toy ny ao amin'ny UDB.

ary izao lasa mpitsara antsika

"ary izao izy mihevitra fa manana zo ny ilaza amintsika izay mety sy tsy mety" na "kanefa tsy avelantsika hanakana antsika amin'ny fanaovana izay tiantsika atao izy"

ary izao izy

"na dia tsy misy antony tokony,... izy"

Ary ankehitriny

"Koa satria ianao niteny izay fa ratsy izay nataonay, izahay"

hanao izay ratsy indrindra miaraka aminao noho ny miaraka amin'izy ireo izahay

Tezitra ireo lehilahy nohon'ny nitenenan'i Lota hoe: "aza manao zava-dratsy loatra" (19:6), koa dia nampitahotra ny hanao zavatra farak'izay ratsy noho izay natahoran'ny Lota tamin'ny voalohany. DH: "hanao zavatra ratsy kokoa aminao noho izay hataonay amin'izy ireo"

Nanosika mafy nanohitra an'ilay lehilahy izy ireo, nanohitra an'i Lota, ary nanakaiky mba hamaky ny varavarana

ireo mety ho heviny dia 1) "Nanohy nanatona akaiky kokoa an'i Lota, ilay lehilahy, izy ireo mandra-paha akaiky azy ireo hamakiany ny varavarana" na 2) nanosika an'i Lota hiala ny rindrina na ny varavaran'ny trano ary efa saika hahavaky ny varavarana.

ilay lehilahy ... i Lota

Fomba roa ilazana an'i Lota izany.

Genesis 19:10

Fa ireo lehilahy

"Fa ireo vahiny roan'i Lota" na "Fa ireo anjely roa"

ireo lehilahy nanandratra ny tanan'izy ireo sy nisintona ... azy ireo ary nanakatona

Ny fiteninao dia mety mila manampy fa ireo lehilahy dia nanokatra ny varavarana aloha. DH: 'nanokatra ny varavarana ampy hanadratan'izy ireo ny tanany sy hisintona ... azy ireo, avy eo dia nohidin'izy ireo"

ireo vahinin'i Lota namely hajambana ireo lehilahy

Ny andian-teny "namely hajambana" dia sarinteny; tsy nikapoka ireo lehilahy ireo vahiny. DH: "Nahajamba ireo lehilahy ireo vahinin'i Lota" na "nanaisotra ny fahitan'izy ireo"

ny kely sy lehibe

"amin'ny sala taonan'ny lehilahy rehetra." Izany fampisainana izany dia manasongadina f aireo vahiny ireo dia nana-jamba ireo lehilahy rehetra. Milaza maha izy azy nohon'ny taona izany. DH: "na ny bitika na ny ngeza"

Genesis 19:12

Dia niteny ireo lehilahy

"Dia niteny ireo lehilahy roa" na "Dia niteny ireo anjely"

Mbola misy olon-kafa ve ato aminao?

"Mbola misy hafa isan'ny fianakavinao ve eto an-tanàna?" na "Mbola misy hafa isan'ireo havanao ve amin'ity toerana ity?"

izay hanananao eto amin'ity tanàna ity

"izay hafa anisan'ireo fianakavinao izay monina amin'ity tanàna ity"

Fa efa ho ravainay

Ny teny hoe: "izahay" eto dia ilazana ireo anjely roa. Ireo anjely roa ihany no handrava ny tanàna; tsy handrava izany i Lota. Ny "izahay" no ampiasainao eto.

ny fiampangana izany eo anatrehan'i Yaveh dia tonga mafy loatra

Afaka hovaina ho matoanteny ny anarana hoe:" fiampangana". DH: "betsaka loatra ny olona nilaza tamin'i Yaveh fa ny olon'izany tanàna izany dia manao zava-dratsy"

Genesis 19:14

Nandeha Lota

"koa dia nandao ny tranony i Lota"

ireo vinanto lahiny, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy

vinanto, ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy - Ny andian-teny hoe: "ireo lehilahy izay efa nampanantena hanambady ireo zanany vavy" eto dia manazava ny dikan'ny hoe: "vinanto lahiny". DH: "ireo lehilahy izay hanambady ireo zanany vavy" na "ny ''fofombadin'ireo zanany vavy"

Vao mangiran-dratsy

"Mialoha kelin'ny hiposahan'ny masoandro"

Mandehana

"mandehana ankehitriny"

tsy ho voaringana koa ianao amin'ny famaizana ny tanàna

Azo atao izany hoe: DH: "mba tsy haringan'i Yaveh koa ianao raha manasazy ny olon'ity tanàna ity Izy"

tsy ho voafaoka amin'ny famaizana

Lazaina toy ny fifahona vovoka ny fandringanan'Andriamanitra ny olon'ny tanàna.

ny tanàna

Eto ny "ny tanàna" dia ilazana ny olona.

Genesis 19:16

Kanefa nitaredretra izy

"Kanefa nisalasala i Lota" na "Kanefa tsy niainga avy hatrany i Lota"

Dia nohazonin'ireo lehilahy

"koa dia nohazonin'ireo lehilahy roa" na "koa dia Dia nohazonin'ireo anjely"

be famindram-po taminy

"nanana fangoraham-po tamin'i Lota." Soritsoritina toy ny "be famindram-po" i Yaveh satria niharo ny ain'i Lota sy ireo havany raha tokony handringana azy ireo tamin'ny fandringanany ny olon'i Sodoma nohon'ny ratsy izay nataon'izy ireo.

Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo

"Rehefa tafavoakan'ireo lehilahy roa teny ivelany ireo havan'i Lota"

Mandosira ho amin'ny ainareo!

Fomba ilazana amin'izy ireo mba handositra ka tsy ho faty izany. DH: "Mandosira ary avoty ny ainareo!"

Aza miherika

Ny andian-teny "any amin'ny tanàna" dia mazava. DH: "Aza miherika any amin'ny tanàna" na "Aza miherika amin'i Sodoma"

amin'ny tany lemaka

Ny dikany dia ny lemakin'ny onin'i Jordana. Ilazana ny faritry ny onin'i Jordana amin'ny ankapobeny izany.

tsy ho voaringana ianareo

Mazava amin'izany fa ho voaringana miaraka amin'ireo olon'ny tanàna izy ireo. Afaka atao izany hoe: DH: "raha tsy izany dia haringan'Andriamanitra miaraka amin'ireo olon'ny tanàna ianareo"

tsy ho voaringana

Ny fandringanan'Andriamanitra ny olon'ny tanàna dia resahina toy ny olona iray izay mifaoka vovoka.

Genesis 19:18

Efa nahita sitraka teo imasonao ny mpanomponao

Ny hoe mankasitraka olona dia noresahina toy ny hoe zavatra izay hita maso ny "sitraka". Ny "fahitana" ihany koa dia sarinteny ilazana ireo hevitra na ireo fisainan'ny olona. DH: "Nankasitrahako ianao" (UDB)

ny mpanomponao efa

Naneho fanajana i Lota tamin'ny filazany ny tenany hoe " ny mpanomponao". DH: "izaho ,ny mpanomponao, efa"

efa naneho hatsaram-panahy lehibe tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko

Ny anarana hoe: "hatsaram-panahy" dia azo avadika hoe: "tsara fanahy." DH: "tena tsara fanahy tamiko ianao tamin'ny namonjenao ny aiko"

tsy afaka ny handositra ho any an-tendrombohitra aho, satria hahatratra ahy ny loza, ary ho faty aho

Ny tsy fahafahana mandeha lavitra an'i Sodoma raha handringana ny tanàna Andriamanitra dia resahina toy ny olona ny "loza" izay manenjika ka mahatratra an'i Lota. DH: "izaho sy ny havako dia ho faty tokoa raha mandringana ny olon'i Sodoma Andriamanitra, satria lavitra loatra ho anay ireo tendrombohitra axo antoka"

ny aiko ... tsy afaka ny handositra ... hahatratra ahy, ... ary ho faty aho

Milaza izany fa ny havan'i Lota dia hiara ho faty miaraka aminy. DH: "ny ainay ... tsy afaka ny handositra izahay... hahatratra anay, ... ary ho faty izahay"

aoka re aho handositra ao (tsy kely ve io?), ary dia ho voavonjy ny aiko

Mampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Lota mba hahatonga ireo anjely hahatsikaritra fa kely tokoa ilay tanàna. DH: "aoka re aho handositra ao. Hitanao ny fahakelin'izany. Raha avelanao mankany izahay dia ho velona"

aoka re aho handositra ao

Ny fangatahan'i Lota feno dia azo azavaina. DH: "mba aleo aho handositra ao, toy izay haringanao izany tanàna izany"

ho voavonjy ny aiko

Milaza izany fa ny ain'ny havan'i Lota ihany koa dia ho voavonjy miaraka amin'ny azy. Afaka atao izany hoe: DH: "mba ho velona izahay" na "mba ho afabela izahay"

Genesis 19:21

ekeko ihany koa izany fangatahana izany

"hataoko izay nangatahinao"

tsy afaka hanao na inona na inona

Afaka hatao mazava koakoa izany. DH: "Tsy afaka handrava ireo tanàna hafa"

Zoara

Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe: " nY anarana hoe "Zoara" dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe: "kely." Miantso izany tanàna izany hoe 'kely' i Lota ao amin'ny Genesisy 19:20."

Genesis 19:23

Efa niposaka tamin'ny tany ny masoandro

"efa nipoaka ny masoandro teo amin'ny tany." Ny andian-teny "tamin'ny tany " dia azo ajanina tahaka ny ao amin'ny UDB izay tsy nandika izany.

nony tonga tao Zoara i Lota

Milaza izany fa niaraka taminy ireo havan'i Lota. DH: "Rehefa tonga tao Zoara i Lota sy ny havany"

nandatsaka solifara sy afo avy tany an-danitra tamin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh

Ny andian-teny "avy amin'i Yaveh" dia natao ilazana ny herin'Andriamanitra izay nahatonga solifara sy afo hiraraka amin'ny tanàna. DH: "Nahatonga solifara sy afo hiraraka amin'i Sodoma sy Gomora i Yaveh"

solifara sy afo

Ireo teny roa ireo dia nampiasaina miaraka mba hanoritsoritana zavatra iray ihany. DH: "solifara mandoro" na "oran'afo"

ireo tanàna

Voalohany izany dia ilazana an'i Sodoma sy Gomora, fa ilazana ireo tanàna telo hafa ihany koa anefa.

ireo mponin'reo tanàna

"ny olona izay miaina ao amin'ireo tanàna"

Genesis 19:26

tonga andry sira izy

"tonga vongan-tsira izy" na "lasa toy ny vato lehibe vita amin'ny sira." Satria izy tsy nankato ny anjely izay nilaza tamin'izy ireo mba tsy hiherika ny tanàna, dia nataon'Andriamanitra lasa toy ny vongan-tsira vato izy.

indro

Ny teny "indro" dia manaitra ny fifantohantsika ho amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka.

tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe

Maneho izany fa velarana setroka lehibe tokoa no hita. DH: "toy ny setroka avy amin'ny afo tena lehibe"

Genesis 19:29

Fampahafantarana ankapobeny:

Ny andininy 29 dia famintinana ity toko ity.

nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra

Milaza ny antony nanavotan'Andriamanitra an'i Lota izany. Ny "mahatsiaro" dia fomba ilazana ny "mahatadidy." Tsy milaza izany hoe nanadino an'i Abrahama Andriamanitra akory. Ny dikany dia hoe nihevitra an'i Abrahama Izy ary nanana famindram-po taminy. DH: "Nihevitra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanana famindram-po taminy"

niala avy tao afovoan'ny fandravana

"lavitrin'ny fandravana" na "lavitrin'ny loza"

Genesis 19:30

niakatra avy tao Zoara i Lota mba honina tany amin'ireo tendrombohitra

Ny andian-teny "niakatra avy" dia nampiasaina satria i Lota dia nandeha ho any amin'ny fiakaran'ireo tendrombohitra avo.

Genesis 19:31

Ny vavimatoa

"Ny zanak'i Lota vavimatoa" na "ny zokiny amin'ny zanany vavy"

ilay zandriny

"ilay zandriny amin'ny zanany vavy" na "ny zandriny vavy kely"

araka izay fanaon'izao tontolo izao

Eto ny "izao tontolo izao" dia ilazana ny olona. DH: "araka ny fanaon'ny olona na aiza na aiza"

misotro divay

Afaka hazavaina fa ny tanjon'izy ireo dia ny hahamamo azy. DH: "hisotro divay mandra-pahamamo azy" (UDB) na "mamon-divay"

mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika

Miresaka ny hanomezana taranaka an'i Lota toy ny hoe manalava ny fetran'ny ankohonany izy ireo. DH: "mba hahafahantsika manan-janaka izay ho taranaky ny raintsika" (UDB)

tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany

"tsy nahafantatra n'inona n'inona momba izany izy" na "tsy fantany fa niara-nandry taminy izy"

Genesis 19:34

Koa andeha hampisotrointsika divay ... na izay nifohazany

Adikao toy ny nataonao ao amin'ny 19:31.

misotro divay

Afaka hazavaina fa ny tanjon'izy ireo dia ny hahamamo azy. DH: "hisotro divay mandra-pahamamo azy" (UDB) na "mamon-divay"

mba hafahantsika manitatra ny taranaky ny raintsika

Miresaka ny hanomezana taranaka an'i Lota toy ny hoe manalava ny fetran'ny ankohonany izy ireo. DH: "mba hahafahantsika manan-janaka izay ho taranaky ny raintsika" (UDB)

tsy nahafantatra ny fotoana izay nandriany, na ny nifohazany

"tsy nahafantatra n'inona n'inona momba izany izy" na "tsy fantany fa niara-nandry taminy izy"

Genesis 19:36

nanan'anaka tamin'ny rain'izy ireo

"bevohokan'ny rain'izy ireo" na "nitoe-jaza tamin'ny rain'izy ireo"

lasa... izy

"Izy no"

ny Moabita ankehitriny

"ny mponin'ny Moaba izay miaiana ankehitriny"

ankehitriny

Ny teny hoe "ankehitriny" dia hanondrona ny fotoana izay mbola nahavelona ny mpanoratra ny bokin'ny Genesisy. Ny mpanoratra dia teraka ka nanoratra izany taona maro tao aorian'ny fahavelomana sy nahafatesan'ny fianakavian'i Lota.

Benamy

Anaran-dehilahy izany.

ny olon'i Amona

"ireo taranak'i Amona" na "ny olon'i Amona"